“Hazara Daholo Izahay Rehetra” Hetsi-panoherana Nanerana An'i Pakistana

Olona an'arivony maro avy aminà tanàna samihafa ao Pakistana sy nanerana ny tanyno tonga naneho firaisankina tamin'ireo Shiita Hazara vitsy an'isa tamin'ny nidiran-dry zareo ny andro faharoan'ny fitorevahany tany Quetta, tanàna atsimo-andrefan'ny firenena.

Teo ambany oram-be mamanàla sy tafo lanitra, Shiita Hazara an-jatony maro no nifamory tao amin'ny Lalambe Alamdar, teo anilan'ny tranovorona nisy ireo havany, hisaona ny fahafatesan'ireo tra-doza tamin'ireo fipoahana roa nahafatesana ain'olona 82 ny 10 Janoary 2013. Lavin'izy ireo ny handevina ny havany mandra-pifehin'ny tafika an'i Quetta.

We Are All Hazara 

Dikasarin'ireo lohahevitra tao amin'ny Twitter tao Pakistan, toerana faharoa ao anaty lisitra ny  #WeAreAllHazara .

Lasa niverimberina teny anaty lohahevitra tao amin'ny Twitter tany Pakistana hatreo ny fitorevahana tao Quetta, ny tenifototra “#WeAreAllHazara” – “Hazara Daholo Izahay Rehetra”.  Naneho firaisankina tamin'ireo Shiita Hazara vitsy an'isa ireo Pakistane mpisera ety anaty aterineto, tsy nijerena izay fironany ara-pinoana na izay fanabeazana ara-piarahamonina  azony.

An-jatony maro ireo Pakistane nanao fanoherana am-pilaminana tany amin'ireo tanàna samihafa tao Pakistana isan'ireny, Islamabad, Karachi sy Lahore mba haneho fanohanana an'ireo vondrom-piarahamonina Shiita Hazara ao Quetta, ao amin'ny Lalambe Alamdar

Fanehoan-kevitra ao amin'ny Twitter:

Syed Ali Raza Abidi (@abidifactor): Ato @ Karachi Press Club aho izao maneho firaisankina amin'ireo rahalahintsika #Hazara – Ho avy ve ianao? #QuettaSitIn #WeAreAllHazara twitter.com/abidifactor/st…

Ali Rahman (@Baahirezaman): Fanontaniana tsotra iray… ato amin'ny #Karachi Press Club #ShiaGenocide #WeAreAllHazara “Izaho ve no manaraka?” @beenasarwar @anasmallick twitter.com/Baahirezaman/s…

Pakistane mpanao gazety milanja teny faneva manohitra ireo fipoahana baomba roa tao Quetta, nandritra ny hetsi-panoherana iray tao Hyderabad, Pakistana. Sary an'i Rajput Yasir. Fizakà-manana Demotix (11/1/2013)

Adil Shahzeb (@adilshahzeb): Ny ‘tsia’ avy amin'ireo Shiita-Sionita mpanao fihetsiketsehana dia nitombo foana na teo aza ny andro mamanàla teo ivelan'ny Kaomisiona Ambony Momba an'i Pakistana tao #London #Shiakillings#WeAllAreHazara

PTI (@PTIofficial): Mitomany miaraka amin'ireo Hazaras ny fonay. Ireo izay afaka, tongava manatevin-daharana azy ireo amin'ny fitorevahana @ Lalambe Alamdar #Quetta #WeAreAllHazara #ShiaGenocide twitter.com/PTIofficial/st…

Syed Jalal Hussain (@jalalhussain): #WeAreAllHazara Hetsi-panoherana mitranga amin'izao fotoana izao ao Lahore. Tsy ratsy ny fandraisana anjaran'ny olona (tsy vitsy). yfrog.com/ocqsytfj

Abdul Nishapuri (@AbdulNishapuri): Fampahatsiahivana: Silamo Shiita an'arivony maro tao Lucknow India no nikarakara famoriam-bahaka hanoherana ny #ShiaGenocide (fanaovana vonomoka ny Shiita) ao Pakistana shar.es/4wHrG #WeAreAllHazara

Ny fitakian'ireo Shiita Hazaras

Niaritra ny maripàna mamanàla ambanin'ny aotra, nolavin'ireo mpandray anjara tamin'ny fitorevahana tao Quettq ny handevina ireo havany mandra-pahazoan-dry zareo antoka fa hiaro azy ireo ny fanjakana ary hasiana fijerena ny fitakian'izy ireo. ‘Nivoady’ ireo mpanao hetsi-panoherana, tsy hitsahatra izy ireo raha tsy efa manaiky ny manampahefana fa hiantoka ny filaminana sy ny fitantanana ny tanàna ho eo ambany fifehezan'ny tafika.

Miaritrany hatsiaka mamanàla mandritra ny alina i Islamabad ho fanehoana firaisankina amin'ireo rahalahy sy anabavin-dry zareo any amin'ny Lalambe Alamdar. Sary natolotr'i Hassan Bilal Zaidi.

Manampahefana iray avy amin'ny antoko Shiita ao an-toerana, Hashim Mousawi, miteny hoe:

Nandamoaka ny milin'ny governemanta, tsy misy fiarovana ny vahoaka ao Quetta. Tsy hampitsahatra ny fanoheranay izahay mandra-pahazoanay antoka fa horaisin'ny tafika ao Pakistana ny filaminana sy ny fitantanana ny tanàna ao Quetta.

Kanefa, manamafy i Hashim Ghilzai, manampahefana ambony iray, fa hoe, “Miezaka mandresy lahatra azy ireo izahay mba hampitsaharany ny fihetsiketsehany. Tsy afaka hanome azy ireo zavatra tsy voafehinay izahay.”

Fitsapan-kevitra iray nataonà fampahalalam-baovao tantanan'ny tsy miankina ety anaty aterineto, The Express Tribune, no mampiseho fa avy amin'ireo mpifidy 1.952, ny 1.702 dia mitaky ny firotsahan'ny tafika ao an-tanàna.

Tahatahaka izay, ny Hazara Democratic Party (Antoko Demokratika Hazara) ihany koa dia nanao hetsi-panoherana iray tao Quetta hanoherana ny asa fampihorohoroana ao an-tanàna, ny 12 Jan. Nahazo ireo arabe samihafa sy lalambe migodana samihafa ilay famoriam-bahoaka, ary nifarana teo akaikin'ny biraon'ny Inspektera Jeneralin'ny Polisy ao Balochistan. Ny filohan'ilay antoko, Abdul Khaliq Hazara, dia nanao fitokonana tsy hihinan-kanina nanomboka halina (12 jan) ary hitohy mandritra ny 3 andro.

Ireo mpikambana avy amin'ny Hazara Democratic Party ao anatin'ny lasy mitokona tsy hihinan-kanina. Avy amin'ny HDP official Facebook page.

Nifarana tsy nahitam-bokatra ireo fifanatonana tamin'ny 12 Janoary nikendren'ny Governoran'i Balochistan, Nawab Zulfiqar Magsi sy ny Minisitra Federaly, Syed Khursheed handresena lahatra ireo Shiita Hazara mpanao hetsi-panoherana mba hampitsahatra ny fitorevahan-dry zareo.

Ny filohan'ny Pakista Tehreek-e-Insaf, Imran Khan dia nanambara fa hanatevina laharana ny fitorevahana ao Quetta any 13 Jan.

Marvi Sirmed(@marvisirmed): Isaorana ny IK. Manaja tompoko. @imrankhanpti. RT @raoo512: imran khan manao hetsi-panoherana amin'izao fotoana izao ao lahore manohitra ny famonoana ireo hazara. ho any queta rahampitso:

Hatramin'ny 2001, ireo Silamo Shiita Hazara avy ao Quetta — no lasibatra tsy miato amin'ny herisetran'ireo vondrona mitam-piadiana.

Soso-kevitra amin'ny tenifototra enti-manjohy ireo fitorevahana ao amin'ny Twitter: #WeAreAllHazara #ShiaGenocide #Quetta sy #ImranAaRahaHai [urdu] (Miala any i Imran Khan)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.