Fanemorana Sy Saritaka Politika Mandravarava Raha Mihamanatona ny Fifidianana Eto Madagasikara

Kizo ara-politika, Resaka fanohanana ara-bola, ary ny vato misakana eo amin'ny fampitaovana no ahiana hampibolisatra ny fizotry ny fifidianana filoham-pirenena hotontosaina eto Madagasikara, ny voalohany hatramin'ny nisian'ny fanonganam-panjakana tamin'ny 2009 nampianjera ny nosy ho ao anatin'ny krizy politika.

Nomanina hotontosaina ho amin'ny 24 jolay 2013 ny fandrotsaham-bato tamin'ny voalohany, saingy noho ny fifandirana momba ireo kandidà sasany mampiady hevitra, dia nahemotra indray ny fifidianana, ka nafindra iray volana ho amin'ny 23 Aogositra 2013.

Tsy nananah filoha voafidy i Madagasikara hatramin'ny lohataonan'ny 2009, rehefa noteren'ny miaramilan'ny firenena hiala teo amin'ny fitondrana ny filoha voafidy Marc Ravalomanana taorian'ny fifandonana nisy teo amin'ny manampahefan sy ny mpanohitra sy nanao fihetsiketsehana. Haingana dia haingana ny nanomezan'ny miaramila ny fitondrana ho an'ny mpitarika ny fanoherana Andry Rajoelina, izay nanafoana avy hatrany ny antenimiera roa tonta.

Nandritra ny nahafilohan'ny governemanta tetezamita an-dRajoelina, dia in-telo izao no nahemotra ny fifidianana filoham-pirenena raha nomanina ho amin'ny 26 Novambra 2010 ny fifidianana voalohany, ary nahemotra in'efatra kosa ny fifidianana solombavambahoaka hatramin'ny 20 Marsa 2010. Noho izany honahona ara-politika izany dia nampitsahatra ny fanampiany ny nosy ny Vondrona Eoropeana, i Etazonia ary ny firenen-kafa ary nampiato ny maha-mpikambana azy ao amin'ny Firaisambe Afrikana ity voatonona farany ity mandra-piverin'ny fitondrana ara-dalàna.

Cartoon about the ever-eluding elections in Midi Madagasikara paper edition posted by @Aline_Tana on twitter

Sariitatra miresaka momba ny fifidianana tsy mety tontosa hita ao amin'ny gazety Midi Madagasikara navoakan'i @Aline_Tana ao amin'ny Twitter

Nihoatra ny roa taona taorian'ny fandroahana i Rajoelina sy ny antoko efatra lehibe ao amin'ny fanoherana no nanasonia ny tondrozotra [fr] politika tamin'ny 16 Septambra 2011 izay milaza fa tsy mahazo mirotsaka hofidiana amin'ny fe-potoana iray amin'ny maha-filoha azy intsony ny filoha teo aloha sy ny filoha mitondra amin'izao fotoana. Nanambara [fr] ihany koa ny tao amin'ny tondrozotra fa izay te-hirotsaka ho kandidà rehetra dia miala amin'ny toerana itondrany ara-panjakana raha te-hanamafy ny maha-kandidà azy.

Tsy nanakana ny kandidà telo amin'ny 50 hihazakazaka [mg] hanary satroka hiditra eo ambony ringy izany, na dia manohintohina ny sasany amin'ny tondrozotra aza izany ary na dia eo koa aza ny faneren'ny iraisampirenena hanalana azy ireo: ny filohan'ny tetezamita ankehitriny, Rajoelina; ny filohan'i Madagasikara teo aloha efa indroa nitondra Didier Ratsiraka, izay nanompo hatramin'ny 1975 ka hatramin'ny 1993 sy tamin'ny 1997 ka hatramin'ny 2002; ary Lalao Ravalomanana, vadin'ny filoha voaongana Ravalomanana. Rajoelina efa nilaza tamin'ny voalohany fa tsy hirotsaka ho filoha izy [mg], saingy niova hevitra taty aoriana.

Noho ny fahatapahan'ny lalana noho ireo kandidà efa voatonona etsy ambony, izy telo ireo mbamin'ny vadiny avy dia voasakana tsy hahazo hiditra any amin'ny Vondrona Eoropeana amin'ny alalan'ny Visa Schengen [fr].

Ary ny ambin'ireo kandidà efa niomana hirotsaka hofidiana ho filoha hatramin'ny 2011, dia indro ny sary namboarina amin'ny sasantsasany amin'izy ireo:

Presidential candidates in Madagascar posted by Candidats Fifidianana on facebook

Kandidà filoham-pirenena eto Madagasikara navoakan'ny  Candidats Fifidianana ao amin'ny Facebook

Nihoatra lavitra ny resaka politika fiantraikan'ny ny krizin'ny fomba fitantanana ny firenena. Ny tatitra nataon'ny Banky Mondialy dia nilaza fa maro-rantsana ny fiantraikan'ny krizy politika:

  • The economy has stalled, income per capita has fallen
  • Poverty has sharply increased
  • Social outcomes have worsened
  • Public finances are increasingly under stress
  • Foreign aid remains muted
  • Infrastructure has deteriorated
  • The ability to deal with exogenous shocks is severely curtailed
  • The resilience of agriculture had helped avoid a food crisis so far
  • Madagascar’s longstanding governance problems have only been exacerbated
  • The resilience of the private sector is increasingly being tested
  • Mihitsoka ny toe-karena, nidina ny fidirambola isan'olona
  • Nitombo izaitsizy ny fahantrana
  • Miharatsy ny fiantraikany ara-tsosialy
  • Mihatery lalana hatrany ny fampidiram-bolam-panjakana
  • Mangina hatrany ny fanampian'ny vahiny
  • Mihapotika ny fotodrafitrasa
  • Iviny dia iviny ny fahafaha-mamaly izay dona (voina) tsy niomanana (ivelany)
  • Ny voka-pambolena no nahafahana nisoroka ny krizy ara-tsakafo hatramin'izao
  • Mbola mihahenjana hatrany ny olom-pitantanana efa nisy hatry ny ela
  • Mihamafy hatrany ny fiaretan'ny vondron'asa tsy miankina
Madagascar GDP over the last decade posted on twitter with permission

Ny Harin-Karena Faoben'i Madagasikara nihoatra ny folo taona nivoaka tao amin'ny Twitter izay efa nahazoana alalana

Mihoatra ny 92 isanjato ny mponina miaina ambanin'ny roa dolara amerikana isan'andro. Noho ny fijotson'ny fahazoan'asa toy ny mitsoraka hatramin'ny nisian'ny krizy, ny fahantrana no mitarika ny vehivavy hivaro-tena izay ahitana mpivelona amin'ny firaisana ara-nofo 29.000 nisoratra anarana any an-tanànan'i Toamasina tamin'ny 2012, izay niainga tamin'ny 17.000 tamin'ny 1993.  Nisy sarim-panadihadian'i Journeyman mamelabelatra amin'ny antsipirihany ny fiainan'ireo noterena hivaro-tena mba hiavota-tena:

Mbola nanampy trotraka izany toe-draharaha efa mihenjana izany ny nandravaravan'ny rivodoza Haruna ny tany amin'ny faritra atsimon'ny nosy [mg]. Nanaraka izany ny valala, izay mbola namely ny fambolena efa marefo dia marefo.

Inondations à Tuléar - Domaine public via The Nation

Tondra-drano tany Toliary, Madagasikara – valam-bahoaka tamin'ny alalan'ny Nation

Locust invasion in down town Fianaratsoa, Madagascar

Andiam-balala ao afovoan-tanànan'i Fianaratsoa, Madagasikara via @lrakoto ao amin'ny Twitter (nahazoana alalana tamin'ny mpanoratra)

Ny fifidianana mangarahara, azo itokisana ary vita ara-potoana no hitan'ny maro fa dingana lehibe mankany amin'ny fivoahana amin'ny krizy, araka ny fijerin'ny maro, saingy hita fa toa mbola sarotra hotanterahina izany fandrotsaham-bato izany?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.