Venezoela: Fanombohan'ny Fifamelàna ve?

[Mitondra mankany amin'ny fiteny Espaniola ny rohy rehetra raha tsy asiana fanamarihana]

Ao anatin'ny fisavoritahana [en] sy fifandonana [en] izay nametraka fenitra teny an-dalambe sy any anaty aterineto taorian'ny fifidianana [en] ny 14 aprily, sehatry iray ho an'ny fisaintsainana maro ihany koa ireo fampahalalam-baovaon'olon-tsotra.

Amin'io fomba io, raha mbola niady hevitra mikasika ny dingana manaraka mikasika ny fe-potoam-piasan'i Nicola Maduro ny maro amin'ireo mpibilaogy, ny hafa kosa mametra-panontaniana amin'izay mety ho dikan'ny fahaverezam-bato [en] maro mandritra ny fampielezan-kevitra fohy tahaka izany. Tsikerain'ny olona ny hadisoana sy ny tetikady izay mety ho  arahana ary efa andalana ny fametrahana tetezana mba hahatongavan'ireo fifanakalozan-dresaka any amin'ny olom-pirenena ery ampita.

Maro amin'ireo hevitra ireo no nozarain'ny tranonkala Aporrea, izay nanokatra sehatra ho fanohanana ny foto-kevitra Chavisme, saingy ho fanampin'izany, maro koa ireo hafa nifampizaràn'ireo mpibilaogy sy ireo mpampiasa ny Facebook fantatra fa miaraka amin'ny mpanohitra.

Fotografía compartida por ClubVenezuela en Facebook

Sary nozaraina be tao amin'ny Facebook

Juan Gómez Muñoz dia nanome ohatra an-tsoratra mikasika ireny eritreritra ireny, izay nanipihany ny filàna ny serasera:

Otro tema que está en el tapete es el de la “reconciliación” y ciertamente, es hora de reconciliarnos, primero porque YA NO SOMOS MAYORÍA, pero a lo que me quiero referir es a la reconciliación con buena parte de los más de 7 millones de venezolanos que votaron por Capriles, esos compatriotas, ni son oligarcas (no la inmensa mayoría de ellos), ni son apátridas; no solo hemos sido incapaces de promover y entusiasmarlos a ellos con nuestro proyecto, es que hemos espantado de nuestra propias filas a varios que antes nos acompañaban!

Hevitra iray hafa izay mbola manidintsidina dia ny “fifamelàna” ary tsy ampisalasalana, fotoana tokony hihavànana izao, satria voalohany aloha TSY ISIKA INTSONY NO TENA MARO AN'ISA, saingy ny tiako hatsidika dia ny fihavànana miaraka amin'ny ampahany maro an'isa amin'ireo vahoaka Venezoela fito tapitrisa izay nifidy an'i Capriles, ireo mpiray tanindrazana amintsika, tsy oligarka – olom-bitsy manao ampihimamba ny fahefana – izy ireo (tsy toy izay koa ny maro an'isa), na noverezin-jo, tsy marina ny hoe tsy afaka mampiroborobo sy manentana azy ireo amin'ny tetikasantsika isika, fa matahotra isika ny handao ireo andiany izay zatra niaraka tamintsika  misy antsika !

Miaraka amin'ireo hevitra mitovitovy sy mifototra amin'ny famakafakana ireo antontan'isa sasantsasany, Nicmer Evans, koa dia namoaka tao amin'ny Aporrea, fa :

Todo ese juego de números se resume de la siguiente manera: hubo sumas que no sumaron. Una campaña cargada de elementos que no contribuyeron a satisfacer las expectativas del capital político heredado el 7 de octubre, con ausencia de contenidos claves que permitieran convencer a nuevos sectores sociales a incorporarse al proceso revolucionario, pero sobre todo, el abandono de los sectores propios del chavismo, en especial a los sectores lealmente críticos y comprometidos…

Entre las elecciones del pasado 7 de octubre de 2012 y 14 de abril fueron 615.626 votos menos para los partidos del proceso revolucionario, mientras que alrededor de 711.337 votos incrementó la opción política antichavista en apenas seis (06) meses

Azo aravina ho toy izao manaraka izao ireo kilalaon'isa ireo : nisy ireo fitambaran'isa izay tsy mifameno akory. Fampielezan-kevitra trotrak'ireo singa izay  tsy nanampy akory hahazoana fahafahampo amin'izay nandrasan'ny politika nolovaina tamin'ny 7 oktobra, miaraka amin'ny fahabangan'ny votoaty fototra izay tokony ho nandresy lahatra ireo sehatra vaovao ara-piaraha-monina mba hanatevina lahara ny dingana hoamin'ny fiovàna, saingy ambonin'izany rehetra izany, ny fialàn'ireo sehatra mpandàla ny foto-kevitra chavisme ireo ihany, indrindra indrindra any amin'ireo sehatra mahatoky nefa saropady sy voatohintohina.

Teo anelanelan'ny fifidianana ny 7 oktobra 2012 sy 14 aprily, latsaka 615 626  ny isam-bato ho an'ireo antoko mpandàla ny dingana manky amin'ny fiovàna, raha nahazo isam-bato nanodidina ny 711.337 kosa ireo firehana manohitra ny  foto-kevitra chavisme tao anatin'ny enimbolana monja.

Etsy andaniny, tamin'ny fomba fanaovan-tsikera ny tena manokana, mamaly ireo fanambaràn'i Henrique Capriles i Adriana González (@Adri021), fanambaràna niampangàny ireo mpitarika ho nanao herisetra tamin'ireo mpikatroka mafàna fo nandritra ireo fifandonana, ho toy ny ‘mpitsikilo’:

@Adri021: Ahora, lo de “infiltrados” en las manifestaciones opositoras es generalizar, sí hay radicales en estas filas… un poco de poravor también

@Adri021: Amin'izao fotoana, efa atao safobemantsina ny resaka ‘mpitsikilo’ anaty hetsi-panoherana, tena misy marina ny radikaly mikatsaka fiovàna hatrany ifotony any anaty laharana any an… mba asio fahatsiarovantena kely azafady e

Toy izany koa, Héctor Palacio dia nizara valinteny tao amin'ny Facebook-ny mikasika ireo antso maro nataon'ny vahoaka Venezoeliana izay monina any ivelany mba hanangon-tsonia mikasika ilay fangatahana hitadiavana famerenana fanisàm-bato tao amin'ny tranonkala tohanan'ny Trano Fotsy Amerikana :

Por cierto, no voy a firmar ninguna petición de reconteo de votos en ningun sitio de la Casa Blanca. Un poco de sentido común con la otra mitad del país.

Fa izany eo ihany, tsy hanao sonia  fangatahana hamerenana ny fanisambato ho an'ny Trano Fotsy aho… mba asio fahatsiarovantena kely ho an'ireo antsasany hafa eo amin'ny firenena azafady.

Ary arak'io hevitra io, nandefa lahatsoratra tao amin'ny bilaoginy izy, mitondra ny lohateny hoe “Sombin-torolàlana 10 mikasika ny Fomba  Fandraisam-pitenenana“, anatin'ireo ny teboka faharoa no miavaka amin'ny hoe :

2. Escuchar. Obvio, ¿no?, pero no tan fácil. No es escuchar para poder atacar más fácilmente. Sino escuchar porque realmente uno puede estar equivocado en ciertas cosas. Lo más difícil es escuchar al otro de verdad, entre líneas, incluso entre gritos. Escuchar incluso para establecer un nexo, para tratar de saber como se siente el otro y porqué. Más importante si somos contrincantes en una de esos campos de batalla que salen día a día. Si uno no escucha de verdad, está condenado a no aprender, a seguir siendo el mismo.

2. Fihainoana. Tsy azo iadian-kevitra, sa tsy izany ? Saingy tsy mora. Tsy hoe fihainoana mba hahafahana miady mora foana. Fa fihainoana satria mety hanao hadisoana amin-javatra sasantsasany ny olona iray. Ny sarotra indrindra dia ny fifampihainoana, eny an-tsefantsefany eny, na anaty fivazavazàna. Na fihainoana mba hananganana fifandraisana, mba hahafantarana ny fahatsapan'ny hafa ary inona no antony. Zava-dehibe kokoa raha toa isika ka mpifanandrina anatin'ny iray amin'ireny sehatra fiadiana mifototra amin'ny fiainana andavanandro ireny. Rehefa tena tsy mihaino tsara ny iray, voaozona tsy hahazo lesona izy, tsy hiova.

Indray mandeha indray, avy amin'ny andaniny mpandàla ny foto-kevitra chavisme sy ny kaonty YouTube an'i Rio Agua de Vida, lahatsary iray no nalefa, izay ahitàna ny vehivavy iray mpomba an'i Hugo Chávez mangataka an'i Nicolás Maduro mba hamerina ny fanisàm-bato, na hilaza ny marina mikasika ny vokatra, na manamafy ny ampaham-bokatra be indrindra tamin'ny fifidianana. Nalefa niparitaka be ilay lahatsary ary nahazo tohana taty anaty tambajotra sosialy sady koa notohanan'ny hevitr'olona maro any amin'ny faran'ilay lahatsary mba ho entina manohana ny fahamarinan'ilay fijoroana vavolombelona

 Farany, avy amin'ny tranonkala ProDavinci, marihan'i Luis Garcia Mora ny filàna maika ho an'ny toe-draharaha sosialy sy toekarena, izay heveriny ho toy ny lova avy amin'ireo taona maro nitondran'i Chávez years, saingy terena ho toy ny dénominateur irasan'ny Venezoeliana rehetra:

Todos estamos inmersos en esto. Esta es la herencia de Chávez. Una bomba de ingobernabilidad. Una bomba económica. Una bomba social. Y no tiempo de foin.

Samy ao anatin'ny ivon'io daholo isika rehetra. Lova avy amin'i Chávez io. Baomban'ny tsy fanekena hofehezina. Baomba ara-toekarena. Baomba sosialy. Ary fotoana vitsy lasa izay.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.