Bénin : Tsy Ny Rehetra no Manaiky ny Bemidina Djakpata

Hatramin'ny nanokafan'ny minisitry ny filaminam-bahoaka sy ny fivavahana ny Bemidina Djakpata no mikendry ny hanenjika ny jiolahy rehetra, izay mandika lalàna mety hanohintohina ny filaminan'ny vahoaka beninoà. Nefa betsaka ny tsy manaiky ity tetikasa ity tao anatin'ny andro vitsivitsy izay.

Securité au Bénin par Felix Krohn sur Flickr CC-BY-NC

Mpitandro ny filaminana ao Bénin avy amin'i Felix Krohn ao amin'ny Flickr CC-BY-NC

Ao amin'ny bilaoginy i Illassa Benoit no miresaka ny tenin'i Charles TOKO, mpandraharaha ara-toekarena ao Bénin.

Opération Djakpata. [Djakpata serait] un serpent qui avale des gens. Un Boa ? Hum…très peu au Sud Bénin, sinon inexistant. Un Anaconda ? Ça n’existe pas en Afrique. Une vipère ? Ça n’avale pas un homme. Or, à en croire certaines langues au sud du Bénin, Djakpata est un serpent qui avale des hommes. Ce qui est faux. Donc l’opération en elle-même est fausse au départ. Les développements le confirment.
Au départ, une manipulation. On a sorti des engins qui ne sont pas destinés au Bénin. Au fait, ce sont des engins que le Bénin loue à l’ONU. Mais depuis 2006, le mensonge est considéré par le gouvernement comme une communication par excellence. Alors, on s’y adonne. On nous montre des mini chars, des 4X4 de patrouille, des canons, …. Comme d’habitude, c’est pour mentir.

Bemidina Djakpata. toa bibilava mihinan'olona. Boa? vitsy loatra any atsimon'i Bénin na tsy misy. Anaconda? Tsy misy aty Afrika izany. Bibilava? tsy mitelina olona izany. Nefa raha araka ny fiteny sasany any atsimon'i Bénin dia bibilava mitelina olona izany Djakpata izany. Diso anefa izany. Noho izany dia diso hatrany amin'ny niaingany ity bemidina ity. Manamafy izany ny fivoaran-draharaha.
Tamin'ny voalohany dia famitahana. Navoaka daholo ny fiara tsy natao ho eto Bénin. Nefa Fiara hofain'i Bénin amin'ny Firenena Mikambana ireo. Saingy hatramin'ny 2006, noheverin'ny fitondrana ho fampitam-baovao tsara indrindra ny lainga. Ka dia natao. Naseho antsika ny fiara mifono vy kelikely, ny 4X4 an'ireo mpisava, ny tafondro,… mba handaingàna araka ny mahazatra.

Tsiahin'ny zavamiseho

Nanomboka ny Bemidina nantsoina hoe ‘DJAKPATA’ ny governemantan'ny filoha BONI YAYI andro vitsivitsy lasa izay. Gathum Gbaguidi nampahatsiahy tao amin'ny tranonkalan'i Adjinakou ny zavamisy nifandraika tamin'ity bemidina mifandraika amin'ny filaminana ity:

” Djakpata 2013 ” c'est le nom de l'opération lancée lundi dernier par le ministre de l'intérieur, de la sécurité publique et des cultes, Benoît Dègla, sur l'esplanade du stade de l'Amitié de Cotonou. Djakpata, qui est le nom donné à la vipère en langue fon, a été attribué à l'opération qui vise à aller à l'assaut des malfrats de tout acabit dont les jours sont désormais comptés, à moins qu'ils changent de métier. Cette opération conjointe de toutes les forces de sécurité et de défense a mobilisé des milliers d'agents des forces de sécurité et de défense, des véhicules légers de patrouille, des véhicules spécifiques de maintien d'ordre et des blindés légers. Ainsi donc, pendant trois mois, cette grosse artillerie va mener une lutte sans merci contre l'insécurité sous toutes ses formes dans toutes les localités du pays en commençant par Cotonou et ses environs.

” Djakpata 2013 ” no anaran'ny bemidina nosokafan'ny minisitry ny atitany, ny filaminana anatiny ary ny fivavahana, Benoît Dègla, teo amin'ny tokotany malalaky ny Kianjan'ny Finamanana ao Cotonou. Djakpata izay anarana omena ny bibilava amin'ny fiteny fon, no nasalotra ny anaran'ny bemidina izay mikendry ny hidaroka ireo mpanao ratsy amin'ny endriny sy heriny rehetra izay efa voaisa ny andro sisa hiainan'izy ireo, raha tsy hoe miova asa angaha ry zareo. Bemidina iarahan'ny vondro-tafika sy mpitandro ny filaminana rehetra, fiara maivana mpivezivezy manara-maso, fiara natao manokana hitazonana ny filaminana ary fiara mivono vy kelikely. Mandritra ny telo volana izany dia hiady tsy misy indrafo amin'ny endrika tsy filaminana rehetra any amin'ny faritra rehetra manerana ny firenena ka manomboka ao Cotonou sy ny manodidina azy ireo fiaram-piadiana rehetra ireo

Ao amin'ny Bilaoginy i François Django no miverina indray amin'ny tanjon'ity bemidina ity:

Sur une patrouille mixte des forces de l'ordres,toute l'armée béninoise se donne la main pour lutter contre l'incivisme et l'insécurité au Bénin. Désormais la nuit appartient à l'armée béninoise. Ne circule plus qui veut mais qui possède des preuves évidentes pour se défendre.

Un processus salué par la population béninoise, car vivre dans la sécurité viens la décharger des gouffres de la misère.

Le souhait est que cette opération dure dans le temps et s'élargisse à toute les autres villes. Et que la paix soit toujours l'ami du Bénin, exemple de démocratie dans la sous région et dans le monde entier.

Amin'ny fifangaroan'ny mpitandro ny filaminana ny tafika beninoà iray manontolo no mifanome tanana hiady amin'ny endrika tsy fahaiza-miaina sy tsy filaminana rehetra eto Bénin. Amin'izao fotoana izao dia ny tafika beninoa no tompon'ny alina. Tsy afa-mivezivezy intsony izay te-handehandeha fa izay manana porofo miharihary ho fiarovan-tena ihany.
Fiasa iray nahafaly ny vahoaka beninoà, satria mba manala kely ny hantsan'ny fahantrana ny filaminana.
Ny faniriana dia mba haharitra izany bemidina izany ary hiely any amin'ny tanandehibe hafa rehetra. Ary mba ho sakaizan'i Bénin, fakan-tahaka momba ny demokrasia eto amin'ny zana-paritra sy manerana izao tontolo izao, hatrany ny filaminana.

Indro ny lahatsarin'ny fanambarana ny bemidina nataon'ny minisitra:


Bénin : Benoît Dègla nanokatra ny Bemidina DJAKPATA avy amin'ny actubenin

Saingy raha tarafina ao amin'ny tambajotra sosialy dia lavitry ny fankatoavana io bemidina io ny Beninoà.

Maneso ny mpiserasera ao amin'ny twitter:

@shimkmb: J'ai reve que les policiers de Djakpata m'embarquaient

Nanonofy aho hoe noraofin'ny polisin'ny Djakpata

“@Arlus_BDS: @jessebonheur:  ne m'envoi plus jamais d'invitation de path , tu veux Djakpata chez toi ou quoi ?”

Aza manasa ahy [] intsony, tadiavinao hiditra ao an-tranonao ny Djakpata sa inona?

“@Jules_Roland: “Opération Djakpata” tourne au fiasco ! C'est triste mais c'est à mourir de rire… #Bénin http://t.co/ep72vPhXlV

Nandamoka ny “Bemidina Djakpata”! mampalahelo fa mahatapa-tsinay…

@jcommejasmine: Plus rien ne va ds ce pays… Ca nous parle d'”Opération Djakpata”, mais ca se fait braquer aussi! On est ou la?

Tsy misy na inona na inona mandeha intsony eto amin'ny firenena… Misy miteny amintsika ny “Bemidina Djakpata” nefa dia mbola misy voatafika ihany! Aiza isika izany?

@LaTeam_229: Les USA ont Les Experts Manhattan, Les Experts Miami nous #AuBénin on a #DJAKPATA

Etazonia manana ny Mahay  manokana an'i Manhattan, Mahay manokana an'i Miami isika eto Bénin kosa manana ny Djakpata

@EAHOUNOU: Ou on est t-on avec l'Opération #DJAKPATA :Braquage hier vers #Missèbo à #Cotonou en plein jour… Qd la Police pense politique … #le229

Aiza ho aiza isika amin'ny Bemidina Djakpata : fanafihana amin'ny atoandrobe nanahary omaly tany amin'ny mizotra ho any Missebo ao Cotonou… Rehefa mieritreritra politika ny polisy…

“@CDjidjoho: #AuBenin quand djakpata te vois la nuit il te frappe d'abord !!! Avant de te demander des explication

Raha vao mahita anao amin'ny alina ny djakpata eto Bénin dia midaroka aloha vao mitady fanazavana aminao

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.