“Ny Daroka Drôna No Endrika Ahafantarana An'i Etazonia Any Yemen”

Nijoro vavolombelona teo anatrehan'ny Senat Amerikana ny Yemenita iray nandritra ny fotoam-pihainoana ny atao hoe “Ady ampiasàna ny Drôna: ny fiantraikan'ireo famonoana efa kinendry mialoha amin'ny lafiny lalàm-panorenana sy ady atao amin'ny fampihorohoroana”, sambany natao ny Talata 23 Aprily 2013.

Farea Almuslimi dia mpikatroka mafàna fo, 22 taona sady mpanao gazety miasa amin'ny anaran'ny tenany izay avy  ao amin'ny tanànan'i Wesab, faritanin'i Dhamar, niharan'ny daroka drôna amerikana tamin'ny 18 Aprily 2013.

Almuslimi no olona faha-enina farany nijoro vavolombelona tao anatin'ireo enina nofinidin'ny Senat, saingy izy no nanome ny fijoroana vavolombelona tena nanohina ny fo sy natanjaka indrindra, nanoritsoritra ny hirifiry ampiharin'ireo daroka drôna amin'ireo olon-tsotra sy ny fiantraikan'ireny tamin'ny tanàna fonenany ary Yemen :

Izay tsy vitan'ireo milisy mahery fihetsika tany aloha tany, drôna iray dia mahatontosa azy ao anaty indray mipi-maso. Misy hatezerana goavana be mitodika amin'i Amerika ankehitriny ao an-tanànan'i Wesab. Tsy tranga maningana io, ny daroka drôna no endrika ahitàna an'i Amerika ho an'ireo Yemenita marobe.

Farea Almuslim, the first Yemeni to testify at the Drone Wars Senate hearing

Farea Almuslim, voalohany tamin'ireo Yemenita nijoro vavolombelona nandritra ny fifampihainona tao amin'ny Senat mikasika ny Adin'ny Drôna

Nilaza izy tao anatin'ny fijoroana vavolombelona nosoratany hoe :

“Raha tokony ho ny fahalalàna an'i Amerika avy amin'ny sekoly na fitsaboana, ny maro amin'ny olona ao Wessab dia tamin'ny alàlan'ny horohoro noho ny daroka drôna iray no nahalalàny an'i Amerika.

Almuslimi, izay niatrika fiofànana taminà sekoly ambony iray tany Etazonia, rehefa nahazo vatsim-pianarana tamin'ny departemantam-panjakana, dia nanampy fa :

Ho ahy manokana, faran'izay tena mahavelona ahiahy fatratra, mahazendana, ary sarotra be amiko ny hampifanantona ny hoe ilay tànana izay nampianatra ahy ny teny Anglisy ihany, nanome vatsim-pianarana ahy, ary nampivotra be ny fiainako no ilay tànana nadaroka drôna ihany koa ny tanànako, nampihorohoro ny vahoakako, ary ankehitriny manao izay hampanano-sarotra ny hampino azy ireo ny zavatra tsara rehetra nambarako azy ireo momba an'i Amerika sy ireo namako Amerikana. Ny tena manahiran-tsaina manokana ho ahy dia satria ny tena nilain'i Etazonia natao dia ny namantatra an'i Al-Radmi ho toy ny lasibatra, kanefa dia azo natao tsara ny nisambotra azy tsy nisy fandratràna, fanimban-javatra, na fahafatesana nateraky ny daroka drôna.


(lahatsary nakarin'ny Senatora Durbin)
Ny dika manontolon'ny fijoroany vavolombelona dia hita ato.

Ny fihainoana manontolo dia ato.

Dingana mankamin'ny tsara ny fanànana fijoroana vavolombelona Yemenita anatinà fivorian'ny kaongresy, voalohany azon'ny daholobe natrehana, mikasika ireo drôna miafin'i Obama sy ny fandaharan'asany amin'ny famonoana efa kinendry mialoha, na izany aza dia betsaka ireo Yemenita sy Amerikana diso fanantenana tamin'ny ankapoben'ilay fotoam-pihainoana

Anonymous nibitsika hoe:

@AnonyOps: Taorian'ny nijerena ilay fotam-pihainoana tao amin'ny Senat mikasika ny drôna androany, fintininay amin'ny hoe Ok tanteraka i Lindsey Graham amin'ny maha-ady fanaovana heloka bevava ny  #dronewars

Jeb Boone, iraky ny GlobalPost, dia nanantena fomba fiteny henjankenjana kokoa avy amin'i Almuslimi nanoloana ny Senat. Nibitsika izy:

@JebBoone: Nanantena an'i @almuslimi hanome fanakianana mivaivay ho an'ireo senatora tao amin'ilay fotoam-pihainoana momba ny #DroneWars. Kanefa, fisoloana vava an'i #Yemen no nataony. Mendrika.

Tanaty hadisoam-panantenana no nibitsihan'i Kevin Gosztola hoe :

@kgosztola: Fanontaniana namboamboarina napetraka nandritra ny fotoam-pihainoana tao amin'ny sobakaomitin'ny Senat mikasika ny #dronewars dia porofo tsy azo lavina fa faribolana (#inners) mampalahelo ireo senatora ireo

@kgosztola: Be loatra ny fanitsakitsahanam kolikoly, heloka bevava & fanafenan-javatra ka tsy ho ary voaresaka manontolo anaty fotoana iray hihainoana ny momba ny #dronewars. Senatora vitsivitsy monja no mba niasa saina tamin'ilay resaka

  Sign held by Amnesty International members outside Senate drone wars hearing bulding via @andreaprasow


Sorabaventy notazonin'ireo mpikambana avy amin'ny Amnesty International teo ivelan'ny tranoben'ny Senat nanaovana ilay fotoam-pihainoana momba ny ady ampiasàna drôna, avy amin'i  @andreaprasow

Toy ny nanilikilika ny fijoroana vavolombelona nataon'i Almuslimi ny sasany tamin'ire Senatora, na toy ny Senatora Lindsay Graham, nilaza ho mahalàla betsaka mikasika an'i Yemen, ny sasany nandeha hatrany amin'ny fametrahana fanontaniana  tsy hita fototra loatra raha tokony ho ny hamantatra bebe kokoa ny fiantraikany ratsy eo amin'ny fiainan'ireo olona any an-toerana no nataony.

John Knefel, mpanoratra sady mpanao gazety miahy tena, nibitsika hoe :

@johnknefel:Na dia efa Yemenita izao aza no manoloana ny Kaongresy, ny maro mbola mitondra tena manao azy ho toy ny tsy misy. #dronewars

CODEPINK nbitsika hoe:

@codepink: Ny Senatora Graham “dia mitehaka ny fitantanan'i Obama tamin'ny fampiasàna tamin'ny fomba tompon'andraikitra ireo drôna tany ivelany.” Tena heveriko fa harary aho izany an. #dronewars #nodrones (#tsymiladrôna)

Jameel Jaffar, lefitra ao amin'ny ACLU, nibitsika hoe:

‏@JameelJaffer: Toa *tsy* nandefa solontena tamin'ity fotoam-pihainoana ity ny fitantanan'i Obama. i @LindseyGrahamSC!

Jeremy Scahill, mpanao gazety manadihady lalina sady manoratra ny boky “Dirty Wars: The World Is a Battlefield” (Ady Maloto: Kianjan'Ady Izao Tontolo Izao), dia nibitsika hoe :

@jeremyscahill: Ity fihainoana mikasika ny drôna ity dia sary iray maneho ny maha-marary ny Kaongresy Amerikana. #dronewars

Gregory Johnsen, mpanoratra ny boky “Ilay Fialofana Farany: Adin'ny al-Qaeda ao Yemen sy Amerika any Arabia”, nibitsika hoe :

@gregorydjohnsen 23 Apr
Ho ahy, ity fihainoana ity dia sary maneho ny ankosotra ara-tsaina momba izay adihevitra atao mikasika ny “drôna”  eto Etazonia.

Tom Junod, mpanoratra iray, no nibitsika hoe :

@TomJunod:
Tamin'ny adihevitra momba ny drôna tao amin'ny Senat omaly, sarisarin-teydaholo no nampiasain'ireo vavolombelona rehetra, ankoatr'ilay iray izay nanolotra ny tena vavolombelona nanatri-maso, @almuslimi.

Muna, mpikatroka Yemenita, nibitsika hoe :

@ArabsUnite: Tena velom-pisaorana tamin'ny fandraisan'anjaran'i @almuslimi Faly aho fa nanana olona isika na dia raharaha mampahatahora aza ny drôna #Yemen #dronewars

Mohammed Al-Asaadi nibitsika hoe :

‏@alasaadim: Mariky ny tsy firaharahiana sy fo vato ny #Dronewars. Manohitra ny #drones #drôna isika rehetra ary ny famonoana ivelan'ny laàna miseho any #Yemen, #pakistan, #somalia etc

Noor Mir, ilay fanentanana manohitra ny drôna iarahan'ilay metisy Pakistane-Amerikana ao amin'ny CODEPINK sy Rooj Alwazir, metisy Yemenita-Amerikana, mpikatroka mafàna fo sady mpikarakara ny “SupportYemen” izay samy nanatrika ilay fotoam-pihainoana daholo dia niara-nanoratra ampahan-dahatsoratra mahery vaika iray nomena lohateny hoe “ADIN NY DRONA : Ny Fomba Mibaribary Anakonan'ny Tombontsoan'ny Fotsy ny Tena Fifanakalozan-dresaka” :

Rehefa nahita fotoana nahafahany nanao izany izy dia tamim-pamirapiratana sy tamim-pahalinana tokoa no niresahan'i Farea mikasika ny nahazoany fahavalo betsaka kokoa miohatra amin'ny namana, saingy tsy navela handalina na hanazava bebe kokoa ny fanambaràny, voakantsan'ny fitanisàna fomba fiteny fampiasan'ny lalàna sy ny lamboridin'ny fahefana mpanatanteraka. Mahavelom-pisaorana anay ny fisiany eto, saingy kivy izahay fa da izany no fomba nandraisan'ny Sobakomity ny fahatongavany – nangatsiaka, tsy te-hahalala, ary voamarika ho tsy dia rototra loatra sy samihafa amin'ny fomba firsaka miditra lalina sy lavabe nandraisana ireo vavolombelona hafa. Nahoana no nanasa Yemenita hiresaka mikasika ny sanda ara-olona nateraky ny drôna nefa avy eo hametraka aloky ny fisalasalàna sy tsy firaharahiana ny zavatra iainany amin'ny alàlan'ny fomba fiteny manambony tena toy izany?

Ho an'ny maro, ireo daroka drôna amerikana, iarahany amin'ny governemanta ao Yemen, dia horohoro tsy misy fitsaharany ho an'ireo tanàna sy ny aina Yemenita, ampiasaina eo ambanin'ny filazana fa hoe ady amin'ny “fampihorohoroana” raha tokony ho fisamborana ireo olona ahiahiana ho meloka no tokony ho natao. Tompon'andraikitra avokoa ny governemanta roa tonta amin'ireo ain'olona nafoy noho ity politika ity sy ny fiantraikany maharitra. Nisy fandrosoany ny resaka ady ampiasàna drôna ao Etazonia, farafaharatsiny mba re aloha ny fomba fijery amin'ny maha-olona avy aminà Yemenita, izay nampirehareha tokoa ireo Yemenita. Kanefa mbola vahoaka marobe any Yemen, taorian'ny nijereny ilay fotoam-pihainoana tao amin'ny Senat sy ny fanehoankevitra momba ireo fipoahana tao Boston, no nahatsapa fa tsy nisy vidiny ny ain'izy ireo, indrindra indrindra tsy lafo vidy noho ny aina Amerikana. Navoaka tamin-keso tao anatin'ity bitsika iray manaraka ity io fomba fisaina io :

@anatosaurus: Rehefa Amerikan no nisy namomo, zava-doza izay. Rehefa Amerikana no mamono, tetikady izay. #dronewars #p2 #dontbuyit (#azamividysakabeloha)

Ity Storfiy ity dia ahtàna fanehoankevitra betsaka mikasika ilay fotoam-pihainoana tao amin'ny Senat.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.