Senegaly : Ny « Vaovao Vita Rap », Vaovao An-tSary Tsy Manara-Penitra

Nahita vaovao an-tsary amin'ny endrika vaovao ny mpijery fahitalavitra ao Sénégal, vaovao atolotry ny mpiangaly rap roa malaza ao an-toerana dia i Xuman (39 taona) sy i Keyti (40 taona) izay anisan'ny mpitari-tolona nandritra ny fihetseha-panoherana an'i Abdoulaye Wade herintaona lasa izay. Tahaka ny vaovao an-tsary fahita ao Sénégal, dia misy amin'ny fiteny roa ny vaovao vita rap, ny iray amin'ny teny Wolof ary ny iray amin'ny teny frantsay. Miresaka momba ny vaovao politika sy sosialy ary iraisampirenena ao i Xuman sy i Keyti.

Mitantara ny artista mirahalahy.

Global Voices : Iza ianareo ?

- Ny tena anarako dia i Cheikh Séne fantatra kokoa amin'i hoe Keyti

- Makhtar Fall AKA Xuman

GV : Avy aiza ianareo ?

Keyti : Teraka tao Saint-Louis ao avaratr'i Sénégal aho fa lehibe tao Dakar sy Thiès.

Xuman: Dakar

GV : Nanao ahoana ny lalana nodiavinareo ?

Keyti : Toy izay nodiavin'ny ankizy Senegaly antonony amin'ny ankapobeny ihany ny nodiaviko : fototra, lisea ary taorian'ny bac dia nianatra tenim-pirenena vahiny nandritra ny telo taona tao amin'ny Oniversité Gaston Berger ao Saint-Louis izay nilaozako tamin'ny farany mba hifantohako manontolo tamin'ny mozika.

Xuman : mpianatry ny lisea aho

GV : Ahoana ny nahatongavanareo tamin'izao ?

Keyti : Fitiavana nanoratra aloha sy mozika dia tonga tany amin'ny rap.

Xuman : nanoratra tononkalo aho ary nankafy break dance. Ny fitambaran'izy roa no nahatonga ahy ho ao amin'ny rap.

GV : Inona avy ny vitanareo taloha ?

Keyti : Namoaka rakikira 2 aho (tamin'ny 1998 sy 2001) tamin'ny mbola niaraka tamin'ny tarika nisy ahy taloha tao amin'ny Rapadio talohan'ny namoahako iray hafa nandehanako samirery tamin'ny 2003. Avy eo aho nanao rakikira iray hafa niaraka tamin'ny Dakar All Stars, niarahana tamin'ny artista telo hafa. Nandray anajra tamin'ny rakikira (Histoires Extraordinaires des Enfants du Poto-Poto) niaraka tamin'ny artistes 16 avy eto Afrika andrefana (ary anatin'izany i Xuman) ihany koa aho ho fampiroboroborana ny zon'ny ankizy eto Afrika.

Xuman Nandray anjara tamin'ny rakikira 7 aho ka ny dimy niarahako tamin'ny tarika misy ahy dia ny Pee Froiss.

GV : Inona no ataonareo ankoatra ny rap ?

Keyti : Ny lahasako hafa dia mbola manodidina ny rap sy ny mozika ihany. Tamin'ny 2010 paho ohatra nanatontosa lahatsarim-panadihadiana 26mn momba ny rap senegaly natsoina hoe 100% hip-hop. Ankoatra izay dia mandray anjara amin'ny tetikasa sosialy tahaka ny Atrikasam-panoratana sy mozika ampian'ny solosaina any am-ponjan'i Dakar aho.

Xuman : manentana radio sy tele aho ary DJ

GV : Nahoana no nanao ity tetikasa ity ?

Keyti : Ny ahy aloha fanalana azy ny voalohany sy ny fanaporofoana fa afa-mampihomehy ihany koa ny rap indrindra moa fa mpanao rap matotra no ahafantarana ahy eto Sénégal. Tsy maintsy miteny ihany koa aho fa tena liam-baovao loatra, ka io no fomba amoahako ny vaovao hitako rehetra, amin'ny fombako, izay malalaka kokoa aho eo amin'ny fitenenana sy ny fomba fanadihadiana.

Xuman : Pour donner notre version de l’actualité différente de celle imposée par certains medias.

GV : Iza no nanome aingam-panahy anareo ? Ahoana no nahatonga ny hevitra ?

Keyti : Xuman no nanana ilay hevitra niaingàna. Niteny tamiko izy ary nahaliana ahy izany ka te-hamita ny fanamby aho.

Xuman : Noho ny efa nanentanana nandritra ny fotoana maharitra tamin'ny radio sy ny mba te-hametraka fanamby hahara-baovao sy ny hanao azy ho hira … Efa tao nandritra ny fotoana maharitra ilay hevitra, fa tsy maintsy manana ny fahafaha-manao ara-teknika ahafahana manatontosa azy.

GV : Naharitra hafiriana ny elanelana teo amin'ny nananana ny hevitra sy ny fandaharana voalohany ?

Nisy efa-bolana aloha nialoha ny nananana “pilote” dia efa-bolana hafa indray mandra-pahita ny fantsona fahitalavitra liana tamin'ny tetikasa.

Inona ny fantsona ahitana anareo ?

Ny 2STV (fahitalavitra tsy miankina, isaky ny zoma alina aorian'ny vaovao an-tsary mahazatra ary avy eo efa vonona ao amin'ny YouTube ny ampitso maraina).

GV : Ahoana ny nahazoanareo ny fandaharana voalohany?

Ny mpiara-miombon'antoka aminay Level Studio no nanolotra ny “pilote” tamin'ny talen'ny fandaharana izay nankasitraka avy hatrany ilay hevitra.

GV : Inona ny olana nosedrainareo ?

Ny fitadiavana mpiara-miasa mety amin'ilay izy mba ahafahana mamadika ho sary ny hevitra fototra. Zavadehibe tokoa ho anay ny mba hitokisana ilay vokatra, indrindra eo amin'ny fanatontosana ny sary (bikabika) sy ny lahatsary. Tsy maintsy nadany fotoana kely nialoha ny nahitana ny Level Studio izay nanaiky ny hiara-dia aminay hanatontosa azy.

GV : Iza ny mpijery kinendrinareo ?

Keyti : Ny tanora aloha no voalohany inidrindra satria natao rap ny vaovao, rap izay mozikan'ny vaninandron-dry zareo fa ankoatra izay dia ireo tia daondaombava, tamberim-baovao tsy araka ny fandrenesana azy mahazatra.

Xuman : Ary ho an'ireo tsy manara-baovao fa tia mihaino mozika.

GV : Tanjona kendrenareo ?

Mampiala voly aloha sy mihoatra ireo sakatsakana ary manafaka kokoa ny fahazoan'ny artista eto Sénégal miteny na inona na inona sehatra misy azy. Mba ho afa-belan'ny politika sy ireo vesatra ara-tsosialy sy ara-pivavahana tsikelikely ary hiteny ny zavatra araka ny ieritreretantsika azy.

GV : Nanao ahoana ny fandraisana azy ? Nahazo olona ve ianareo ?

Keyti : Amin'ny ankapobeny heveriko fa tsara ny fandraisana. Mbola misy ny zavatra hatsaraina ary nahazo tsikera izahay mazava loatra amin'ireo zavatra ireo.

Xuman : Tena tsara satria nahavita izahay  ary azo itokisana. Nahahoatra ny tontolon'ny hip-hop izahay. (Izay hamafisiko  satria tsy nihaino rap mihitsy aho hatramin'izay fa tena niraikitra tanteraka teo anoloan'io vaovao an-tsary io, ary ny isan'ny olona nijery tao anatin'ny andro vitsivitsy ihany koa dia mampiseho fa tsy irery aho).

GV : Iza no mpamokatra ?

Novokarin'ny teny hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany io. Fa nahaliana ny mpampiasa vola sasany ireo vokatra voalohandohany ary eo ampandinihana ny tolotra rehetra izahay ahafahana mitazona ny fahalalahanay miteny amin'ireo laharana manaraka.

Jereo ihany koa ny fanadihadian'ny Afrik.tv momba ny “vaovao an-tsary vita rap”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.