Hero Reports: Vaovao Tsara Mitarika Ho Amin'ny Fiovana Ara-tsosialy Any Meksika

Nangataka tamin'ny mponina tany Ciudad Juárez, Monterrey, sy tany Tijuana/ San Diego ny Hero Reports mba hanome vaovao tsara mikasika ny zava-misy eo an-tanànany. Nanomboka tany Ciudad Juárez, Meksika [es] ny tetikasa, ho hetsika iray avy amin'ny MIT Center ho an'ny Civic Media, nampitondraina ny anarana hoe ‘Crónicas de Héroes‘, raha ny nazavain'i Ernesto Priego tamin'ny Global Voices [es] vao tsy ela akory izay. I Yesica Guerra, mpikaroka amin'ny fanomezana endrika ny tanàna ary manana maripahaizana “master” amin'ny Taotrano sy Endriky ny Tanan-dehibe avy amin'ny MIT, no mitantana ny tetikasa.

Hohitanao eto ambany eto ny valandresaka[es] niarahana tamin'i Yesica Guerra, Talen'ny Hero Reports, notarihan'ny mpanao gazety Paula Gonzalo ao amin'ny Periodismo Ciudadano (Fanaovan-gazetin'ny Mponina). Mampiasa ny lisansa Creative Commons Attribution 3.0 Unported ilay tafatafa. (CC BY 3.0).

HeroReports

Tetikasa iray mitondra ny vaovao ara-jeografika mifandray amin'ny hetsika tsara izay mitranga any Meksika ny Hero Reports na ny ‘Crónicas de Héroes’. Amin'ny alalan'ny fanangonam-baovao avy eny ifotony na fandraisan'anjaran'ny olon-tsotra no anangonana ny tatitra. Efa noresahanay taminao ity vinavina ity[es] tao amin'ny Periodismo Ciudadano ka ny tanjona amin'izany dia ny hankasitrahana ny karazana hetsika rehetra “izay mampiseho kokoa ny fanantenana fa tsy ny tahotra”.

Nilaza misimisy kokoa mikasika ity tetikasa ity i Yesica Guerra (YG), Talen'i Hero Reports (HR) tao amin'ny resadresaka niarahany tamin'ny Periodismo Ciudadano (PC).

PC – Nahoana ary tamin'ny fomba ahoana no nipoiran'ny HR?

YG- Nitsangana izy ity noho ny filàna te hanome seha-pifaneraserana ny mponina izay hitantana azy ary hifantoka amin'ny fandraisan'izy ireo anjara eo amin'ny hetsika sy fomba tsara, izay tena handrisika ny fiovana goavana eo amin'ny lafiny ara-tsosialy.

PC- Ahoana no iheveranao fa ho tonga amin'ny fanatsaràna ny fiainana ao Ciudad Juárez ny vaovao mikasika ny fomba fitondrantena tsara eo anivon'ny fiarahamonina?

YG- Miaraka amin'ity fitaovana ity, ny tanjonay dia ny hametrahana fifandanjana eo amin'ny faritra malaza ratsy, manome ohatra velona amin'ny fiarahamiasa eo amin'ny mponina sy ny soatoavina ara-tsosialy, mandrisika ity hevitra ity hoe ny fiovana izay nandrasana efa ela dia tokony hiainga avy ao anatin'ny fiarahamonina ihany.

PC- Manana antontan'isa ve ianao mikasika ny isan'ny olona mpampiasa azy ity, ny tatitra eo amin'ny fitondrantena, sns.?

YG- Miovaova be ihany ny pejin'ny tranokala ho an'i Ciudad Juárez [es], i Monterrey [es] ary i Tijuana/San Diego raha ny isan'ny olona mpampiasa sy ny tatitra no jerena. Nitsidika ny tranonkala avokoa ny mpampiasa rehetra maneran-tany, avy amin'ireto firenena ireto: Japan, Brezila, Kolombia, Alemana, Arzantina, Frantsa, Goatemala, Venezoela, Angletera, Tailandy, sns. Ahafahanay manamarina ihany koa izy ity na tratra na tsia ny tarigetra napetrakay toy ny fanovàna ny laza tena ratsin'ny tanàna izay nametrahanay ity tetikasa ity.

PC- Inona izao no zavatra efa hitanareo niova taorian'ny asa nataonareo hatreto?

YG- Taorian'ny fametrahana ny tombana statejika izay ahafahana mandrefy ny fiantraikan'ny fandaharan'asa toy ny HR, dia toy izao no azonay hamafisina:

a. Mitady vaovao betsaka kokoa ny olona mikasika ny ‘zavatra tsara’ izay miseho eo amin'ny tanànany.

b. Mamelom-bolo ny fanahin'ny fiarahamonina eo amin'ny mponina tsirairay ny fidirana amin'ny karazam-baovao toy itony.

c. Manamafy ny maha-izy azy ifampizaràna sy ny rehareham-piarahamonina ny fahafantarana itony vaovao sy hetsika itony.

PC- Inona no tokony ataon'ny olona raha te-handray anjara izy?

YG- Manana fantsona maro hanatonana ny olona ny tetikasa, iray amin'izy ireo ny pejin'ny tranonkala, izay ahafahan'ny olona milaza aminay mivantana ny tantarany ary mametraka teboka famantarana ny tany niaviany. Ho an'ireo izay tsy manana fahafahana hampiasa solosaina na koa aterineto, dia angoninay amin'ny fomba maro samihafa ny tantarany, mety amin'ny resadresaka fampahalalana tsotsotra, atrikasa na sehatrasa, sns. Mitovitovy amin'ny tetikasanay izay manana tanjona ho fitaovana hametrahana hetsika ho an'ny vahoaka ikendrena hamerenana indray ny fitondrantena imasom-bahoaka ao amin'ilay tanàna. Efa nanao firotsahana an-tsehatra maro samihafa teny amin'ny mponina izahay toy ny fandokona ny kianja malalaka sy ny faritra hafa eo an-tanàna, ny fampisehoana zavakanto, sns. Izany rehetra izany dia miaraka amin'ny fiarahamiasan'ny fikambanana maro miankina sy tsy miankina amin'ny fanjakana, toy ny rafi-panabeazana, ny fikambanana tsy miankina, ny haino aman-jery, sns.

PC- Mampiasa karazana sivana ve ianareo hanamarinanareo ny vaovao voaray?

YG- Mandalo sivana avokoa ny tantara rehetra noho ny lafin'ny fiarovana, sy ho fanivànana izay votoaty ara-politika na ara-barotra. Ny tenako sy ireo mpikambana hafa eo amin'ny fitantanana eo an-toerana no miandraikitra ny fijerena ireo tantara alohan'ny famoahana azy ireny.


PC- Ahoana ny fahitanao ny asa vitan'ny HR hatramin'izao?

YG- Tena mahaliana tokoa ho an'ny ekipan'ny HR ny mahita fa ity tetikasa izay tany am-boalohany nipetraka tao anaty tranonkala tany New York tamin'ny 2001 fotsiny ity anie ka lasa fifangaroanà rafitra fiaraha-miasa, toerana ahitàna taratra betsaka ireo mpifandray ara-tsosialy sy ireo fomba mahomby ety anaty aterineto sy anatin'ny firotsahana isan'andro. Nanampy anay hamaritra ny haavon'ny fahalinana amin'ity tetikasa ity ny valinteny avy amin'ny fandraisan'anjaran'ny mponina ary nahafahanay nahita koa hoe hatraiza no fahafahan'ny fiarahamonina iray miaina trangan-javatra ratsy isanandro handray anjara amin'ny fanarenana fiarahamonina iray tsara fitondratena kokoa, raha toa ka omena azy ny fitaovana mifandraika amin'izany.

PC- Mihevitra aho hoe tokony haondrana any amin'ny firenena hafa ny traikefa….

YG- Efa nifandray tamina fiarahamonina maro eran-tany izahay, toa an'i: Parisy, Frantsa; Vankovera, Kanada; Havana, Kiobà; Wellington, Novely Zelandy; Belarosia, sns. Nifandray taminay ry zareo niaraka tamin'ny fahalinany hametraka ity hetsika ity eo anivon'ny fiarahamonina misy azy ireo. Avy amin'ny vokatry ny fivoaran'ny HR izany izay azo jerena eo amin'ny tranonkalanay ary eo amin'ny vaovao tsara izay azo avy tamin'ny alalan'ireo  fitaovana fifaneraserana samihafa izay maneho ny firoboroboan'ny hetsika, ary ohatra iray amin'ny fiarahana miasa miaraka. Na izany aza, tsy mbola nisy aloha hatreto ny tranonkala napetraka ho an'ny eran-tany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.