Fandraketana Trangam-Panavakavahana Mba Hampitsaharana Ny ‘Tsy Fikitika’

(Fanazavana : Ny Untouchability – adikantsika malalaka amin'ny hoe ‘Tsy Fikitika’, lazaina ato anatin'ity lahatsoratra ity, dia teny entin'ny ao India manondro ireo olona maloto, tsy tian'ny fiarahamonina hifampitankosenana akory ka zary ahilika toy ny boka sanatria, mahantra sy mpitsimpona fako, ohatra )

Ny Video Volunteers, ONG iraisampirenena iray momba ny media sy ny zon'olombelona, dia mampiroborobo ireo lahatsary avy amin'ny vondrom-piarahamonina mba handraketana sy hanasongadinana ireo fitarainana avy amin'ireo vondrom-piarahamonina atao an-jorom-bàla sy mahantra manerana ny tany. Ny 14 aprily 2012 dia nampahafantatra ny fanentanana “ARTICLE 17″ ny Video Volunteers, izay idiran'ny fandraisana andraikitra sy fandraketana ireo lahatsary fijoroana vavolombelona mikasika ny endrika samihafan'ny ‘Tsy Fikitika’ avy amin'ireo Mpifandray amin'ilay Vondrom-piarahamonina manerana ny firenena. Io 14 aprily io, 2013 dia manamarika ny tsingerintaona voalohany ho an'ilay fanentanana manohitra ny fanavakavahana atao amin'ireo antsoina hoe “Tsy Fikitika”.

Ny Tsy Fikitika dia endrika iray amin'ny fanavakavahana, fomba fanao ara-tsosialy sy ara-pinoana amin'ny fanilikilihana vondron'olona vitsy an'isa ka anavahana azy ireo tsy ho anatin'ny maro an'isa, amin'ny alàlan'ny fomban-drazana na didy aman-dalàna. Ampiasaina any Inde io fomba fiteny io mba hilazana ny fomba fitondra imasom-bahoaka, indrindra fa ny atao an'ireo  vondron'olona Dalit, izay miatrika ny asa sy ny fanavakavahana mifototra amin'ny harena eo ampelatanan'ireo vondron'olona hindoa mibahan-toerana betsaka ao.

Girls in a garbage picker colony. They are considered as Untouchables because it is considered that the simple act of touching them brings impurity. They are excluded from the system of Indian castes.

Ireo ankizivavikely ao anaty andianà mpitsindroka fako. Raisina ho ‘Tsy Fikitika’ izy ireo satria heverina fa mitondra tsy fahadiovana ny fikitihana tsotra fotsiny azy ireo. Nahilika tsy ho anatin'ny rafitra saranga Indiana ry zareo. Sarin'i Yan Seiler. Fizakàmanana Demotix (1/9/2011)

Na dia efa natao ho tsy ara-dalàna aza ny hoe ‘Tsy Fikitika’, ireo Dalits sy  ireo saranga hafa ara-piaraha-monina somary efa mba nahazo hery, taorian'ny nahazoan'i India ny fahaleovantena, dia hita taratra teny anaty fiaraha-monina, anisan'izany ny faritra ambanivohitra, ny hevitra raiki-tampisaka momba azy ireny.

Stalin K. talen'ny Video Volunteers dia fototra niaingàn'ilay fanentanana mba hamaranana ny fihevitra hoe ‘Tsy Fikitika':

Folo taona lasa izay, natomboko tamin'ny fanadihadiana ireo fampiharana mikasika ny ‘Tsy Fikitika’ nanerana ireo fanjakana maro sy antokom-pinoana maro ao India ny diako. 25.000 km, lahatsary 9.000 minitra sy efa-taona tay aoriana, narafitro hitambatra ho fanadihadiana iray antsoina hoe “India tsy nokitihana”. Ny antony fototra nanaovana io lahatsary io dia ny mba hanaovana fanamby amin'ny finoan'ny ankamaroan'ireo vahoaka Indiana hoe ny resaka  ‘Tsy Fikitika’ dia zavatra efa lany andro.

Manohy i Stalin:

Ny artikla 17-n'ny lalàm-panorenana indiana dia milaza fa nofoanana ny ‘Tsy Fikitika’ ary voaràra ny fampiharana azy amin'ny  fomba samihafa.” Ny fampiharana ny endrika fahasembanana rehetra ho antom-pisian'ny ‘Tsy Fikitika’ dia fandikàn-dalàna hosaziana araka ny lalàna. “Nefa, ny fiaraha-monina manohy mibanjina ny ‘Tsy Fikitika’ ho toy ny efa mahazatra eo amin'ny fiaraha-monina, mifototra amin'ny “fomban-drazana”. Mifanohitra amin'izany, tsy maintsy mijery ny fomba fanao tahaka izany isika, araka izay maha-izy azy : heloka bevava “

Nanomboka tamin'ny 2010 ny fanapahan-kevitra hanao ilay fanadihadiana (jereo tatitry ny Global Voices). Ireo Mpifandray amin'ny Vondrom-piarahamonina Video Volunteers hatreto dia namokatra andianà lahatsary iray misy 30 izay nanadihady ny fampiharana ny ‘Tsy Fikitika’ manerana ny firenena. Ireto ohatra vitsivitsy :

Ny Lavadranon'ny Tsy Fikitika: Eny amin'ny lavadrano iray efa voafidy ao an-tanàna ho azy ireo ihany ireo ‘Tsy Fikitika’ no mahazo alàlana hisintona rano hosotroina. Lahatsary avy amin'ny Video Volunteers.

Ny Tsy Fikitika any anaty toeram-pivarotana: Voaràra tsy mahazo miditra ao amin'ny toeram-pivarotana ireo Dalits, na dia mpividy mandoa vola aza izy ireo. Tsy maintsy izy ireo, na manipy ny volany eo an-tànan'ireo saranga ambony mpitazona raharaham-barotra, tsy mikitika ny tànany, na mamela ny volany eny amin'ny tany. Ireo entana voakitikin'ny Dalits dia diovina amin'ny alàlan'ny fampandalovana azy ireny indray mandeha amin'ny lelafo miredareda. Lahatsary avy amin'ny Video Volunteers.

Ny Tsy Fikitika Voaray an-tsary sy Voarakitra anaty Kamerà: Ny lahatsary dia mitantara ireo vehivavy dalits nampakarina ho tokantrano tao an-tanàna, nanàla ny kapany ary nitondra izany teny an-tànany raha nanavatsava ny toeram-ponenan'ireo “sarangam-piaraha-monina ambony” izy ireo. Ireo ezaka nifandrimbonan'ny Mpifandray amin'ny Vondrom-piarahamonina Video Volunteers eo an-toerana, ireo olona maherin'ny 5000 nanao sonia ny fanangonan-tsonia (DM) tao anaty aterineto sy ny “zeitgeist” eo amin'ny firenena noforonin'ny fandaharana amin'ny fahitalavitra, dia nandresy lahatra ny DM sy ny kaomisera ambony ao amin'ny mpitandro ny filaminana mba hitsidika ny tanàna ka hanao fihainoana ny vahoaka manameloka ilay fomba fanao. Nanome toky ny DM ireo mponina  fa tsy hisy intsony ny fitarainana avy ao an-tanàna. Nambara fa “nofoanana” ilay fomba fanao. Lahatsary avy amin'ny Video Volunteers.

Afaka mijery ny votoatin'ireo lahatsary rehetra avy amin'io fantson'ny Youtube io ianareo. Natomboka ny fanangonan-tsonia hitakiana fandraisana andraikitra avy amin'ny Kaomisionam-Pirenena ho an'ireo Saranga Fanampiny (NCSC) hanoherana ireo fanitsakitsahana voarakitra ireo.

Maneho hevitra mikasika ireo lahatsary i Shekhar ao amin'ny Bilaogy “India Unheard” :

Taorian'ny nijerena ireo lahatsary rehetra ireo, tonga fantatro fa diso ary tena tsy tamim-pieritreretana tanteraka ilay fomba fijeriko hoe marefo ny rafitry ny sarangam-piaraha-monina aty India amin'ny lafiny sasany. Voatery aho hiaiky fa mbola tena mihanaka be izy io ary tena mamàka lalina tokoa.

Ireto misy fanehoankevitra vitsy tao amin'ny Twitter mikasika ny teo-draharaha mahazo ireo ‘Tsy Fikitika’ any India:

Shraddha Upadhyay (@shraddha48), bilaogera iray avy any Gwlior, mibitsika hoe :

@shraddha48 : namaky ny traikefa manokana mikasika ny hevitra raiki-tampisaka tsy misy fiafaràny manjo ireo ‘Tsy Fikitika’. “Alina toy inona loatra re ity mandrakotra ny fireneko, Andriamanitra o?” http://t.co/GtZRde1ndz

Ny Mediam-Bahoaka (@babasaheb_org) manoratra hoe :

@babasaheb_org: karazana fomba fanao ‘Tsy Fikitika’ 84 no efa nampiharina teto amin'ny firenena, na hatramin'izao aza http://fb.me/1D1WAjT2l

Mamarana ny lahatsorany i Stalin amin'ny hoe:

Fotoana izao hanekentsika fa tsy tarazo navelan'ny sasantsasany tamin'ireo fàka, trangam-piarahamonina na fomba fanao fahiny ny fampiharana ny ‘Tsy Fikitika’ : fandikàn-dalàna bevava io. Aoka isika hanomboka hiantso azy io amin'ny maha-izy azy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.