Hatezerana Mafy Tao Shina Vokatry Ny Fepetra Napetrak'i Hong Kong Momba Ny Vovo-dRonono

Ny andro voalohany nampiharana ilay fandraràna vaovao izay mamehy ny mpandeha tsy hitondra vovo-dronono fanome ny zaza mihoatra ny 1.8 kg ivelan'i Hong Kong, dia olona 10 no tratran'ny manampahefana miandraikitra ny sisintany nandika izany lalàna vaovao izany. Nihatra nanomboka ny 1 Martsa 2013 izany fitsipika vaovao izany. Lehilahy iray, 47 taona no voasambotra ny 2 Martsa, ka nanefa lamandy 5000 HKD [zh] (eo ho eo amin'ny 650 USD). Lamandy 500.000 HKD ary 2 taona an-tranomaizina kosa no sazy farany ambony indrindra amin'ny famoahana antsokosoko vovo-dronono ivelan'i Hong Kong.

Nizarazara be ihany ny hevitr'ireo filazam-baovao shinoa any amin'ny taninbe mikasika izany politika izany. Nitsikera [zh] izany politika izany ho toy ny ”efa vita fa tsy maninona” izay mamiravira ny lalàna fototry ny tsena malalaka ry zareo mpilaza vaovao ao amin'ny Gazety Global Times. Etsy andanin'izany, CCTV sy ny China Daily dia nanamafy tao anatinà fanehoankevitry ny bilaogy madinik'izy ireo [zh] fa ny indostrian'ny ronono shinoa ao amin'ny tanibe mihitsy no manan-tsiny amin'ny toe-javatra miseho amin'izao fotoana izao io.

Raha lazaina fa maro ireo Shinoa any amin'ny tanibe no tsy mahafantatra fa ireo mpanondrana antsokosoko no katsahan'izao politika izao fa tsy ireo olon-tsotra mpandalo, dia maro no tafintohana, indrindra mikasika ilay sazy 2 taona an-tranomaizina. Lehilahy shinoa iray Mpandraharaha ara-barotra fanta-bahoaka momba ny Trano avy any amin'ny tanibe, ao Pan Shiyi [zh], namaritra ilay politika ho toy ny dika moderina an'ilay horonantsary “Les Miserables” [Ireo Fadiranovana]:

刚看完电影《悲惨世界》,电影不错。法国大革命前夕,冉阿让给妹妹的孩子偷了一块面包,被判了五年刑。今天,2013年为给三岁以下孩子多买二罐奶粉,要判二年徒刑。@香港立法会所有成员 。

Jereo fotsiny ilay horonantsary Les Miserables. Horonantsary lehibe. Talohan'ny revolisiona frantsay, nangalatra singa mofo ho an'ny anabaviny i Jean Valjean ka nogadraina 5 taona an-tranomaizina. Amin'izao fotoana izao, 2013, gadraina 2 taona an-tranomaizina ny olona raha mividy vovo-dronono fanome ny zaza feno 3 taona mihoatra ny 2 boaty ho an-janany. @Mambran'ny filan-kevitra mpanao lalàna Hong Kong.

Ny Filoha Mpitantana teo aloha ny Google Shinoa, Lee Kai-fu, manamafy [zh] fa ny governemanta Shinoa sy ny governemanta Hong Kong miaraka mihitsy no samy manan-tsiny amin'izao toe-javatra mahasosotra izao:

香港奶粉事件的谬论和回应:1)“应批评内地而非香港”:批评为何要二选一?毒奶粉、过高关税、荒谬徒刑我们都应批评,2)”挑拨香港内地人感情“ :批评的是法律不是人,请勿乱扣帽子,3)”香港人买不到奶粉,所以法律合理“:请勿偷换概念:保护、限制两罐,甚至罚款都可以理解,离谱的是两年徒刑!

Lazao ireo hevi-diso momba ilay toe-java-nisy mikasika ny vovo-dronono tao Hong Kong: Hadisoana 1: Tokony tsikeraintsika ny Shinoa any amin'ny tanibe fa tsy ny any Hong Kong – Nahoana isika no tsy maintsy misafidy amin'izy roa ireo? Tokony tsikeraintsika ny ronono misy poizina, ny fahalafosan'ny haba lafobe alaina amin'ny ronono avy any ivelany ary ilay sazy mahasosotra. Hadisoana faha-2: Ny fitsikerana dia miteraka ady eo amin'i Hong Kong sy ny Shinoa any amin'ny tanibe- Mitsikera ny Lalàna isika fa tsy ny mponina ao Hong Kong. Aza manondrotondro ao anaty adihevitra. Hadisoana faha-3: Satria miatrika tsy fahampiana vovo-dronono ny olona ao Hong Kong, dia voamarina araka izany ilay fepetra – Aza afangaro ireo fijery samihafa: Azontsika takarina ny hoe fiarovana, ny fameperana sy ny sazy lamandy, saingy mamohehatra ny 2 taona an-tranomaizina!

Nanompa an'i Hong Kong [zh] i Ah Qiang, mpitantana ny PFLAG ao Shina, :

如果在港买3罐奶粉不但要罚50万,还要判监两年,我只能说:香港,我草你妈的法治和自由!这跟带把水果刀被牢教两年有毛的区别!我们要批评毒奶粉和内地当局的不作为,不代表就要原谅香港政府对法制的亵渎。当民粹替代法治,香港精神只剩意淫。

Raha mividy boatin-dronono telo no hiafara amin'ny lamandy 500.000 HKD miampy 2 taona an-tranomaizina, dia toy izao ny valin-kafatro: Hong Kong, asitriho any ny fitsipi-dalànareo sy ny fahafàhanareo! Toy ny sazy fanabeazana 2 taona asa anterivozana rehefa mahita olona mitondra antsy kely [ny polisy shinoa]. Mazava ange fa tokony ho tsikeraintsika ny governemanta shinoa any amin'ny tanibe amin'ny tsy fahaizany [mihazona ny fiahiana ny sakafom-bahoaka], sy tantara ratsin'ny ronono misy poizina. Na izany aza anefa, tsy azontsika avela ny heloky ny governemanta Hong Kong ny amin'ny fanararaotana mikasika ny lalàna. Manova ny fitsipi-dalàna miaraka amin'ny fihetsem-pom-bahoaka sy ny mety ho fitsitontongan'ny fisainana ao Hong kong izany.

Satria efa maro dia maro ireo firenena no mandràra ny fanondrànana vovo-drononon-jaza, kivy ireo ray aman-dreny shinoa mitady izay ronono mahasalama ho an-janany. Zhen Yuanji mpanoratra bokin'ankizy nitalaho [zh] ihany koa:

卖坏奶粉的不坐牢买好奶粉的坐牢童话都不敢这么写儿童安全是国家的头等大事。值此政府换届两会召开政府机构改革之际,呼吁组建国务院奶粉部,由副总理兼任奶粉部长。奶粉直接关系到国家的未来。

Mijànona ety ivelan'ny fonja ireo mivarotra ronono misy poizina. Alefa any am-ponja ireo izay miezaka ny hividy vovo-dronono ara-pahasalamana. Mahalasa adala mihoatra noho ny nofinofy ny tena zava-misy. Tokony ho vain-dohan-draharaha ao anatin'ny politika nasionaly ny fiarovana ny zaza. Te hanome hevitra aho fa ao anatin'ny fizotran'ny governemanta tetezamita, tokony hanangana birao maharitra miandraikitra ny vovo-dronono ny filankevim-panjakana izay tarihan'ny lefitry ny praiminisitra mba handray an-tànana ny zava-mitranga. Hisy fiantraikany amin'ny ho avin'ny firenena ny fiarovana ny vovo-dronono.

Ny mpibilaogy madinika “Shily Child” no nampatsiahy [zh] an'ireo olona izay tsy faly tamin'ilay politikan'i Hong Kong mikasika ny tantaran'i Zhao Lianhai, mpikatroka iray nafàna fo nandritra ilay raharaha mahavalalanina mikasika ny vovo-dronono tamin'ny taona 2008 izay anah-voampanga azy higadra mandritra ny 2 taona sy tapany noho ny nandraisany anjara nanohitra ny governemanta.

Zhao Lianhai was sentenced to 2.5 years in prison for "disturbing social order." Photo from Boxun.

Voampanga higadra an-tranomaizina 2,5 taona i Zhao Lianhai noho ny “fanohintohinana ny filaminam-bahoaka”. Sary avy amin'i Boxun. Tsy azo amidy.

Raha tsy hita ao amin'ny filazam-baovao sosialy shinoa ny anaran'i Zhao, dia nofahanan'i mpibilaogy madinika miendrika sary ny tantarany:

Silly Child's post in image format.

Ny lahatsoratr'i “Shilly Child” amin'ny endrika sary.

Zhao Lianhai iray ihany no ananan-tsika, izany no antony maha any am-ponja azy. Raha manana Zhaos 10 isika, ho sivanin-dry zareo ny feonareo; raha manana Zhaos 100 isika, tsy afaka manao na inona na inona izy ireo; raha manana Zhaos 1000 isika, hatahotra izy ireo; raha manana Zhaos 10 000 isika, ho voavaha ny olan'ny vovo-dronono. Tsy manana afa-tsy Zhao Lianhai iray ihany i Shina, nefa manana olona 10.000 isika manozona ny politikan'ny vovo-dronono ao Hong Kong.

Marina indrindra izany, fa na dia mitombo hatrany aza ireo tsy faly, tsy misy akory famantarana hetsika mafonja avy amin'ny vahoaka ny amin'izany toe-javatra tsy azo ekena izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.