Kôngô (RDC) : Ady efa Nanana Fototra Niaviany, Gidragidra 50 Taona

Tsy azo manontolo ny fandehan'ny ady misy ankehitriny eo amin'ny mpiokon'ny M23 sy ny tafika kôngôley raha tsy misy ny fampahatsiahivana ny tantara niandohan'ny ady isan-karazany eo amin'ny renim-paritra manodidina ireo farihy lehibe. Indro ary ny fizotry ny tantaran'ny fifandonana amin'ny antsipirihany tao anatin'ny 50 taona farany ao amin'io renim-paritra io.

Ao amin'ny Congo Forum no manoratra i Jacques MBOKANI :

Levonin'ny fifandirana amin'ny endriny isan-karazany hatrany i R.D.C. hatramin'ny nahazoany ny fahaleovantenany. … Ny lahavolana dia miompana amin'ny famantarana ankapobeny ny anton'ny fifandirana any R.D.C. izay azo avondrona ho ao anaty sokajy roa lehibe. … antony ivelany … sy antony anatiny ny ankilany.

 

Tamin'ny 30 jona 1963 no nanambarana ny fahaleovantenan'i Congo nantsoina indray hoe Congo-Léopoldville. Nifampizarana teo amin'ny filoham-panjakana Joseph Kasa-Vubu sy ny praiminisitra Patrice Lumumba ny fahefana. Tamin'ny 25 novambra 1965 no nanesoran'ny jeneraly Joseph-Désiré Mobutu izay notohanan'ny governemanta Belza sy  i Etazonia ny filoha Kasa-Vubu, ka nakàny ny fahefana sy ny nanononany tena ho filohan'ny Repoblika demaokratikan'i Kôngô. Nijanona teo amin'ny fitondrana nandritra ny 30 taona izy ary nomeny anarana hoe Zaïre ny firenena teo anelanelan'ny taona 1971 ka hatramin'ny taona 1997.

Ity lahatsary ity no mamerina indray ny tantaran'ny famonoana an'i Patrice Lumumba :

http://www.youtube.com/watch?v=cOYQjegItnM

Ny lahatsary hafa indray mitantara ny fahatongavan'i Mobutu teo amin'ny fitondrana Mobutu: Mpanjakan'i Zaïre, Ny Fandromba-pahefana :
http://www.youtube.com/watch?v=Tiz7egpUzUg

Otrik'harena goavana 

Manohy i Jacques MBOKANI :

Tao amin'ny sarimihetsika mitondra ny lohateny hoe : « Blood Diamond » (Diamondran-drà) nisy lehilahy antitra iray nisento nanao hoe : « manantena aho fa tsy hahita solitany… fa raha tsy izany dia tena idiran-doza isika… ». Miresaka ny loharanon-karena voajanahary ho iray amin'ny antony mahatonga ny fifandirana ny tenin'ity zokiolona ity.

Ao amin'ny tranonkalan'ny Sarintany jeografikan'i RDC no ahitantsika :

Lazaina ho fahatafintohinana zeolojika, miaty tahirin'angovo sy harena an-kibon'ny tany sesehena ny RD Kôngô. Ny loharanon-karena fantatra indrindra dia ny Firapotsy, ny Nobium sy varahina, izay azo ampiana manganezy, volamena ary diamondra. Eo amin'ny tahirin'angovo kosa indray, azo tononina ny solitany off-shore any amin'ny ranomasimbe Atlantika sy ny fitrandrahana maro sy lehibe any avaratra atsinanana, izay efa mampilendalenda fatratra ny tontolo mafia kôngôley sy iraisampirenena, ka tsy iraharahiana ireo mponina any an-toerana. Tahaka izany ihany koa ny Oranioma any atsimo atsinanan'ny firenena, sy ny etona méthane ao amin'ny farihin'i Kivu, izay anisan'ny tahirin'angovo tahaka ny tsy voafehin'ny firenena na ankehitriny na amin'ny hoavy. Izany tsy fahampian'ny fifehezana sy ny fanaraha-maso ny loharanon-karenany izany no mahatonga ny trafika isan-karazany miroborobo any ATSINANAN'ny firenena, izay iriariavan'ny andian'olona mitam-piadiana, izay misy firaisana tsikombakomba amin'ny kôngôley ihany ka ny fireneny ihany no voa mafy amin'izany.

Ny antony anatin'ny ady any RDC kosa dia hatramin'ny fitondrana jadon'i Joseph-Désiré Mobutu izay nijanona teo amin'ny fitondrana hatramin'ny 1997 :

Ny matanjaka no nanana ny rariny, … vendrana ny mpanao politika, … firodanana sy ny tsy fananan'ny rafitra ara-pitsarana fahaleovantena … Tsy fisian'ny sampan-draharaha na ara-panjakana na ara-tsosialy. … Fandraisana ny miaramila na amin'ny fomba manara-dalàna na amin'ny alalan'ny fampifangaroana fa fampiharoharoana, fandraisana olona tsy ijerena ny zom-pireneny, ny taonany, ny toe-tsainy na ny lasany eo amin'ny raharaham-pitsarana

Ny lahatsary manaraka indray no mandravaka ny fifehezan'i Mobutu an'i RDC nandritra ny vanim-potoana: Mobutu, Mpanjakan'i Zaïre 2 Ilay tompon'ny lalao : http://www.youtube.com/watch?v=ZMElq6Pj580

Konexinfo manoritra indray ny mahatonga ny firenena maro ho tafiditra amin'ity ady ity :

Ny toe-draharaha ankehitriny any RDC, ao amin'ny faritra Kivu, dia nivoaka avy amin'ny fifandirana maro izay efa nisy tany amin'ny faritry ny farihy Afrikanina maro roapolo taona lasa izay. Mifandrohy avokoa ireo ady isan-karazany ireo. Mpitarika ady vaovao hafa no misolo toerana izay tafiditra eo amin'ny fitondrana.

 

Firenena fito miady ao anatin'ny sisintany kongoley  

Rencontre entre Kabila, Bush, Kagame et Annan à NYC en 2002 par Eric Draper - domaine public

Fihaonana teo amin'i Kabila, Bush, Kagame ary Annan tany NYC tamin'ny 2002 avy amin'i Eric Draper – valam-bahoaka

Ilay Ogandey Yoweri Museveni, nanangona sy nanangana tafika mitam-piadiana ahitana olona 6.000 tany amin'ny sisintany manamorona an'i Tanzania, du Rwanda ary Ouganda ary nanongana ny filohan'ny fireneny voafidim-bahoaka, Milton Obote tamin'ny 1986.

Tany Rwanda tanelanelan'ny taona 1990 sy 1993 ny FPR izay manana ho mpitarika azy an'i Paul Kagamé no niady tamin'ny fitondran'antoko tokana an'ny filoha Juvénal Habyarimana.

Tamin'ny 1994, ny fandringanam-bahoaka tany Rwanda (izay manana sisintany iraisana amin'i RDC) no nanosika olona eo ho eo amin'ny 2 arivoarivo [tapitrisa] honina any atsinanan'ny firenena.

Hatramin'ny Zaïre ka hatramin'ny Repoblika Demokratikan'i Kôngô ary mandrapahatongan'ny korontana tanteraka ankehitriny :

Tamin'ny 1996, tany atsimon'i Kivu, fanombohan'ny fiokoan'ny Banyamulenge, Tutsi kongoley manana fiaviana rwandey (izay nonina tany amin'ny faritra hatramin'ny 1959 raha nandositra ny herisetra tany Rwanda), notohanan'i Rwanda, Ouganda ary Burundi ara-miaramila. Tamin'ny fiarahana tamin'ireo mpanohitra ny filoha zaïroà ny marosaly Mobutu, no nivondronan'izy ireo tao amin'ny “Alliance des forces démocratiques pour la libération du Zaïre” (AFDL na Fiombonan'ny hery demokratika ho fanafahana an'i Zaira) notarihan'i Laurent-Désiré Kabila.

Rehefa nitondra nandritra ny 30 taona ny filoha Mobutu dia nanao sesintany ny tenany mialoha ny fandresen'ny mpioko. Nilaza tena ho filohan'ny Repoblika Demokratikan'i Kôngô, iantsoana indray an'i Zaira i Laurent-Désiré Kabila. Tafiditra an-drenivohitra Kinshasa ny mpioko tamin'ny 17 mey 1997.

Fandravàna ny tobin'ny mpialokaloka rwandey izay tafiditry ny miaramilam-panjakana rwandey teo aloha sy ny milisy mahery setra Hutu – ry Interahamwe- tompon'antoka tamin'ny fandringanam-bahoaka tamin'ny 1994 tao Rwanda.

Nanapaka ny fiarahany tamin'i Rwanda, Ouganda ary Burundi i Laurent-Désiré Kabila.

Tamin'ny 1998, fiokoana vaovaon'ny Tutsi Banyamulenge indray nipoaka tao Kivu ho fanoherana ny tafi-panjakan'i Laurent-Désiré Kabila, fiokoana notohanan'ny mpiara-dia taminy taloha, sy Rwanda ary Ouganda. Nanangana fivondronana ara-politika sy miaramila antsoina hoe “Rassemblement congolais pour la démocratie” (RCD na Fivondronan'ny kongoley ho amin'ny demokrasia) izay tarihan'i Ernest Wamba dia Wamba ry zareo.

Firenena fito no miady ao amin'ny tany kongoley : ny mpioko kongoley izay tohanan'i Rwanda, Ouganda ary Burundi… nahazo an'i Kisangani (renivohitry ny faritany atsinanana), tanàndehibe fahatelon'ny firenena. Voasakana tamin'ny fandrosoany hizotra ho any Kinshasa ry zareo noho ny fidirana an-tsehatra nataon'ny tafika avy any Angola sy Namibia ary Zimbabwe.

Nitresaka ny firenena : ny avaratra sy atsimon'i Kivu eo ambany fahefan'ny RC ; ny andrefana mbola voafehin'i Laurent-Désiré Kabila sy ny mpiara-dia aminy (Angola, Namibia ary Zimbabwe).

Tamin'ny 1998 ihany, nisy fiokoana hafa notarihan'i Jean-Pierre Bemba tany amin'ny faritanin'i Ekoatera, dia ny “Mouvement pour la libération du Congo” (MLC na Hetsika ho Fanafahana an'i Kongo) ka nifehy ny faritra tany, notohanan'i Ouganda ary nandrombaka ny tanànan'i Kindu any amin'ny faritra be harena an-kibon'ny tany ao Kasaï sy Katanga.

17 mey 1999, nizara roa ny RCD an'i Ernest Wamba dia Wamba : RCD-Goma tarihan'i Émile Ilunga Kalambo sy tohanan'i Rwanda sy ny RCD-Kisangani izay mbola eo ambany fahefan'i Ernest Wamba dia Wamba ary tohanan'i Ouganda izay manohana ihany koa ny MLC an'i Jean-Pierre Bemba.

Tsy mahafehy afa-tsy ny tapany andrefan'ny firenena ny fitondran'i Laurent-Désiré Kabila.

Tsy nanova na inona na inona amin'ny fandripahana ny fifanarahan'i Lusaka (Zambia) izay nosoniavina tamin'ny jolay 1999 : Mifehy ny ampahany amin'ny Faritany atsinanana, ny avaratra sy atsimon'i Kivu ary Katanga avaratra ny tafika Rwandey. Ny tafika ogandey koa mifehy ny faritany avaratr'i Ekoatera sy ny Faritany atsinanana. Na teo aza ny fifanarahana, mitohy ny ady sy fandripahana teo amin'ny firenena roa tonta ary iadiana mafy ny fifehezana ny tanànan'i Kisangani, toerana ilaina amin'ny tsenan'ny diamondra, izay miteraka ny fahafatesana sivily roanjato.

Tamin'ny 2001 no nisy namono ny filoha Laurent-Désiré Kabila, ny zanany Joseph Kabila no voatendry ho filoham-panjakana tamin'ny 17 janoary.

 

Les pays impliqués plus ou moins directement dans les conflits au Congo

Firenena tafiditra ankolaka na mivantana amin'ny ady any Congo avy amin'i Jaro7788 -valam-bahoaka

 

Mifandimby ny tolo-kevitry ny Firenena Mikambana, ny fifanarahana eo amin'ny mpifanandrina ary ny fikezahana hametrahana ny demokrasia no mibaiko ny fandripahana, ny fanolanana mandritra ny ady any RDC ahafahan'ireo hery vahiny sy ny orinasa [goavana] mitrandraka ireo harena an-kibon'ny tany sarobidy ilaina amin'ny findaintsika amin'izao fotoana.

Mamehy i Jacques MBOKANI  :

Raha fehezina, ny antony voalohany dia avy amin'ny tsy fahombiazan'ny fanjakana kongoley izay tsy maintsy atsangana indray. Satria tsy misy intsony ny Fanjakana ka lasa mandroba, manao an-keriny ary manao izay tiany atao ny Fanjakana manodidina. Satria tsy misy intsony ny Fanjakana ka lasa betsaka ny mpitarika ady sy ny fitaovam-piadiana azo enti-tanana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.