Global Voices Sy Ny Herin'ny Isika

Efa mba voaeritreritrao ve ianao hoe ahoana ny ataonay ato amin'ny Global Voices? Ity ary aseho anao ny ambadiky ny sehatra amin'ny fomba fanangonan'ny mpikambana maherin'ny 700 tantara ao amin'ity fikambanana virtoaly manontolo nefa manerantany. Miara-miasa isan'andro tsy voafefin'ny sisintany, hasin'ora (fuseau horaire), fiteny samihafa ireo mpitarika isan-tsampana, tonia ary mpanoratra sy mpandika lahatsoratra an-tsitrapo mba hampivoitra fitantarana tsara indrindra eo amin'ny olom-pirenena sy ny tambajotra sosialy manerantany, mitatitra momba ny fahalalaham-pitenenana amin'ny aterineto ary manohana ny hafa mba hanatevin-daharana amin'ny adihevitra manerantany

Ho fanombohan'ity hetsika fanangonam-bola mandritra ity fetin'ny faran'ny taona ity, ny fizarana asa mahatafavoaka ny lahatsoratra iray mampiseho ny fomba fandrindrana ny asan'olona maro dia maro tafaraka no mahatonga ny GV ho miavaka.

23 Oktobra 2012: nandefa mailaka ho an'ireo mpanolo-tena namany mpiray ekipa aminy ao amin'ny mpiteny Portiogey avy ao amin'ny fonenany ao Fortaleza i João Miguel, miresaka toe-javatra mahakasika ny Guaraní Kaiowá, vondro-poko vazimba teratany faharoa lehibe indrindra ao Brezila, izay rahonana hoesorina ao amin'ny tanindrazany ao amin'ny Fanjakana Breziliana ao Mato Grosso do Sul. Namoaka lahatsoratra fohy avy hatrany amin'ny teny anglisy i Janet, raha lasa nanao fikaroham-baovao momba ny tantara ihany kosa any amin'ny tanàna misy azy avy any Brezila, Portiogaly ary Espaina ireo mpikambana enina hafa ao amin'ny vondrona.

24 Oktobra 2012: Sara, mpamoaka lahatsoratra amin'ny Global Voices teny Portiogey , namoaka ny tantara tamin'ny teny Portiogey.

25 Oktober 2012: Nanomboka nandika sombin-dahatsoratra amin'ny teny Anglisy i Janet, ka nanankina tamin'ny Tonian'ny Fitenenana maro (Multilingual Editor) Paula any London sy tamin'i João Miguel any Fortaleza ny fametrahana dika an-tsoratra ny video nampiarahana tamin'ilay lahatsoratra. Nalefa tany amin'ireo tonia lefitra amin'ny teny anglisy, anaty lisitra fandefasana mailaka, ny lahatsoratra amin'ny teny anglisy, izay noraisin'i Kevin any Melboure, Australia. Notsarain'i Kevin ny lahatsoratra, ary dia mivoaka ao amin'ny habaka teny anglisin'ny Global Voices.

Ao anatin'ny ora vitsy monja, olona sivy avy amin'ny kaontinanta telo, firenena dimy sy tanandehibe fito no niara-niasa mba hamoaka ny tantaran'ny “Kiakam-pijoroann'ireo Guarani Kaiowa” tamin'izao tontolo izao tamin'ny teny Portiogey sy anglisy.

October 26, 2012: Ines nandika ny lahatsoratra ho amin'ny teny Frantsay.

October 31, 2012: Cristina, Mario ary Gabriela samy nandika ny lahatsoratra ho amin'ny teny Catalán, Alemana ary Espaniola, araka ny misy azy.

November 2, 2012: Giulia nandika ny lahatsoratra ho amin'ny fiteny Italiana.

Hatramin'izao dia tahaka izao indrindra no ataon'ny ekipan'ny Global Voices, mihoatra ny sisintany, sy fiteny mba hampisongadina ny tantara notarihan'olo-tsotra izay tsy nananan'ny gazety be mpamaky sy be mpanaraka fotoana na fahalianana hotantaraina.

Mankasitraka tamin'ny fanohanana raisinay avy amin'ny fikambanana mpanao asa-soa izay nanohana anay nandritra ny taona maro izahay, saingy mba ahafahanay manohy ny zavatra ataonay, sy mba hampahaleotena azy hatrany, sy hahamaimai-poana azy ary haharetany amin'ny famoaham-baovao tsy mitsahatra dia miankina amin'ny fanohanan'ny namana sy mpamaky toa anao koa. Ny fanomezana avy aminao no entina andoavana ny fandaniana atao amin'ny lohamilina, fandraharahana ankapobeny ny laminasa fanampiana madinidinika ary ireo ekipa maharitry ny Global Voices.

Mandritra ity fety ity ary dia mba hevero ny hanolotra fanomezana ho an'ny Global Voices.

Manomeza izao »

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.