Fahafatesana Nampiahiahy Tovovavy Niteraka Hetsi-Panoherana Tsy Fahita Firy Ao Beijing

Olona an'arivony no nidina an-dalamben'i Beijing tamin'ny 8 Mey 2013, ho setrinan'ny fahafatesana mampiahiahin'ilay tovovavy mpiasa nifindra monina antsoina hoeYuan Liya. Amin'izao fotoana izao moa ny vaovao mifandraika amin'ny fahafatesan'i Yuan Liya dia tsy misy hita an-tserasera intsony ao Shina.

Hita nivalampatra teo ivelan'ny Tsenambarotra Wenjing tokony ho misasakalin'ny 3 mey ny vatana mangatsiakan'ilay tovovavy 22 taona. Tonga tao Beijing i Yuan hitady asa ho fanohanana ny fianakaviany any Anhui. Samy nitaky ny amoahan'ny polisy ny rakitsarin'ny kamerà mpanara-maso ahitana ny fahafatesan'i Yuan na ny sipany na ny reniny. Saingy, nilaza ny polisy fa famonoan-tena no nisy tamin'ity raharaha ity ka nandà ny hanohy ny famotorana ry zareo.

Ny ankamaroan'ireo mpanao fihetsikatsehana an'arivony dia mpifindra monina avy any amin'ny faritany Anhui izay miasa ao Beijing. Eto ambany ny lahatsarin'ny olo-tsotra iray mampiseho ny hetsi-panoherana:

Nisy lahatsoratra nitondra ny lohateny hoe “Fahafatesan-jazavavy feno misitery tao Wenjing” nivezivezy an-tserasera tamin'ny 7 mey saingy voafafan'ny mpanivan'ny aterineto haingana izany. Araka ny Vaovaon'ny Trano [zh], izay miorina any Hong Kong, nilaza ny lahatsoratra fa tao anatin'ny efitrano iray niaraka tamin'ny lehilahy maromaro i Yuan nialoha ny nahitana ny vatany teo ivelan'ny tsenambarotra teo an-tsisin-dalana ambanin'ilay efitrano. Voafafa avokoa ny ankamaroan'ny lahatsoratra nakan-kevitra. Ny eto ambany dia ireo sisa voarakitra tamin'ny adihevitra nivoaka tamin'ilay lahatsoratra nivoaka tao amin'ny Dinika Baidu [zh]:

Yuan Liya. Via House News. Non-commercial use.

Yuan Liya. Via House News. Tsy azo ampiasaina amin'ny varotra.

失去水的鱼11:听说是保安干的,几个保安都跑了,现在好像有一个自首了,相信很快就有真相了。可是警察好像被贿赂了,记者也不来,都怕摊上事啊。。。
我等不到的春天:什么时候我们才能正确的去看待人命的呢!没钱没权的命,难道就不值钱的吗!
阳光67799:要把事实弄清楚,从前面的一段文字看,就是女孩自己跳的楼也得算他杀。
yanjs2011:一群男人是什么人呀,干嘛凌晨四点还在一起呢????
哼特猎人:求真相咋就这么难?我们真的没有安全感了!
立木斤_7875:派出所办事方式:“自杀”、“没立案”、“无权查看” 呸—–难道警察就没有义务查出是他杀,还是真自杀吗?给家属一个交代,希望有一人受良心遣责,道出真相。
雷朕语:求公布于遇难者在同房间的男子姓名。相信以广大网民的力量可以揭示真相。
你愧胡:人都死了,连个真相都不让家人知道。这是什么世道呀?不是现实的悲惨世界吗?

“Trondro Nivoaka ny Rano”: Ny honohono dia ireo mpiambina no nanao an'io. Nandositra ny sasany amin'izy ireo ary nitolo-batana tamin'ny polisy ny iray. Tokony hivoaka haingana ny marina. Saingy mety ho tratran'ny kolikoly ny polisy dia tsy nisy ny mpanango-baovao nanaraka ny raharaha. Matahotra valifaty ry zareo…
“Tsy Mahandry Hatramin'ny Lohataona Aho” : Rahoviana no hahatandro ain'olona araka ny tokony ho izy? Lasa tsy misy vidiny ny aina iray rehefa tsy an'olona manankarena sy manana fahefana?
“Masoandro 67799″: Tsy maintsy mangady ny zavamisy rehetra isika. Araka ny famelabelaran'ny lahatsoratra, na dia nitsambikina samirery ny varavarankely noho ny nahimpony aza izy, dia novonoina (satria niezaka ny handositra fanolanana izy).
“Teny Matanjaka”: Tokony asehon-dry zareo hoe iza ireo lehilahy tao amin'ny efitrano. Mihevitra aho fa afa-mamoaka ny marina ny mpiserasera.
“Menàra”: Maty ilay zazavavy dia mbola te-hanafina ny marina ihany ianao. Fa tontolo manao ahoana ity iainantsika ankehitriny ity? Miaina ao amin'ny tontolon'ny Les Miserables.

Ho setrin'ny hetsi-panoherana, nanazava ny famotorana nataony ao amin'ny Sina Weibo [jpg, zh] ny polisin'i Beijing:

經調查走訪並調查現場及周邊監控錄像,反映該人於5月2日晚單獨進入商城內,次日5時許墜樓,未發現與其他人員接觸;現場勘查,屍體檢驗亦未發現可疑情況。目前,警方正在進一步工作中。

Taorian'ny famotorana, fanadihadiana ary ny fijerena ny kamerà mpanara-maso teo amin'ny toerana nisian'ny fahafatesana, niditra tao amin'ny tsenambarotra ilay olona [Yuan] ny takarivan'ny 2 Mey ary nianjera avy ao amin'ny tsenambarotra tokony ho tamin'ny dimy maraina. Tsy nahita porofo izahay fa nifampikasokasoka tamin'olon-kafa izy. Tsy nisy ny zavatra nampiahiahy teo amin'ny toerana nahafatesany sy tamin'ny vatan'ny maty. Mbola manatontosa ny andraikiny ny polisy amin'izao fotoana izao.

Saingy tsy nitokisan'ny polisy ny navoakan'ny polisy. Maro ny fanontanian'ny mpamahana bolongana bitika eo amin'ny sehatra fanehoan-kevitra [zh]:

图图Win:如果像传说的有后台,那你们作为政府工具你们怕后台!!!后台敢和你们弄?!我草草草!怂比!

“Winxutu”: Raha marina ny honohono fa manana  mpiaro matanjaka [ilay tsenambarotra], sady fitaovan'ny fitondrana, matahotra izany mpiaro izany ianareo, mpiaro tahaka ny ahoana no afa-mikitika ny polisy? l******a!

起檀檀檀起:好像是说女孩儿是被5个保安强奸了,警方不敢立案是因为京温老板后台很强。没调查就直接火化了,女孩男朋友去说不是直系亲属无权调查录像后来她妈去了说是自杀的没立案。出了这么大的事,没一家媒体敢报道,微博把关键词屏蔽。真是黑啊!现在数百人都在游行示威了,目前直升飞机都出动了。

“Manangana Sehatra”: Milaza ny tsaho fa naolana lehilahy mpiambina dimy ilay zazavavy. nampitsahatra ny famotorana ny polisy satria manana mpiaro matanjaka ny tompon'ilay tsenambarotra. Nodorana tsy misy fanadihadiana ny vatana mangatsiaka. Nangataka ny rakitsarin'ny kamerà mpanara-maso ny sipan'ilay tovovavy fa novalin'ny polisy fa tsy havany mivantana. Nangataka ny rakitsary ny reniny dia nolazain-dry zareo fa tsy hisy ny fanadihadiana satria famonoan-tena no nitranga. Raharaha goavana tahaka izany fa tsy nisy fampitam-baovaovniresaka momba ilay izy. Nosivan'iny bilaogy bitika Shinoa ny teny fitadiavana rehetra mifandraika amin'ilay raharaha. Voakolikoly loatra. Ankehitriny olona an-jatony no maneho ny fanoherany dia andefasanareo angidimby.

小姐你节扌喿掉了:为发现可以现象???案件八大疑点疑点一:死者并无自杀的任何预兆和理由。通过和她来往的朋友了解到,她5月2号在大红门早市下班后都很正常,下午一点发给男友的微信也很正常,跟男友感情一直很好,没有理由要自杀; 疑点二:死者为何要在京温市场内部待上整整一夜后再跳楼? […]

“Fahadiovana Very”: Tsy nisy zava-nampiahiahy hita? Valo ny zavatra mampiahiahy. Voalohany: Tsy misy marika na antony hamonoany tena. Araka ny nolazain'ny namany, tao tsara izy raha nandeha ho any amin'ny tsenambarotra ny 2 Mey sy ny hafatra nalefany tokony ho tamin'ny iray folakandro. Ao tsara ny hafatra nalefany ho an'ny sipany. Milamina tsara ny fifandraisany amin'ny sipany. Tsy misy antony tokony hamonoany tena. Faharoa: Inona no ijanonany mandritra ny alina ao amin'ny tsenambarotra Wenjing mialoha ny itsambikinany? …

田正经:几个疑问:1.家属说是被强奸杀害,警方说没有与他人接触。2.既然有视频监控录像证实,网上却说不让家属看监控录像。3.既然无可疑情况,为啥出现大规模人群聚集,武警、警察、直升机都出动了。4.为啥网上全面屏蔽和删帖。

“You Yizhizhu”: Fanotaniana vitsivitsy: 1. Nikiry ny fianakaviny niteny fa naolana sy novonoina izy; ny polisy niteny fa tsy nifampikasokasoka tamin'iza na iza izy. 2. Ny polisy niteny fa ny [ao amin'ny] fakantsary fanaraha-maso no porofo ananany . Maninona no tsy afa-mijery ny lahatsary ny fianakaviana? 3. Raha tsy misy ny zavatra mampiahiahy, ahoana no nahatonga olona maro midina an-dalambe manohitra sy ny nandefasana polisy mitam-piadiana sy voromby teny amin'ny toerana nisian'ny hetsika? 4. Nahoana no voafafa sy voasivana avokoa ny resaka an-tserasera rehetra?

ashenyi:公开信息 把一切放在阳光下 才能取信于人民!

“Ashenyi”: Avoahy ho hita masoandro ny fampahafantarana rehetra hinoan'ny vahoaka azy!

悠悠子洛:解决方法:1,公开或请多家民间媒体和家人监督监控录像查看过程;2,尸检过程需要家人和媒体监督;3,这侦察结论在没有相关报告时别下得太早,尤其是息事宁人的结论会引众怒;

“Youyouziluo”: Vahaolana: 1. Avoahy ho hita any amin'ny sehatry ny fampitam-baovaon'olotsotra sy ny fianakavian'ny mana-manjò ny voarakitry ny kamerà fanarahamaso; 2. Avelao ny fianakaviana sy ny media hanara-maso ny fandidiam-paty ho fanadihadiana; 3. Tsy tokony hisy ny fehin-teny mandra-pivoakan'ny tatitra rehetra. Ny karazana fehinteny mikendry hampangina ny olona no vao maika hiteraka fahatezerana kokoa.

潘譩:如果是自杀为何要进行信息封锁呢?

“120TC”: Raha famonoan-tena, nahoana no voasakana sy voasivana avokoa ny vaovao sy ny adi-hevitra?

Namoaka fanambarana ofisialy hafa ny polisin'i Beijing io maraina io fa navoakan'ny porofo rehetra fa noho ny fitsambikinan'i Yuan avy amin'ny tranoavo no niteraka ny fahafatesany ary tsy nanohitra ny tatitry ny polisy ny fianakaviana. Saingy mailaka ny mpiserasera hanasongadina ny teny hafahafa tao amin'ny nosoratan'ny polisy:

陳明樓主: “自主高坠死亡”是法律术语还是刑侦术语?什么意思?有参考书可查或法律可查吗?

“Chen Ming”: “Fahafatesana vokatry ny fianjerana-samirery avy eny amin'ny avo” ve no voambolana araka ny lalàna sa fomba fiteny amin'ny famotorana raharaha heloka bevava? Inona no tena dikany? Misy filaza na lalàna azontsika hojerena?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.