Voin-Kava Mahatratra taorian'ny voina nateraky ny fandalovan'ny rivodoza Haruna tany amin'ny faritra Atsimo-Andrefana Madagasikara

[Ireo isa dia izay am-pelatanana farany, Zoma 15.03.2013]

Tao anatin'ny herinandro monja, araky ny tatitry ny Birao Nasionaly Misahana ny Fiahiana ny Loza Voajanahary na ny BNGRC dia nahatratra 26 ny isan'ireo aina nafoy nateraky ny fandalovan'ny rivodoza Haruna, 16 ireo tsy hita popoka, 127 85 ireo naratra ary miisa 41'655 38'778 ankehitriny ireo voadona ka ny 15'384 12'524 amin'ireo dia tsy manan-kialofana. Noho ny fahasarotan-dalana dia tsy tonga any an-toerana ireo fanampiana na dia marobe aza ireo sary mitatitra ny havesatry ny faharavana sy ireo fangatahana fanampiana avy any amin'ireo foibe vonjy taitra isan-karazany. Raha mitory sahady ny renivohitra Antananarivo ho tsy miraharaha ny sasany dia maro koa ireo fikambanana sy antokon'olona any an-tanindrazana sy ampitan-dranomasina izay nihetsika avy hatrany hanampiana iny faritra voadòna iny.

Fahasimbana marobe

Narahin'oram-batravatra, nahatratra 150km/ora ka hatramin'ny 180km/ora ny rivotra izay arahin-tadio mahatratra 200 km/ora izay nanimba trano vaventy marobe sy nampidi-drano trano marobe ihany koa.

 

Inondations après le cyclone Haruna dans la ville de Tulèar - photo de Jan Marc Besse su facebook

Tondradrano nateraky ny fandalovan'ny rivomahery Haruna tao amin'ny tànan'i Toliara – saripika nalain'i Jan Marc Besse tsikaritra tao amin'ny vohikala Facebook

Tantarain'ny namana mpiblaogy Andriamihaja Guénolé, mponina any Toliara ireo voina nidona tamin'ny mponina any:

J’ai entendu dire que des parents, dans l’espoir de sauver leurs 3 enfants, les ont enfermés dans un placard. Ce dernier a été emporté par les eaux, on n’a plus aucune nouvelle, on ne sait pas si les enfants sont en vie. Une autre mère pas trop chanceuse, est tombée dans un puits avec son bébé dans les bras. Ni l’enfant, ni sa mère n’ont pu être sauvés. Mais on oublie souvent que si une telle catastrophe s’est produit après le passage de la forte tempête tropicale Haruna, c’est parce que des malins s’amusent à voler les gabions  qui longent la digue. Cependant, l’heure n’est pas au moment de désigner des coupables. Il est maintenant impératif de venir en aide aux sinistrés et rebâtir Tuléar.

“nisy nitantara tamiko fa mba iarovana ny ain'ireo zanany 3 dia misy ray aman-dreny izay nanafina ny zanany tao anaty placard. Nindaosin'ny riaka izany fanaka izany ary tsy fantatra na velona na maty ireo zaza ireo ankehitriny. Reny hafa, vitana Alakaôsy angaha, latsaka tao anaty vovo miaraka amin'ny zaza izay teny an-trotroany. Tsy tra-drano na ny reniny na ilay zanany. Tsy tsaroantsika matetika fa raha vaky ny tatatra miaro an'i Fiherenana dia noho ireo izay mihevitra azy ho fetsy ka mandrora mitsilany raha nangalatra ireo fefy rary vy [na gabion] izay mamehy sy manamafy ny fefiloha. Heveriko anefa fa tsy fotoan'ny tondro-molotra isika izao. Ny lahara-pahamehana ankehitriny dia ny famonjena izay mbola azo vonjena sy ny fanarenana ny rava amin'ny tananan'i Toliara.”

Raha ny fanimbana indray dia toy izao ny antsimpirihany araka ny lisitra navoaky ny Birao Nasionaly Misahana ny Fiahiana ny Loza Voajanahary na ny BNGRC (lisitra izay avaozina isan'andro):

  • 15'384 12'524 tsy manan-kialofana
  • 7'402 1'370 trano nirodana
  • 7'390 ha 1'560 tanimbary tondraka (80% any Betioky-atsimo: 5'980 ha)
  • 6'401 ha saha sy tanimboly tondraka

Ny vohikalan'ny Birao Nasionaly Misahana ny Fiahiana ny Loza Voajanahary dia manapariaka sary maro, isan'izany ireo saripika nataon'i Nianja Ranovelo :

 

Inondations à Tuléar - Domaine public via The Nation

Tondradrano any Toliara – Dika malalaka avy tamin'ny ‘The Nation’

Ny tonia mpanatanteraka, Atoa Raymond Randriatahina, no manamafy koa fa:

La ville de Morombe (dans la même région que Tuléar) a été détruite à 70%

“Ny tananan'i Morombe (izay iray faritra amin'i Toliara ihany) dia rava hatrain'ny 70%”

Tao amin'ny Facebook indray, Atoa Noeliniayna Randrianarisoa manampy hoe:

Chez nous à Ambovombe, onze morts, et 02 portés disparus

“Aty aminay aty Ambovombe, 11 maty ary 2 tsy mbola hita izay nalehany”

Indro lahatsary Youtube ahitana ny lalana Ambohitsabo, any Toliara, sary napariaky Djedaw, izay ahitana ny haavon'ny rano ao an-tananan'i Toliara:


misy lahatsary hafa koa apariaky TVPlusReplay :

Voin-Kava Mahatratra

Marobe sahady ireo izay nametraka teny fampaherezana any amin'ireo forums samihafa sy pejy Facebook maro, ny sasany manontany izay fomba ahafahana mandray anjara fananampiana.

Lalah monina ao Antananarivo manoratra amin'ny namany any Toliara:

De tout cœur avec les gens de Tuléar et une pensée spéciale pour toi mon cher ami Andriamihaja Guénolé

“Miara ory amin'ny mponin'i Toliara rehetra ary mahatsiaro manokana anao namana tsy foy Andriamihaja Guénolé

Lomelle avy any Mahajanga, manampy:

Juste en voyant les photos d'après, on a le sang glacé. On est de tout coeur avec vous et j'espère que tu vas bien

“Ny sary fotsiny dia ampy mampivarahontsana. Miray fo aminareo izahay ary manantena fa tsy maninona ianao”

Maro ireo fikambanana efa nihetsika hanampy. Ohatra azo tanisaina, ny Vatofototra izay manangona fanampiana hoan'ireo tra-boina. Ny Jeune chambre internationale (na JCI) ao Toliara na koa ny sampan'orinasa Axius humanity izay mikarakaraka fizarana sakafo sy kirakira ilaina an-davan'andro (na PPN).

Ireo sampan-draharaha vonjy aina sy ireo fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana (na ONG) dia samy nandray andraikitra avy hatrany. Ny Plateforme d’Intervention régionale de l’océan Indien (na PIROI avy any La Réunion) sy ny Vokovoko Mena Frantsay (na Croix-Rouge française) dia namaly ny antso vonjy avy amin'ny Vokovoko Mena Malagasy ka hitatitra fitaovana vonjy tra-boina mahatratra 35 taonina avy any amin'ny nosy La Réunion (andrasana any Toliara ny Alatsinainy 4 Martsa).

Ny fikambanana “Action contre la Faim” (hetsika hanoherana ny hanoanana) dia mitatitra ireo hetsika efa ataony sahady taorian'ny rivodoza:

Un avion de 15 tonnes affrété par ACF et parti hier de Lyon arrive aujourd'hui à Madagascar pour apporter en urgence sur le terrain du matériel permettant d'assurer aux populations sinistrées un accès à l'eau potable : plus de 20 réservoirs, station de traitement de l'eau, pompes

“Ny ACF dia nanofa fiaramanidina mitondra entana vonjy aina mahatratra 15 Taonina, niainga omaly avy any Lyon ary andrasana androany any Madagasikara. Fitaovana ahazoana mitrandraka rano fisotro madio dia paompy fampiakaran-drano, fitaovam-pitsihifana ary fitehirizan-drano miisa 20 mahery, “

Ny sampan-draharaha iraisam-pirenena miady amin'ny hanoanana (na PAM: Programme Alimentaire Mondial) dia efa nanolotra sahady fanampiana ara-tsakafo maika an'ireo olona nifindra-monina mahatratra 7'800 isa:

Le PAM distribue environ 40 000 paquets de biscuits énergétiques nutritifs ainsi que 23 tonnes de riz, légumineuses et huile enrichie en vitamine A à Toliara

“Ny PAM dia mizara any Toliara mofomamy vonton'otrikaina (biscuit énergétique) mahatratra 40'000 isa, vary 23 Taonina, hanikotrana sy menaka vonton'otrikaina A”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.