LAHATSARY: Tobim-pamokarana Herinaratra Okrainiana kilan'ny Afo, Tsy Azo Antoka Ny Hoavin'ny Tanàna Manodidina

[Lahatsoratra fototra navoaka ny 30 martsa 2013 – Mitondra mankany amin’ny pejy amin’ny teny rosiana ny rohy raha tsy misy filazana mifanohitra]

Farafaha-ratsiny iray no maty ary dimy hafa naratra ny 29 martsa tamina firehetana goavana [amin’ny teny anglisy] tao amin’ny Tobim-pamokarana herinaratra ahodin-tsolika ao Vuhlehirska any Svitlodarsk, tanana kely iray ao Donetsk any Okraina.

Roambinifolo ora taty aoriana, mbola nandravarava foana ny lelafo, simba ny efatra tamin’ireo vondrom-pihary herinaratra, mponina 12.000 no tsy afaka mahazo famanàna, rano mafàna sy herinaratra. Nafindra toerana any amin’ny tanàna iray eo akaiky, Debaltsevo, ireo mararin’ny hopitaly tao an-toerana, hoy ny voalazan’i pauluskp, mpampiasa LJ monina ao Donetsk (Pavel Kolesnik, amin’ny teny rosiana), izay namoaka indray io vaovao amin’ny lahatsary sy sary io ary nandefa izany tamin’ny bilaoginy.

Kolesnik/pauluskp no namoaka ity lahatsarin’ny dimy minitra voalohan’ny fahamaizana ity, noraketin’ny mpiasan’ilay ozinina, sary tamin’ny fotoana «izay mbola tsy dia niredaredàn’ny lelafo loatra » :

Taty aoriana kely, somary niova ny tabilao :

https://www.youtube.com/watch?v=sm8lJjDgj_I

Ary toy izao no endrik’ilay fahamaizana avy any amin’ny tanana 40 km miala an’ilay ozinina (lahatsary an’i Anton Zabolotny, mpampiasa YouTube, naverina navoakan’i Kolesnik/pauluskp):

Araka ny vaovao ofisialy, tany amin’ny 3ora tany no voalaza ny fisian’ny afo. Tamin’ny fanehoana hevitra tamin’ny lahatsoratr’i pauluskp, etsy ankilany, hannaukr mpampiasa LJ dia nanoratra fa ny mitataovovonana tany ho any no tena nipoaka ny afo, saingy nanomboka nanandrana namono ny afo tamin’izay fitaovana teo aminy ireo mpiasan’ilay toby nandritra ny adiny telo mialoha ny niantsoany ny mpamono afo.

kotya1975, mpampiasa LJ, manamarika [ru] fa :

[…] Amin’ny maha- mpamono afo fahiny ahy, ekeko fa nanam-bintana tsara kokoa raha toa nampandraisina anjara avy hatrany ny matianina. Indrisy, tena voa mafy tanteraka ilay tobim-pamokarana, ary ny tena zava-dehibe dia ny fiarovana ilay afo tsy hiparitaka amin’ireo trano avo manodidina. .

Kolesnik/pauluskp dia nanoratra fa ny hoavin’ny tananan’i Svitlodarsk, toerana misy ilay tobim-pamokarana herinaratra mihodina ahodin-tsolika, no mampiahiahy ankehitriny:

Kely ny finoana amin’ny hahatafatsangana indray ny toby. [Ny faritra Donbass] dia ho toy ny tanana haolo miala aina fanampiny indray koa […].

Niharan-javatra nitovy tamin’izao ny tananan’Ukrainsk. Na ny [fitrandrahana arintany izay niankinan’ny toekaren’ny tanàna], na ny tanàna ihany koa dia samy tsy tafarina tamin’ny [loza nahatsiravina ny 2002] tao amin’ny toeram-pitrandrahana arintany. […]

Kolesnik/pauluskp dia manome rohy mankany amin’ny sary-fanadihadiany mikasika an’i Ukrainsk, avy eo noraisina sy nadika ho amin’ny teny anglisy tao amin’ny bilaogin’i English Russia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.