Espaina: Misampotina Mankany Aminy ny Ataon'ny Governemanta

Sempotry ny « onja » maro loko ny governemanta espaniola : ny “onja maitso” an'ireo mpampianatra, mpianatra sy ray aman-dreny tsy manaiky ny fampihenana ny teti-bola sy ny fanitsiana amin’ny fampianarana, ny « onja mainty” an’ireo mpitsara, mpampanoa lalàna ary mpisolovava izay mandà ny fanovana ny rafi-pitsarana sy ny fandidiana hametrahana fandoavan-tsara amin'ny fampiasana ny lalàna, ary ny “onja fotsy » kosa indray, ireo mpiasan’ny fahasalamana manohitra ny fanitsiana ny Fiahiana ara-tsosialy ary ny fanomezana ho an'olo-tsotra ny hopitaly any amin'ny fiaraha-monina mizaka teny isan-karazany.

Miankina amin’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana mizaka tena ny fitantanana ny fahasalamana ao Espaina. Nanapa-kevitra ny hampitantanan'olo-tsotra ny hopitaly ao aminy ny sasany amin'ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana mizaka tena noho ny krizy ara-toekarena sy ny fampihenana ny teti-bolany, noho ny fieritreretana fa hahavita ny fitantanana mitovy amin'ny teo aloha amin'ny alalan'ny tetibola kelikely kokoa sy hahazoan'ny mpanana renivola tombom-barotra, ireo orinasa tsy miankina hampitantanana ireo hopitaly ireo.

Iray amin’ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana mizaka tena manana hopitaly homena olo-tsotra ny ao Madrid, izay renivohitry ny firenen-dehibe iray ahitana toeram-pitsaboana goavana sy lehibe indrindra ao Espaina. Tahaka ny any amin’ny faritra hafa moa, dia nifanentana sy nanomana fitokonana, fidinana an-dalambe ary hetsika hafa izay tsy mionona amin’ny fanoherana ireo didy ireo mpiasan'ny fahasalamana, fa mampahafantatra  ihany koa amin'ny tsaboina ao amin’ny hopitaly ny loza mety hihatra amin'ny, araka ny hevitr'izy ireo, rafitra fiahiana ara-tsosialy tsara tena tsara sy tsy andoavan-tsara izay anehoan'ny Fanarahamaso Eoropeana momba ny rafitra sy politikam-pahasalamana hevitra ao amin'ny tatitra 2010 momba an'i Espaina [es] :

Una marea blanca de sanitarios se manifiesta en contra de las políticas sanitarias del gobierno. Foto del blog Kinkalla

« Onja fotsy » n’ireo mpiasan'ny fahasalamana manohitra ny politikam-pitsaboan'ny governemanta. sary avy amin'ny blaogy Kinkalla.
 

 

(…)  el SNS [Sistema Nacional de Salud] ha hecho gala de una notable capacidad para generar buenos resultados sostenibles con arreglo a distintos parámetros de rendimiento.

(…) Estos logros se han alcanzado con un nivel relativamente bajo de gasto (…) inferior al promedio europeo. La conclusión que puede extraerse de estos datos es que, en términos generales, los ciudadanos españoles disfrutan de un sistema sanitario con una buena relación coste-calidad.

(…) Nampiseho fahaizana lehibe ny SNS [Rafi-pandrindrana nasionaly momba ny fahasalamana] amin’ny fahazoam-bokatra maharitra tao anatin'ny mason-tsivam-pahavitana samihafa.

(…) Tratra ny tanjona tamin’ny famoaham-bola kely (…) ambany noho ny an'ny eoropeana amin'ny ankapobeny. Azo lazaina amin'ny ankapobeny fa nianoka rafi-pitsaboana tsara ny Espaniola raha jerena ny fehin-kevitra avy amin'ny angom-baovao.

Ohatra:Nanapa-kevitra ary ny avy ao amin'ny antokom-bahoaka ny Madrid mba hanoherana ireo hetsika, sy ireo filazana izay miely tsikelikely eny amin'ny tsirairay , fa hanomboka ny  fanentanam-baovaon'izy ireo manokana ny 12 Desambra. Eo anelanelan'ny 11ora maraina ka hatramin'ny 12ora alina no nananganan-dry zareo tenifahatra #quenotelienconlasanidad [aza manaiky hosasana ati-doha amin'ny fahasalamana]  tao amin'ny Twitter  ity Antokom-bahoaka ity ahafahana manazava ny fomba fijerin'izy ireo amin'ity fanitsiana ny fiahiana ara-pahasalamana. Ohatra;

@ppmadrid: No se está diciendo la verdad. Algunos sólo defienden ciertos privilegios, demandas salariales y retributivas. #quenotelienconlasanidad

@ppmadrid: Tsy voalaza ny marina. Miaro ny tombontsoany manokana, fotsiny ny sasany,  fitakiana karama sy tambin-karama . #quenotelienconlasanidad

@ppmadrid: Con menor presupuesto, si no se afrontan reformas el sistema público sanitario estaría en riesgo. #quenotelienconlasanidad

@ppmadrid: Amin’ity teti-bola ambany indrindra, mety ho idiran-doza ny rafi-pahasalamana raha tsy iadian-kevitra ny fanitsiana. #quenotelienconlasanidad

 

Tsy nieritreritra ny fanararaotan'ireo mpisera aterineto efa an'arivony amin'ny fanentanana tamin'ny tenifahatra nataon'ny Antokom-bahoaka ireo tompon'andraikitra tamin'ity fisantarana ity nanova tanteraka ny foto-kevitra nokasain'ny mpanangana azy voalohany.

Ny mpisera Twitter oscar g (@oscarvk), Gema C R (@amegcr), Be-Ta-U (@medicblasto) ary Nell McKinnon ao amin'ny (@Gadylen) no anisan'ny nampiasa ny tenifahatra hahazoany antoka fa tonga any amin'ny Antokom-bahoaka ny heviny :

@oscarvk: ya me va quedando todo más claro… jua, jua,jua !!! gracias al pp por dejarnos explicarlo todo aki !!! #quenotelienconlasanidad

@oscarvk: everything is slowly becoming clearer to me… ha, ha, ha!!! thank you to the PP for letting us explain everything here !!! #quenotelienconlasanidad Mihamazava tsikelikely daholo ny zava-drehetra izao …. ha ha ha !!! misaotra ny antokom-bahoaka namela anay hanazava ny zava-drehetra eto !!! #quenotelienconlasanidad

Cartel en una manifestación: «¿Diagnóstico? Eso era antes. Le estoy haciendo un presupuesto». Foto de la página de Facebook «A disfrutar de lo votado»

Afisy tao amin’ny fihetsiketsehana : « valin'ny fitsirihana Aretina ? Efa taloha io. Nanangana tetibola ho anao aho ». Avy ao amin’ny Facebook “A disfrutar de lo votado” (ankafizo izay nosafidianao)

@amegcr: Ayer no pagaba medicina, hoy si. Hoy no pago ambulancia,mañana si. Mañana no pago sanidad, pasado mañana? #quenotelienconlasanidad

@amegcr: Tsy nandoa ny volam-panafodiko aho omaly, fa mandoa androany. Anio aho tsy handoa vola amin’ny fiara fitondra marary, fa rahampitso handoa. Rahampitso aho tsy handoa vola amin’ny fahasalamana, fa afak’ampitso kosa? #quenotelienconlasanidad

@medicblasto: Todo vuelve al mismo punto…QUE YA SE HA PROBADO en Alzira Y NO FUNCIONA. #quenotelienconlasanidad [Vídeo sobre el Hospital semiprivado de Alzira]

@medicblasto: Miverina any amin'ny teboka iray ny zava-drehetra… EFA NANDRAMANA IZANY tany Alzira ary TSY NAHOMBY. #quenotelienconlasanidad  [Horonantsary momba ny hopitaly an'olo-tsotra amin'ny ampahany ao Alzira]

 

@Gadylen: Lo próximo será cobrar la entrada en los centros de salud y hospitales y sin derecho a consumición / tratamiento #quenotelienconlasanidad

@Gadylen: Amin'ny manaraka asainy mandoa vola ianao mankany amin'ny hopitaly sy ny toera-pitsaboana fa mbola tsy manan-jò ho voakarakara #quenotelienconlasanidad

Misy ireo mpisera aterineto sasany, toa an-dry Ángel (@angelfmarin) sy  Yefri Bomon (@yefribomon), no manondro an’i Capio, orinasa izay efa mitantana hopitaly maro any amin’ny fitsinjara-paritra mizaka tena hafa, izay ahitana olona ambony ao amin'ny antokom-bahoaka sy ireo akaiky ny mpitarika ao tahaka an'i Rodrigo Rato, filoha teo aloha Aznar na ry María Dolores de Cospedal sy ny vadiny.

@angelfmarin#quenotelienconlasanidad A ver si os creéis que los cochazos de los consejeros de Capio se pagan solos.

@angelfmarin#quenotelienconlasanidad Andao hojerena raha mino ianareo fa ry zareo mpanolo-tsainan'ny Capio ihany no mividy ny fiarany lafo vidy ampiasainy ireny.

@yefribomon#quenotelienconlasanidad Capio es una empresa sin ánimo de lucro, como el Instituto Noos [El caso Noos y el yerno del rey]

@yefribomon#quenotelienconlasanidad Orinasa tsy mana-tanjona ahazoam-tombontsoa ny Capio, tahaka ilay ivotoerana Noos ihany [Raharaha Noos sy vinantolahin'ny mpanjaka]

El personal sanitario del Hospital La Paz pregunta: ¿Se ha puesto algún límite a los beneficios de las empresas concesionarias? ¿Y al sueldo de sus gerentes? Foto del blog «La voz del HULP»

“Manontany ny mpiasan’ny fahasalamana ao amin’ny hopitaly la Paz hoe : Misy fetrany ve ny tombom-barotra ho an'ny orinasa nampitrandrahana azy ? Ary ny karaman’ireo mpitantana ? Saripika tao amin’ny bolongana « La voz del HULP »

Efa nisy ihany koa ny trangan-javatra tahaka izao, tamin'ny janoary 2013, fa hanomboka « hitantana » ny hopitaly Collado Villalba ny Capio, izay tsy hisokatra mandritra ny fotoana maharitra hatramin'ny herintaona. Mandritra ity taona ity anefa dia handoa vola mihoatra ny 900 000 euros isam-bolana amin’ny Capio i Madrid.

Dantes [es] and Santiago Herrera [es] remind us that the government just announced the ambulance charge for the chronically ill:Nampatsiahy antsika kosa i Dantes sy Santiago Herrera fa  vao nanambara ny fisian'ny fandoavam-bola ho an'ny olona farary ny maka fiara mitondra marary ny governemanta :

@KimeraDantes: Al subir en una ambulancia RECUERDA No hablar con el conductor No levantarte de la camilla LLEVAR el importe exacto

@KimeraDantes: Rehefa miditra anaty fiara mitondra marary, TADIDIO: tsy miresaka amin'ny mpamily, tsy miala eo am-pandriana, MITONDRA vola ampy

@Santihehe: Mirad el lado bueno, ahora trae más cuenta pedir una ambulancia que un taxi para ir al aeropuerto. #quenotelíenconlasanidad

@Santihehe: Mijere lafin-javatra tsara, ankehitriny aleo miantso fiara mitondra marary toy izay fiarakaretsaka hitatitra eny amin'ny seranam-piaramanidina. #quenotelíenconlasanidad

 

Milaza izay eritreretin’ireo Espaniola maro i Simone Santini

@simone_santini#quenotelienconlasanidad mintiéron con las pensiones, mintiéron con el rescate, ¿y ahora les vamos a creer con la sanidad? Vamos…

@simone_santini#quenotelienconlasanidad Efa nandainga ny amin’ny fisotron-dronono ry zareo, efa nandainga eo amin’ny sehatra fanampiana ry zareo ary ankehitriny mbola hatoky azy ve isika amin’ny resaka fitsaboana ? Ndao ary…

Na dia henika tanteraka aza ny sioka manohitra ny fanomezana ho an'olo-tsotra ny fananam-panjakana, dia mbola tahaka ny tsy mahamarika izany ny sasany :

@PPHortaleza: Éxito de la campaña del @ppmadrid  #quenotelienconlasanidad convirtiéndose en TT en la @ComunidadMadrid y España: http://www.europapress.es/madrid/noticia-pp-lanza-campanana-redes-sociales-defender-reforma-sanitaria-nombre-hora-desmentido-20121212114239.html …

@PPHortaleza: Ny fahombiazan'ny @ppmadrid amin'ny fanentanana #quenotelienconlasanidad lasa lohahevitra maresaka indrindra ao @ComunidadMadrid sy ao Espaina: http://www.europapress.es/madrid/noticia-pp-lanza-campanana-redes-sociales-defender-reforma-sanitaria-nombre-hora-desmentido-20121212114239.html …

PP de Madrid@ppmadrid: #quenotelienconlaSanidad es TT nacional. Los ciudadanos no se creen las mentiras que se lanzan sobre la Sanidad Pública

PP de Madrid@ppmadrid: Ironana eo amin'ny sehatra nasionaly ny #quenotelienconlaSanidad Tsy mino ny lainga nafafy mikasika ny fahasalamam-bahoaka ny olom-pirenena

Izay valian'i Serguei Sanz :

@Remensa_S: Si el PP tiene tanta idea de gestionar hospitales como de redes sociales debemos temer por nuestra salud

@Remensa_S: Raha manan-kevitra amin’ny fomba fitantanana ireo hopitaly tahaka ny ataony amin'ny sehatra sosialy ny antokom-bahoaka (PP) dia tokony hatahotra ny amin'ny fahasalamantsika isika

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.