Hamongotra Ny Andiana Fifindra-monina Vaovao Ve Ny Breziliana?

Ity lahatsoratra ity dia santionan'ireo lahatsoratray momba ny Fifandraisana sy Fandriampahalemana Iraisam-pirenena

Brazilian visa

Fahazoan-dàlana Breziliana. Avy amin'ny TheTransparentEyeball ao amin'ny flickr (CC BY-NC-SA 2.0)

Mitarika andiana fifindra-monina any Brezila ny krizy ara-bola maneran-tany, ady ary ireo hetraketraky ny tontolo iainana. Araka ny voalazan'ny Minisitry ny Fitsarana, ny isan'ny mpifindra monina ara-dalàna tany Brezila dia nitombo 50% tao anatin'ny enim-bolana tamin'ny [pt] 2012. Ny ankamaroan'ny mpifindra monina dia avy any Haiti, Bolivia, Espana, Frantsa ary Etazonia.

Tsy niafina tamin'ireo fampielezam-baovao lehibe sy ny vahoaka ireo vao tonga. Vao haingana ny Domingo Espetacular, fandaharana malaza iray, no  nandefa fanadihadiana [pt] atao hoe “Perseguidos” (“Enjehina”) izay mitantara ny tantaran'izy ireo. Mpibilaogy Breziliana iray, Pedro Migao [pt] no nandokandoka ny fandaharana tamin'ny famaritana ireo antony maro samihafa izay mahasarika ireo mpifindra-monina ho any Brezila.

Na izany aza dia mbola adihevitra mafàna ireo vokatra ateraky ny fisondrotan'ny fifindra-monina. Tao anaty lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe “Endrika hafa an'ny Mpilalao an'Izao tontolo izao” tao amin'ny Mundorama.net [pt], milaza i Patricia Martuscelli fa raha toa i “Eoropa taloha” manao ireo politikam-pifindra-monina hentitra kokoa ao anaty fahasahiranana ara-ekonomika, i Brezila kosa tsy mbola nametraka politika matotra ho azy:

É possível analisar que, frente à impossibilidade de atender completamente as demandas de sua própria população, seria difícil para o governo lidar com os custos internos e internacionais advindos de sua posição como global player, principalmente com a situação dos imigrantes e refugiados. Contudo, quanto mais o Brasil demorar em tratar dessas questões, mais elas se agravarão, pressionando a sua população.

Azo tsoahana fa noho ny tsy fahafahany manome fahafaham-po feno amin'ny fitakian'ireo vahoakany, dia ho sarotra ho an'ny governemanta ny hiatrika ny vidim-piainana anatiny sy ivelany noho ny toerana misy azy amin'ny maha-mpisehatra iraisam-pirenena azy, indrindra momba  ireo mpifindra-monina sy ireo sesitany. Kanefa, arakaraka ny fanemoran'ny Brezila ny famahàna ireo olana ireo no maha-ratsy ny toe-javatra, ka maneritery ny vahoaka.

Mpibilaogy iray hafa, Patrícia Mendonça, dia milaza fa tokony hampiantrano ireo mpitsoa-ponenena ny fanjakana Breziliana na dia eo aza ny fahantrana ankapobeny:

Ao contrário do que veem tentando nos fazer acreditar, o brasileiro continua vivendo em estado de miséria em muitos pontos do país. Estão aí as secas em várias regiões para mostrar. Assim como estão as favelas… A aparente ascensão das classes D e E vem do crédito oferecido por empresas privadas (santas Casas Bahia) mas muito em breve acarretarão em aumento cada vez maior do endividamento das famílias…
Fica uma pergunta: Temos como acolher esses refugiados? Temos como oferecer dignidade?

Temos, uma dignidade mínima igual a de nossos mais pobres e com certeza maior do que a que teriam em seus países.

Na eo aza ny mety ho zavatra hampinoany antsika, mbola miaina anaty fahantrana ny vahoaka Breziliana amin'ny faritra maro. Ahitàna haintany amin'ireo faritra samihafa. Ary misy koa ireo fonenana tsizarizary (…) Ny fahamaroan'ny fisiana kilasy D sy E dia vokatry ny trosa omen'ireo orinasa tsy miankina (Casas Bahia masina), saingy mbola hitarika ny fidangan'ny trosa mavesatra eo amin'ireo tokantrano izany aoriana kely.

Fanontaniana iray mipetraka: Ampy ve ny hoenti-manana mba  hampiantranoana ireo mpitsoa-ponenana ireo? Afaka manome lanja azy ireo ve isika?

Misy fetrany ny fahamendrehana kely indrindra na amin'ireo mahantra indrindra amintsika aza, izay ambony kokoa noho ny azony tany amin'ny fireneny, raha ny marina.

Manodidina ny 4500 avy amin'ny 75 ireo mpitsoa-ponenana [pt] any Brezila, ka ny betsaka indrindra dia avy any Angola sy Kolombia. Toy ireo any amin'ireo firenena hafa, ireo mpitsoa-ponenana sy mpifindra-monina any Brezila dia avy amin'ireo mahantra indrindra eo amin'ny fiaraha-monina. Nefa, Brezila etsy andaniny miezaka ny handray fepetra mivaingana mba hiarovana ireo mpifindra-monina amin'ny fanandevozana. Any São Paulo, ohatra, nofidiana vao haingana ny lalàna mikasika ny fanafoanana ireo fananganana orinasa hita manao asa fanandevozana. Ny Komisiona ambony ho an'ny Mpitsoa-ponenana ao amin'ny Firenena Mikambana any Amerika dia namolavola ny drafitrasa “Hamafiso ny Feonao” mba hanampiana ireo vehivavy niharan'ny herisetra, toy izay naseho tamin'ity lahatsary amin'ny teny Portiogey ity:

Miomana amin'ny fahabetsahan'ny mpifindra monina miditra koa i Brezila mba hampitomboana ny toekarem-pirenena. Ny tsy fisian'ireo manampahaizana matihanina no antony mavesa-danja heverina ho mahatonga ny fihemoran'ny toekaren'i Brezila, toe-javatra iray izay antenain'ny governemanta fa ho voavaka amin'ny fisarihana ireo mpifindra-monina manam-pahaizana [pt] ho ao amin'ny firenena. Ny fampiroboroboana ireo politikan'ny fifindramonina mahomby, noho izany, dia mitondra fandraisan'anjara  amin'ny lazan'i Brezila ho tanjaka maneran-tany vao misondrotra.

ISN logoIty lahatsoratra ity sy ireo dikanteny Espanola, Arabo ary Frantsay dia araka ny fitakian'ny Tambajotram-piarovana iraisam-pirenena (ISN), tafiditra anatin'ny fiaraha-miasa mba hanandratana ny feon'ny olom-pirenena momba ireo olan'ny fifandraisana iraisam-pirenena sy ny fandriampahalemana maneran-tany. Navoaka voalohany tamin'ny bilaogy ISN ity lahatsoratra ity, jereo ato ireo tantara mitovy amin'izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.