Vongan-dranomandry Fatwa, Mifanaiky Ny Hisintaka Ny Sehatra ilay Tarika Vehivavy Voalohany Tao Kashmir

Aorian'ny fahanginana, ny tena tsara toerana afaka mamoaka ny tsy hay avoaka dia ny mozika – Aldous Huxley

Nisintaka ny tarika voalohany tsy ahitàna afa-tsy vehivavy miangaly gadona rock avy any amin'ny faritra Indiana iray rotiky ny ady ao Kashmir taorian'ny didy iray navoakan‘ny mpitari-pivavahana silamo iray milaza fa tsy mifanaraka amin'ny maha-Silamo ny fitondrantenan'ireo vehivavy.

Ilay tarika mpiangaly mozika nandalo toy ny aloka, fantatra tamin'ny anarana hoe Pragaash, midika hoe “miala amin'ny haizina ho amin'ny hazavàna”, dia lasibatr'ireo fanimbazimbàna tety anaty sy ivelan'ny aterineto ihany koa, hatramin'ny Desambra 2012 niforonan'ny tarika sy nahazoany ny lokan'ny seho an-tsehatra tsara indrindra tamin'ny Fikatrohan'ireo Tarika tao amin'ny faritry ny renivohitra Srinagar.

Tsy hay notohaina ny media Indiana tamin'ity tantara ity, nefa tsy dia liana loatra amin'izay resaka fahalalahana maneho hevitra, na ny fahalalahana sivily ny gazety raha ny marina hoy i Mohamad Junaid nanoratra sombin-dahatsoratra ho an'ny gazetiboky politika Tehelka:

Pragaash The Band -

Ny Tarika Pragaash

Mba marina, mba ratsy koa ny hoe ireo fanehoankevitra sasany maningana, manafintohina natao ho an'ilay tarika teny anaty media sosialy avy aminà tanora vitsivitsy tsy nitonona anarana  — izay nitombo an-daharana nanjary resabe taorian'ny nitsofohan'ilay ‘Grand Mufti’ faran'izay malaza ao Kashmir hamoaka didy iray mandràra ny vehivavy tsy hiakatra an-tsehatra sy hiangaly mozika — no nanjary lasa sakana ho an'ny hoavy sy fivelaran'ireto adolantsento ireto amin'ny lafiny mozika. Nopaingorin'ireo fantsom-pahitalavitra ny tantara mba hilazàna ny fiarahamonina Kashmiri, na ho toy ny loza mitatao ho an'ny maha-laika an'i India, na ho toy ny fiarahamonina tsy manome hasina ny vehivavy. Ny ankamaroan'ireo Kashmiris no tsy manana fahafahana miditra aminà media sosialy. Kanefa, ny fanaovana bango tokana, izay manampy trotraka azy ny fitsarana an-tendrony atao amin'ny fiarahamonina Miozolmana, dia mandoko azy rehetra ireny ho ‘extremistes – mahery fihetsika’ daholo.

Pejy Facebook marobe natokana ho fanohanana ny Pragaash no efa natomboka, ary andiam-panohanana ho an'ireo mpikambana toa an-dry Aneeqa Khalid, Noma Nazir, sy Farah Deeba no nipongatra avy amin'ireo fifanakalozan-dresaka mikasika ny tsy rariny atao ety anaty aterineto. Mandritra izany, nisambotra vitsivitsy tamin'ireo lazaina ho mpanimbazimba ny tarika tety anaty aterineto ny polisy.

barkha dutt (@BDUTT), mpampiasa Twitter, dia nanoratra mikasika ny laza ratsin'ilay mpitarika fivavahana:

@BDUTT: Ny marina dia manimba tsikelikely ny fomban-drazan'i Kashmir manokana ny didin'i [ilay mpitarika fivavahana] Muft. Ara-drariny raha miainga avy amin'ireo Kashmiris ihany ny fanoherana azy #pragaash

Nibitsika momba ilay gitara matanjaka i Karsh Kale (@karshkalemusic) :

@karshkalemusic:Atahoran-dry zareo ho matanjaka lavitra noho ny lehilahy iray mitana basy ny sipakely iray miaraka aminà gitara iray matanjaka….ary marina ny an-dry zareo….#fatwa

Cover of a Facebook page supporting pragaash

dikasarin'ny pejy Facebook iray manohana ny Pragaash.

Ny 3 Febroary ny pejy ofisialin'ilay tarika no nisy fanavaozam-baovao farany hanambaràna tanaty lahatsoratra roa samihafa fa nisintaka ireo mpikambana roa:  Noma sy Farah, nanosika ireo mpampiasa Facebook an'arivony haneho hevitra.

Debashis Das niangavy an'ireto vehivavy mba tsy hisintaka :

Aza Miala Miangavy… amin'ny maha-firenena azy dia lasa tsy misy fandeferana amin'ny fahalalahana maneho hevitra i India….raha mpanao politika ianareo na nanana sandry matanjaka dia ho nisy mpitia na inona na inona no nataonareo… Heveriko fa ny FAHALALAHANA MITENY izao no TANDINDONIN-DOZA… noho izany azfd azfd aza MIALA….

Nandefa hafatra fanohanana ho an'ireto vehivavy i Saba Danawala :

Te-hahita marina tokoa feom-behivavy Miozolmana maro eto, tena amin'ny fo – ary satria takatro ny antony nahatonga ireo sipakely nisintaka, azafady, miverena rehefa tsapanareo fa ao anatinareo ny hery. Mila vehivavy toa anareo ireo vehivavy Miozolmana eran'izao tontolo izao sy any Azia Atsimo – fa tsy vehivavy miaina anjambany fotsiny mifanaraka amin'ny rafitra mipetraka.

Nanambara ampahibemaso ny fankafizany an'ilay tarika i Pelin Ariner :

Vehivavy miozolmana Tiorka aho ary mankafy anareo tamin'ny fananganana tarika tsy misy afa-tsy vehivavy. Na any amin'ny tontolo Tandrefana aza dia tsy fahita firy zany. Milay ianareo rehetra ary tsy manao sorona NA INONA NA INONA amin'ny maha-ianareo anareo sy ny hatsaran-tarehinareo ianareo raha maniry ny hilalao mozika sy hilaza ny hevitrareo. Aza avela ho ireo olona efa nilaozan'ny toetrandro no hiteny aminareo ny azo sy tsy azonare oatao.

Nitrandraka tao amin'ny kaontiny Google Plus i Manoj ny amin'izay antony ao ambadik'ilay fanenjehana ara-pivavahana atao amin'ny Pragaash :

പൗരോഹിത്യത്തിന്റെ ഉത്പന്നമായ മതമൗലികവാദം പൊതുവേ എല്ലാ കലകള്ക്കും എതിരാണ്. അതിന് കലകളില് ഉള്ളടങ്ങിക്കിടക്കുന്ന സ്വാതന്ത്ര്യദാഹം പൊറുപ്പിക്കാനാവില്ല. അവയില് പുലര്ന്നുപോരുന്ന പാരമ്പര്യനിഷേധം അനുവദിക്കാനാവില്ല. അവയില്നിന്ന് പുറപ്പെട്ടുവരുന്ന ആനന്ദം അംഗീകരിക്കാനാവില്ല. രാജാവിന്റെയും പുരോഹിതന്റെയും പുരുഷന്റെയും എന്നുവേണ്ട, ആരുടെയും അധികാരത്തെ വെല്ലുവിളിക്കുന്ന ഏതോ ഒരംശം ഓരോ കലയിലും കുടിപാര്ക്കുന്നുണ്ട്.

Mifanohitra hatrany amin'izay mety ho karazana taokanto ny rongony ara-pinoana (fanarahana tsy misy fepetra). Tsy afaka ny handefitra amin'ny fahalalahana entin'ny taokanto ry zareo. Tsy afaka ny handefitra ihany koa ny hafaliana tsy misy pentina aterak'izany. Manao fanamby amin'ny fanjakan-dehilahy misy ao anatin'ny ‘empire’, ny fanjakana, ny lehilahy ary ireo pretra ny taokanto – ny endri-pahefana rehetra misy.

Sahar Lotfi, mpikambana aminà tarika Iraniana iray mpangaly mozika, tsy misy afa-tsy vehivavy, dia niombon-kevitra tamin'ny Pragaash, nilaza tamin'ireo mpanao fanadihadiana fa tiany mba hiaka-tsehatra ireo sipa ireo. Mitsidika an'i India ilay tarika  amin'izao fotoana:

“Tena tohina mafy tokoa izahay nandre (mikasika ny tarika vehivavy avy ao Pragaash). Tena faly hiseho an-tsehatra ao India saingy nahoana ry zareo no tsy mba afaka ny hanao toy izany?”

 

Hajiantsary natolotry ny Pragaash Pejy Facebook tsy ofisialy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.