Miara-manoratra Hira i Julian Assange, Calle 13, Sy Ireo Mpampiasa Twitter

Nisy fivoriana tamin'ny Twitter izay mety efa nandrasan'ny olona vitsivitsy : René Pérez, fantatra hoe “Residente” avy amin'ny tarika  Calle 13 — tarika iray izay manohitra ny karazana ankolafy —, sy Julian Assange, mpamorona ny Wikileaks, dia nanangona ireo hevitra sy sosokevitra avy amin'ireo mpampiasa Twitter mba hanoratra hira miaraka izay hampidirina ao amin'ny rakikiran'ny Calle 13 manaraka.

Ny hira dia hahakasika ny fikirakirana ny fampielezam-baovao. Nazavain'i René Pérez tao amin'ny iray amin'ireo bitsiny ny hevitra ambadiky ny fanangonana sosokevitra avy amin'ireo mpampiasa Twitter:

‏@Calle13Oficial: Estamos escribiendo todas sus ideas para luego nosotros manipularlas al igual que los medios nos hacen a nosotros #JulianAssangeCalle13

@Calle13Oficial: Raisinay an-tsoratra ireo hevitrareo rehetra mba hampiasainay ao aoriana kely, sahala amin'ny hanaovan'ny fampielezam-baovao antsika. #JulianAssange

ulian Assange and Calle 13 at the Embassy of Ecuador in London, where Assange is currently staying after asking the Ecuadorian government for asylum. Photo taken from Calle 13's official Twitter account <a href="http://twitpic.com/cx0axs" target="_blank">@Calle13Oficial</a>.

Julian Assange sy Calle 13 tao amin'ny Masoivohon'i Ekoatora any Laondra, izay hipetrahan'i Assange amin'izao fotoana izao rehefa nangataka fiarovana tamin'ny governemanta Ekatoriana izy. Sary nalaina avy amin'ny kaonty Twitter an'i Calle 13 @Calle13Oficial

Namorona tenifototra #JulianAssangeCalle13 i Assange sy Pérez, izay nalaza nanerana izao tontolo izao tao anatin'ny minitra vitsy monja taorian'ny nanombohan'ny hetsika. Nametraka andiam-panontaniana maro mba hisarihana ny hetsika avy amin'ireo bitsika i Pérez. Tsy tokony hahagaga fa tamin'ireo andro taorian'ny famborahan'i Edward Snowden mikasika ny rafi-piarovana miafina goavana nataon'ny governemanta Amerikanina, maro tamin'ireo valiny no feno esoeso, ny sasany lalina, ary ireo sasany aza feno hatezerana, saingy ireny rehetra ireny dia seho manambara ny faha-samihafan'ny olombelona. Ny sasany dia nahatalanjona tsotra izao. Tamin'ireo valiny an'arivony nalefan'ny olona, zara raha misy ny ampahany haseho eto:

 

@Calle13Oficial: ¿Por qué no confían en los servicios de seguridad? #JulianAssangeCalle13

 @Calle13Oficial: Nahoana ianareo no tsy matoky ireo rafi-piarovana?

@FabrielGara#JulianAssangeCalle13 ¿Cómo confiaría en alguien cuyo trabajo es estar dispuesto a matarme?

@FabrielGara#JulianAssangeCalle13 Ahoana no hahatokisako olona izay ny asany dia manomana ny hamono ahy?

@AngelCouvertier: La seguridad nacional nace y se mantiene con la sangre de los inocentes #JulianAssangeCalle13

@AngelCouvertier: Ny fiarovam-Pirenena dia teraka ary mijanona ao anatin'ny ràn'ireo tsy manan-tsiny.#JulianAssangeCalle13

@Ismael03@Calle13Oficial porque sin saberlo se convierten en mercenarios del poder. Proteger al millonario y Servir al malhechor #JulianAssangeCalle13

@Ismael03@Calle13Oficial satria tsy fantany akory fa lasa mpikarama an'ady ho an'ireo eo amin'ny fitondràna ry zareo. Miaro ny mpanam-bola ary miasa ho an'ny mpamono olona #JulianAssangeCalle13

‏@ramaotatengue: Porque si de algo estamos seguros, es que no existe seguridad #JulianAssangeCalle13

@ramaotatengue: Satria raha misy zavatra azo antoka, dia ny hoe tsy misy izany fiarovana izany #JulianAssangeCalle13

@boricua_x100pre@Calle13Oficial Vivimos en un sistema privado, privado de libertad, privado de privacidad, privado de semillas terrenos #JulianAssangeCalle13

@boricua_x100pre@Calle13Oficial  Miaina amin'ny fitondrana tsy miankina isika, tsy manana fahafahana, tsy misy takontakona, tsy manana na tany na voa hafafy #JulianAssangeCalle13

‏@CroniQiando@Calle13Oficial la seguridad no nos asegura bienestar. #JulianAssangeCalle13

@CroniQiando@Calle13Oficial ny fiarovana dia tsy afaka hiantoka ny filaminanay #JulianAssangeCalle13

@KELVINTIU1: La seguridad es para pinguinos de traje corbata, en el barrio nos cuidamos todos hasta d la seguridad de los pinguinos #julianassangecalle13

@KELVINTIU1: Ny Fiarovana dia ho an'ireo “pengouin” manao palitao sy kravaty, ao anaty barrio samy mitandrina ny tenany daholo isika, na dia avy amin'ny fiarovan'ireo “pengouin” aza julianassangecalle13.

‏@peyeoropeza: Cuando nos atacan le llaman libertad,cuando nos defendemos le llaman represion.#JulianAssangeCalle13, @Calle13Oficial

@peyeoropeza: Rehefa manafika antsika izy ireo, dia antsoiny hoe fahafahana izany, rehefa miaro tena kosa isika dia antsoiny hoe fanoherana izany #JulianAssangeCalle13, @Calle13Oficial

 

@Calle13Oficial: ¿Por que no confían en la justicia? #JulianAssangeCalle13

@Calle13Oficial: Nahoana no tsy matoky ny fahamarinana isika?  #JulianAssangeCalle13

@BosqueDavid@Calle13Oficial#JulianAssangeCalle13 La justicia se ha convertido en un exclusivo bien de mercado, solo la reciben quienes la pueden pagar

@BosqueDavid@Calle13Oficial#JulianAssangeCalle13 Nanjary entam-barotra voafetra ny fahamarinana, izay afaka mividy azy irery ihany no mahazo azy

@polilo_6@Calle13Oficial la justicia tiene diferencias sociales hay una justicia para los ricos y otra para los pobres #JulianAssangeCalle13

@polilo_6@Calle13Oficial Mampiseho fahasamihafana eo amin'ny fiaraha-monina ny fahamarinana, misy ny fahamarinana ho an'ny manankarena ary misy ho an'ny mahantra #JulianAssangeCalle13

@NOMASIVA1: Soy nobel de la paz pero odio al whistleblower Si desnudas mis mentiras despídete de tu vida pues te encierro o te mato #JulianAssangeCalle13

@NOMASIVA1: Izaho no nahazo ny Loka Nobel mikasika ny Fandriampahalemana saingy halako ny mpisiotsioka, raha toa nabaribarinao ireo laingako dia ataovy veloma ny fiainanao, ho gadraiko ianao na ho vonoiko.#JulianAssangeCalle13

@lucych7#JulianAssangeCalle13 La justicia hoy en día no es + q una utopía, se vende en 1 esquina d cualquier ciudad, la goza quien la puede pagar

@lucych7#JulianAssangeCalle13 Zava-poana sisa ny fahamarinana amin'izao fotoana izao, amidy isaky ny kihon-dàlana izy na aiza na aiza, izay afaka mividy azy no afaka mahazo azy.

‏@riveraalvarenga: La justicia es como la serpiente, sólo muerde el pie del descalzo. #JulianAssangeCalle13@Calle13Oficial

@riveraalvarenga: Tahaka ny bibilava ny fahamarinana, ny tongotry ny olona izay tsy misy fiarovana ihany no kaikeriny #JulianAssangeCalle13@Calle13Oficial

Azonao jerena ato [es] ny Storify mikasika ny hetsika noforonin'i Julian Assange, René Pérez ary ireo mpampiasa Twitter anjatony izay nandray anjara tao amin'ny Twitter.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.