Mamafa Ny Tantaran'i Ethiopia Amin'ny Anaran'ny Fampandrosoana

Tamin'ny 1896 no resin'ny tafika notarihan'ny Amperora Menelik II ny tafika Italiana izay nanana ny teknolojia ara-miaramila nandroso kokoa tao amin'ny fifanandrinana tao Adwa. Taorian'izany, nampiditra teknolojia maromaro ilay Amperora nandresy ka anatin'izany ny fampidirana ny lalamby tao amin'ny fireneny. Noho ny fandreseny tao Adwa sy ny ezaka nataony hanovàna an'i Ethiopia araka ny fombany manokana, nisy tsangambato ho fanomezam-boninahitra azy najoro tao afovoan'i Addis Ababa antsoina hoe Arada.

Tsangambaton'ny Amperora Menelik II ao Addis Ababa, Ethiopia. Sary fahatsaram-pon'i Abel Wabell.

Efa ho efapolo taona taoriana, tamin'ny 1935, nanao fanafihana ara-miaramila vaovao tsara omana kokoa nataon'ny mpitarika ady tamin'izany fotoana izany indray ny Italiana. Niezaka nanao izay hibodoana an'i Ethiopia tao anatin'ny fotoana fohy ny Italiana fa niatrika fanoherana mavaivay avy amin'ny Ethiopiana.

Papa Abune Petros, izay anisan'ny Papa voalohany amin'ny Fiangonana Orthodoksa Ethiopiana, no olo-malaza nitarika ny fitolomana tany Ethiopia. Tsy tian'ny Italiana mihitsy ny nataony amin'ny maha-tia tanindrazana azy ary niezaka ry zareo ny hisambotra azy. Noterena hipoitra teo anoloan'ny Jeneraly Rodolfo Graziani izy hitolo-batana sy hanambara fa jiolahy ireo tia tanindrazana Ethiopiana. Tsy nanaiky ny fangatahiny [ny Papa] fa mbola nanameloka ny mpanani-bohitra aza. Niangavy ny Ethiopiana izy hiady ho amin'ny fahafahany. Farany, novonoin'ny Italiana ampahibemaso izy. Tahaka izay natao tamin'ny Amperora Menelik II ihany, nisy tsangambaton'i Abune Petros najoro tao afovoan-tanànan'i Addis Ababa ho fahatsiarovana ny tsy fiovaovan-keviny hijoro ho an'ny tanindrazany.

Saingy, siosio tsy voamarina no niely an-tserasera fa mety ho voatohintohina noho ny tetikasam-pananganana tonelina (lozoka) andehanan'ny fiaran-dalamby ao Addis Ababa ny tsangambaton'ireo olomanga roa manantantara ireo. Tsy nankasitrahan'ny mpiserasera sasantsasany izany toe-javatra izany.

Tsangambaton'ny Papa Abune Petros ao Addis Ababa, Ethiopia. Sary noho ny hatsaram-pon'i Abel Wabell.

Manontany [amh] i Daniel Kiberet, bilaogera zatra manoratra momba ny kolontsaina, tantara ary fivavahan'i Ethiopia:

ይህ የባቡር መሥመር የአቡነ ጴጥሮስንና የዐፄ ምኒሊክን ሐውልት እንዲነሡ ያደርጋል?
ለዚህ ጥያቄ ምላሹ ‹አዎን› ከሆነ ስለ ባቡሩ የሚኖረን ግምት ይለያል፡፡ ኢትዮጵያን እናሳድጋለን ስንል ያሳደጓትን እየዘነጋንና መታሰቢያቸውን እያፈረስን መሆን የለበትም፡፡ ‹በማን ላይ ቆመሽ እግዜርን ታሚያለሽ› አለ ያገሬ ሰው፡፡ የምናመጣው አዲስ ነገር ባለን ላይ የሚጨመር እንጂ ያለንን የሚያጠፋ መሆን የለበትም፡፡ መኪና ያስፈልገናል፣ ግን እግር የሚቆርጥ መሆን የለበትም፡፡ ወደድንም ጠላንም ይህች ሀገር የታሪክና የቅርስ ሀገር ናት፡፡ ይህ ታሪኳና ቅርሷ ደግሞ የህልውናዋም ምንጭና መሰንበቻም ጭምር ነው፡፡ ይህን ታሪክና ቅርስ እያጠፉና እያበላሹ የሚመጣ ለውጥ አንገት ቆርጦ ፀጉርን እንደማስተካከል ነው የሚቆጠረው፡፡ እናም የሚመለከታቸው ሁሉ ወደ ርምጃ ከመግባታቸው በፊት ሦስት ጊዜ ሊያስቡ ይገባል፡፡ መቼም የመጀመርያውን ባቡር ያስገቡትን የዐፄ ምኒሊክን ሐውልት አፍርሶ ባቡር እናስገባ ማለት የታሪክ ምጸት ነው፡፡ ለነጻነት የተሠውትን የአቡነ ጴጥሮስ ሐውልት ነቅሎ በባቡር ላይ በነጻነት ለመሄድ መከጀል ግፍ መሥራት ነው የሚሆነው፡፡”

Hopotehin'ny fananganana Lalamby ao Addis Ababa ve ny tsangambaton'ny Amperora Menelik II sy ilay mpitondra fivavahana maritiora Abune Petros?

Raha eny ny valiny amin'io fanontaniana io dia ho hafa ny hevitray momba ny fanamboaran-dalamby! Tsy tokony sandaina ny tsangambaton'ny ray mpanorina an'i Ethiopia nanome ny ainy ho an'ny tanindrazana ny fampandrosoana ny firenena! Misy ny fombam-pitenenana manao hoe “Maniratsira an'Andriamanitra ve ianao izay mitambesatra amin'ny tany!” Tokony azo itarafana izay efa ananantsika izay apetratsika ho fampandrosoana, fa tsy handrava izay ananantsika. Mety mila fiara isika fa tsy tokony hanapaka ny tongotsika ny fiara. Na tiantsika na tsy tiantsika firenena manana tantara sy vakoka i Ethiopia ary ireo no fototra ho amin'ny fiavotan-tena sy fitazonana ny fomba fiainantsika. Noho izany ny fanamboaran-dalamby amin'ny sandan'ny olomangan'i Ethiopia dia tahaka ny mandeha mankany amin'ny mpanety hanapa-bolo ka ny loha no notapahina! Tokony hieritreritra in-telo ny vondrona manao tetikasa mialoha ny hamotehana ireo tsangambato ireo. Toy ny fanaovana tarehy ratsy tanteraka ny famotehana ny endriky ny lehilahy iray nanangana ny lalamby voalohany eto Ethiopia taonjato iray lasa izay hananganana lalamby! [Tsy fahaiza-mankasitraka izany] mandrava ny tsangambaton'ny lehilahy iray izay nanome ny ainy ho amin'ny fahafahan'ny fireneny sady maniry ny hivezivezy malalaka amin'ny lalamby.

Abush Zekaryas nampahatsiahy toe-javatra iray vao nampisy adihevitra, nitranga tany Italia rehefa nisy tanàna kely iray ao atsinanan'i Roma izay nanangana fahatsiarovana ho ana mpitarika miaramila fasista, ny jeneraly Rodolfo Graziani, mampiasa ny volam-bahoaka. Nanoratra izy [amh]:

ጣሊያናዊያን ለፋሽስቱ ግራዚያኒ መታሰቢያ ሲያቆሙ ኢትዮጵያዊያን የአቡነ ጴጥሮስን እና የአጴ ምኒልክን ሀውልት ሊያፈርሱ ነው ይባላል፡፡ እንዲህ ነው ልዩነት እና እድገት

Raha manangana fahatsiarovana ho ana mpitarika miaramila fasista ny Italiana sasany, misy ny tsaho milaza fa vonona ny hamotika ny tsangambaton'olomanga Menelik II sy Abune Petros! Mba inona re izany – izay no fahasamihafana ary izay no fandrosoana!

Ary Aderegen, vondrona bilaogera tsy fantatra anarana, namoaka izao tamin'ny bilaogy [amh]:

እኛ እያልን ያለነው ሀገሪቱ ላይ የሚሰሩ ፕሮጀክቶች ለምን ቅድመ ጥናት ሲካሄድ የእምነትና የሐውልት ቦታዎች ፤ የአባቶቻችን ለቤተክርስቲያንም ሆነ ለኢትዮጵያ አሻራቸውን ያስቀመጡበት ቦታ ከግምት ውስጥ አይገባም ? ወይስ ከበስተጀርባ ሌላ ነገር አለ……?..

Izao ny fanontanianay “Nahoana moa no tsy voarafitra mialoha ny karazana tetikasa tahaka izao? Nahoana no tsy voaeritreritra nandritra ny fandrafetana ny momba ireo tsangambato sy ny toerana manantantaran'ireo ray mpanorina izay nanao zavatra betsaka ho an'i Ethiopia? Sa misy tsikombakomba hamelezana ny tantaran'i Ethiopia?

Saingy namoaka tantara mifanohitra amin'izany ny fampitam-baovao mpanohana ny fitondrana, Fana Broadcasting Corporate, ka milaza fandàvana ny fandravana ny tsangambaton'ireo olomanga ho fanamboarana lalamby! [amh]:

ሀውልቱ ምንም ችግር ሳይደርስ የባቡር መስመር ዝርጋታው ይከናወናል ያሉት ሃላፊው ፥ የባቡር መተላለፊያ ዋሻ ከሃውልቱ ስር ስለሚገነባ ፤ ግንባታው እስኪያልቅ ድረስ ሃውልቱ ለጥቂት ጊዜ ተነስቶ ከዋሻው መጠናቀቅ በኋላ ወደ ቦታው እነደሚመለስ ተናግረዋል።አያይዘውም ይህ የባቡር መስመር ግንባታ የዳግማዊ ሚኒሊክ ሀውልትን በምንም መልኩ እንደማይነካው የሚወራው ወሬ መሰረተ ቢስ መሆኑንም ነው ያስረዱት።”

Hovitaina tsy misy fanimbana ny tsangambato ny lalamby. Saingy raha handalo ny toera-manatantara ny lalambin'i Addis Ababa, dia hoesorina vonjimaika ny tsangambaton'i Abune Petros fa tsy hanakaiky velively ny misy ny tsangambaton'i Menelik II. Tsy misy ifotorany ny tsaho hafa rehetra.

Ity no fanindroany tamin'ity taona ity ka misy tsangambato nampiteraka adihevitra tamin'izay nataon'ny fitondrana Ethiopiana. Ny tsangambaton'i Kwame Nkrumah, izay natao teo amin'ny foiben'ny Vondrona Afrikana, izay natsangana noho ny fanampian'ny fitondrana Shinoa, ihany ka dia niteraka hatezerana teo amin'ny Ethiopiana satria maro ny Ethiopiana mahatsapa fa mendrika fankatoavana ihany koa i Haile Selassie.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.