Nataonà Tra-boina Antsangory Ilay Mpanao Gazety Indiana Teo Am-pitaterana Ny Vaovao

Voaroaka ilay mpanao gazety tao aminà fahitalavitra Indiana iray taorian'ny nahitàna vaovao iray nitatitra fa nataon'olona heverina ho niharam-boina an-tsangory izy teo am-pitaterana ilay vaovao momba ilay safo-drano tany Avaratr'i India.

Narayan Pargaien avy ao amin'ny fahitalavitra mpitati-baovao News Express no isan'ny iray tamin'ireo mpiasan'ny haino aman-jery tonga voalohany tany amin'ny faritra tondra-drano any amin'ny fanjakan'i Uttarakhand taorian'ny firotsahan'ny oram-baventy nahatonga ilay safo-drano tany Himachal Pradesh sy Uttarakhandof any Sub-Hymalayan ny 17 Jona 2013. Tena ao anaty safo-drano sy fihotsahan'ny tany izay nifoaka trano sy olona ihany koa ilay faritra. Maro ny tanàna rava tanteraka.

Vinavinaina ho nandingana ny 1.000 eo ho eo ny isan'ny maty ary mety hiakatra maherin'ny 5.000 aza izany.

Ny mpizaha tany sy ny mpanao fivahinianana masina no maro tena trà-doza ihany koa satria misy toerana maro ahitana ireo fombam-pivavahana izay mahasarika mpanao fivahinianana masina marobe isan-taona io faritra io. Maro ireo tafahitsoka anaty faritra lavitra hany ka mampiasa fitaovana maro ny tafika sy ireo mpamonjy voina mba hanavotana ireo olona ireo.

Nefa tsy mitovy amin'ny an'ireo namany ny vaovao notaterin'i Pargien. Tao amin'ny vaovao an-tsary nangoniny no nahitàna azy manao ny tatitra eo ambony soroky ny lehilahy iray izay haverina ho tra-boina. Nalefa tao amin'ny Youtube io lahatsary io, ka vetivety foana dia niparitaka sy niteraka resabe tao amin'ny aterineto ka nitsikeran'ny mpiserasera an'i Pargaien noho ny fihetsiny.

Dikasarin'ny tati-baovao nataon'i Narayan Pargaien, izay ahitàna azy iantsorohanà lehilahy iray tra-boina ao amin'ny faritra ravan'ny safodrano. Nanerana ny haino aman-jery sosialy ilay vaovao nanomboka teo.

Noroahan'ilay orinasa mpampiely vaovao i Pargaien noho ny  “fahotàna mahafaty” nataony teo amin'ny asany.

Nanandrana nanazava ny tantaran'ilay antsangory i Pargaien. Nolazainy fa “noteren’ ireo” mponina hihanika eo amin'ny soroky ny iray amin'izy ireo izy. Nilaza ny tantarany i Pargaien tamin'ny resadresaka  natao tamin'i Arushi Kapoor, izay nalefa tao amin'ny Newslaundry. Hoy indrindra izy :

Nanampy azy [ ilay tra-boina] ara-tsakafo sy ara-bola  izahay ary nisaotra anay sy te-haneho fanajana anay izy, satria voalohany izao no no nisy olona tahaka ahy nitsidika ny tranony. Noho izany dia nanampy ahy tamin'ny fanaovany ahy antsangory izy rehefa niampita ny renirano izahay, ary tamin'izay fotoana izay no niheverako hitantarana ilay safodrano. Nomenay 50 Rs izy noho ny fanampiany ahy.

Nampangain'i Pargain ihany koa ilay mpaka sary (cameraman) noho ny niniany nampidirana ny sarin'ilay tra-boina mba  handotoana ny lazany. Nitarainany ihany koa fa efa voavono tao amin'ny vaovao an-tsary ilay sarimihetsika nisy azy niteny teo an-tsorok'ilay olona tao an-toerana fa niniana nampakarina tao amin'ny Youtube ilay lahatsary mba hanalàna baraka azy.

Nandrava trano tao aminà tanàna iray ny ranoben'ny tondradrano. Sary avy amin'i Jan Vikas Sansthan (mpiara-miasa amin'ny Oxfam India ). CC BY-NC-ND 2.0

Notsikafonin'i Arushi Kapoor, mpitoraka bilaogy, tao amin'ny bilaoginy, The Objective Onlooker, ilay zava-niseho. Izao no nilazany azy :

Ny zavatra hita ato amin'ny aterineto vao haingana dia nanjary lehilahy malaza i Narayan Pargayen, isan'ny  zavatra tadiaviny izany fara-faharatsiny. Efa manerana ny aterineto ilay lahatsary notontosainy momba ny safodrano any Uttarakhand. Raha mbola tsy hitanareo izany dia ny lahatsarin'i  Narayan Pargaien, mpilaza vaovao, manao ny asany (izay tsy ekeko ho ” filazam-baovao”) eny an-tsoroky ny lehilahy iray izay heverina ho tra-boina noho ny safodrano any Uttarakhand.

 Na dia izany aza, nahoana no hiheveranareo fa ilay lehilahy nanao ny tsy mety no antsoin'ny aterineto hoe ‘ mpanao gazety tsy manaja ny maha-olona’ ? Iza no mahalala ?  Angamba mety ho niaina talohan'ny taonjato iainantsika na olona matsilo saina amin'ny haisoratra ka mahalala zavatra betsaka noho isika Atoa Pargaien, amin'ny fanehoana ilay ‘ enta-mavesatra iantsorohan'ilay ‘ lehilahy tao amin'ny  journo… ahem… safodrano,eny ny safodrano, izay nifaoka ny  zava-drehetra eo aminy. Tsy poetika ve izany? Sa mety ho fampihomehezana fotsiny, tiany ho hitantsika rehetra ( heveriko fa tsy nahy) izay izany sisa no hany zavatra iray azon'ny olona atolotra. Na ny sambonao no mitsingevana Atoa Pargaien, na ianao.

Nasiaka be ny nanoharan'i Ramesh Prabhu ilay zava-nitranga tao amin'ny bilaoginy,The Reading Room :

Ilay mpanao gazetin'ny fahitalavitra izay manandratra ny loha sy ny sorony eo ambonin'ny… ratsy indrindra

Nipatrapatraky ny fanehoankevitra isan-karazany ny Facebook sy ny Twitter miaraka amin'ny fibitsihana indray ilay lahatsary. Tsy ela akory, voasarik'io vaovao io ny sain'izao tontolo izao ary niezaka nanalavitra ny kiana tamin'ny tanantontosàna sy ilay mpanao gazety fototry ny olana ny News Express.

Na dia izany aza, vao mainka nampiredareda ny afon'ny tsikera ireo fanazavany rehetra fa tsy nampangina azy. Araka ny nanasongadinan'i  Arushi azy tao amin'ny bilaoginy :

Natao sy notenenina ny rehetra, mbola ao amin'ny toerana lalina, maizina, mampalahelo izay misy ny haino aman-jery eto amin'ny firenena izao isika. Mbola misy zavatra goavana tokony hataon'ny haino aman-jery. Raha toa ka misy fahadisoana kely vita tahaka ity dia manome antoka ny aterineto fa hanaloka anao eny foana ny matoatoan'ny hadisoanao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.