Mpitsara Saodiana: Bashar al-Assad Dia Vokatra Nateraky Ny Demaokrasia

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny : Ireo Mpitaky Fiovàna Miatrika Fitsaràna Ao Araba Saodita

Natao androany [15 Des 2012] ny fotoam-pitsaràna fanintsiviny an'ireo roalahy mpikatroka mafàna fo mpiaro zon'olombelona Mohammad Al-Qahtani sy Abdullah Al-Hamid, ny iray amin'ireo raharaham-pitsaràna azon'ny rehetra atrehana ao Arabia Saodita natao tao amin'ny Fitsarana Heloka Bevava ao Riyadh. Tamin'ny fifanatrehana farany, nanolotra ny fiarovantenany ireo voampanga, ary androany, nitondra fanazavana fanampiny misimisy kokoa ireo voampanga no sady nanontanian'ny mpitsara ihany koa. Tamin'ny voalohany dia nihoatra ny 100 ny isan'ny mpanatrika, nahitàna vehivavy dimy. Ny mpanatrika sasany tsy navela hiditra intsony satria feno tanteraka ny efitrano fitsaràna.

Tamin'ireo fotoam-pitsaràna tany aloha, Suleiman al-Rashudi, filohan'ny Fikambanana Saodiana Sivily sy Politika Miaro ny Zo no nisolo tena an'i Dr. al-Hamid, saingy nosamborina izy ny Alarobia taorian'ny nanaovany kaonferansa mikasika ny maha-ara-dalàna ny hetsi-panoherana am-pilaminana. Nisolo azy i  Ibrahni al-Mudimig, mpikambana fahiny tao amin'ny Kaomisionan'ny Governemanta momba ny Zon'Olombelona. Maneho hevitra mikasika ny tsy fahombiazan'ilay kaomisionan'ny governemanta :

#د المديميغ…يقول استقلت من هيئة حقوق الإنسان بعد ربع مدتي لانهم لا يسمحون لنا بزيارة السجون إلا باستئذان #حسم

@nad3m: Dr. al-Mudimig niteny hoe : nametra-pialàna aho taorian'ny ampahefatry ny fe-potoako  [maha-mpikambana ahy] satria tsy avelan-dry zareo hitsidika ny fonja izahay raha tsy efa mahazo alàlana mialoha.

Namaky valinteny efa ho 40 pejy i Dr. al-Hamid ho an'ireo fanontaniana napetraky ny mpitsara nandritra ny fotoam-pitsaràna teo aloha. Nambarany fa tsy maintsy apetraka “ny fanjakana fahaefatra Saodiana”, fanjakam-panjaka faritan'ny lalàm-panorenana. Lavitra kokoa aza, nilaza izy fa mifanohitra amin'ny ara-pinoana “ny fizirizirian'ireo mpitondra fivavahana hitoetra anaty fahanginana…rehefa mahita ny matanjaka manararaotra ireo osa izy…tahaka ny hoe tsy laharam-pahamehana goavana ho an'ny foto-kevitra ijoroan'ny resa-pinoana ny rariny ara-tsosialy.” Narahana fifanakalozan-kevitra iray ilay izy, toy ny maneso, teo amin'ny mpitsara sy ireo roalahy mpikatroka mafàna fo. Nitanisa ny fanohanan'ny governemanta Saodiana ireo Siriana mpanohitra i al-Hamid hanaporofoany fa ara-drariny ny fanjeràna ireo mpitondra mpamoritra:

#القاضي_حماد_العمر: لا يجوز الخروج على الحاكم المتغلب. أبو بلال: بشار حاكم متغلب. القاضي: الحكم الشوري هو الذي جاء ببشار للحكم. #محاكمة_حسم

@SultanAlfifi: Judge Hamad al-Omar: Voaràra [ao anatin'ny lalàna Sharia ] ny manongana ireo mpitondra manao jadona. [Dr. al-Hamid]: Bashar [al-Assad] dia mpitondra mpanao jadona. Judge: Bashar al-Assad dia vokatra nateraky ny demaokrasia.

Nomen'i Dr. al-Qahtani fampianaran-desona tselatra mikasika ny tantara ilay mpitsara, mikasika ny fanonganam-panjakana nataon'ny miaramila ho an'ny fianakaviana al-Assad. Hoy i Dr. al-Hamid : “[Raha ny fahitàna azy,] ny fanonganam-panjakana ataon'ny miaramila no safidy arovanao.”

Nitondra ‘badges’ ireo mpanatrika taorian'ny fiafaràn'ny fotoam-pitsaràna mba hitakiana ny hamotsorana an'i al-Rashudi. avy amin'ny ACPRA

Nanamafy ny mpampanoa lalàna fa tsy notsirihana ny fonja:

اعترف ممثل هيئة الادعاء العام ان الهيئة لم تستكمل صلاحياتها ( مثل مراقبة السجون) بسبب عدم وجود الكوادر الكافية. 6
د.الحامد موجها كلامه للإدعاء: لكم في الهيئة عشرون سنة و لم تستكملوا صلاحياتكم للآن؟ عشرون سنة و لم تنجحوا في رقابة السجون؟! 7
د.الحامد : أمضيت فترات طويلة في السجن و لا أنا أو أي سجين قابلته رأى ممثلا عن هيئة الادعاء العام!!! 8

@freedom_Yar: Ny solontenan'ny Biraon'ny Mpampanoa Lalàna dia niaiky fa tsy mbola nahavita an-tsakany sy andavany ny andraikiny ny Birao (toy ny fijerena ny fonja) noho ny tsy fahampian'ny olona.
@freedom_Yar: Nilaza tamin'ny mpampanoa lalàna i Dr. al-Hamid hoe : 20 taona izao no lasa [hatramin'ny nisian'ny Birao] dia tsy mbola nanao foana ny andraikitrareo ianareo? 20 taona tsy nahitam-pahombiazana tamin'ny fanarahamaso ny fonja?
@freedom_Yar: Dr. al-Hamid: Nandany fotoana maro tany am-ponja aho ary tsy nahita, na ireo mpifonja hafa nifanena tamiko koa aza tsy nahita, solontenan'ny Biraon'ny Fampanoavana

Ny fotoam-pitsaràna manaraka no ho farany mialoha ny didim-pitsaràna, ary hatao afaka roa herinandro izany, amin'ny 29 Desambra.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny : Ireo Mpitaky Fiovàna Miatrika Fitsaràna Ao Araba Saodita

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.