Tsy Ahenoam-Baovao Intsony i Syria

Omaly alakamisy, nitatitra ny orinasam-panarahamaso ny fahafaha-miserasera aterineto miorina ao Etazonia antsoina hoe Renesys fa tapaka tanteraka ny aterineto ao Syria. Notaterin'ny orinasa fa tsy azo nidirana intsony nanomboka alakamisy tamin'ny 10 ora sy 26 minitra maraina ora GMT ireo antotana adiresy IP 84 an'ny Syria iray manontolo, izay “manala tanteraka ny firenena amin'ny aterineto.”

Navoakan'ny Renesys ihany kosa ity fira manaraka ity izay mampiseho ny fahatapahan'ny aterineto tarangana tanteraka manerana ny firenena:

Sary avy amin'ny fahatsaram-pon'ny Renesys

Nohamarinin'ny Akamai, orinasa lehibe manara-maso ny aterineto, izay namoaka fira manondro ny fahatapahan'ny aterineto tanteraka tamin'ny alakamisy maraina, izay tsikaritry ny Renesys izay taty aoriandriana.

Google Transparency Report, fitaovana iray manome fampahafantarana ny fivezivezin'ny vaovao ao anatin'ny tolotra Google manerantany, indray manondro ny fitotongana tanteraka ny fampiasana ny tolotra ao aminy tao Syria nanomboka tamin'ny 13:36 GMT tamin'ny Alakamisy.

Misy ihany tatitra misingatsingana ao amin'ny Twitter avy amin'ny Syriana mpikatroka ampielezana milaza ny tsy fahafahany mifandray amin'ny namana sy ny havana any amin'ny firenena ka mieritreritra fa mety misy fahatapahan'ny fifandraisana amin'ny finday sy ny antso an-tariby ihany koa any an-toerana.

Misioka i Leila Nachawati Rego, Syriana-Espaniola am-pielezana iray:

Trying to call my family in Damascus for hours now. Internet and all communications shut down. Help us trend #InternetCutinSyria

Miezaka ny miantso ny fianakaviana any Damasy efa ora maromaro izao. Tapaka tanteraka ny fifandraisana sy ny aterineto. Ampio izahay hampalaza ny #InternetCutinSyria

Reuters nitatitra fa mivadika niantso tamin'ny alalan'ny findain-janabolana ny mpikatroka tamin'ny alakamisy mba hiantso olona aty ivelan'ny firenena.

Iza no nanatsoaka ny lakile?

Maro no mino fa ninian'ny fitondrana Syriana natao ity fanapahana ny aterineto ao amin'ny firenena ity.

Hoy ny siokan'i Lama Bashor :

The #InternetCutInSyria could mean one of 2 things: Either a bad sign of things to come or a regime that has completely run out of moves.

Mety midika zavatra roa ny #InternetCutInSyria : Na marika fa miharatsy tanteraka ny toe-draharaha na tsy afa-mihetsika intsony ny fitondrana.

Efa nampihatra ny fahatapahan'ny aterineto tanteraka ny fitondrana Syriana taloha. Tamin'ny Septambra lasa teo dia tapaka nandritra ny folo andro ny aterineto tany amn'ny toerana nisian'ny fifampitifirana tahaka ny tany amin'ny faritra Aleppo raha nahery vaika ny fanafihan'ny miaramila tamin'ny mpioko tao an-tanàna. Saingy sambany kosa tamin'ity indray mitoraka ity no ny firenena iray manontolo no tsy aharenesam-baovao intsony.

Ny “Mpampihorohoro,” fa tsy ny fanjakana, no tompon'andraikitra amin'ny fahatapahan'ny aterineto manerana ny firenena tamin'ny alakamisy, hoy ny nambaran'ny minisitry ny fampahalalam-baovao Syriana tamin'ny al-Ikhbariya, fantsom-baovao fahitalavitra tantanin'ny fanjakana Syriana. Fanambarana izay fafàn'ny manampahaizana manokana. “Raha tapahina ny manerana ny firenena, tsy maintsy miara-tapaka avokoa ny hosina rehetra. Sarotra anefa ny hahatanterahan'izany,” hoy ny CloudFlare, vohikala misahana manokana momba ny fiarovana sy ny tanjaka amin'ny aterineto.

Misy mirodana ve ny rindrina?

Tahaka ny tamin'ny revolisiona Ejipsiana tamin'ny fanombohan'ny taona 2011, raha nanapa-kevitra ny hanapaka tanteraka ny aterineto ny fitondrana voaongana mba hampitsaharana ny firoborobon'ny fitroaram-bahoaka, nivadika nankany amin'ny fidirana an-tserasera fisolo [fiandry] ny mpikatroka an-tserasera tamin'izany fotoana izany. Ny Telecomix, vondrona mpisovoka iray manolotra laharana azo antsoina sy kaody fidirana araka ny sioka nataon'ny Anonymous ny marainan'ny alakamisy:

Dial up access #Syria: +46850009990 +492317299993 +4953160941030 user:telecomix pw:telecomix OR +33172890150 login:toto pw:toto

Maro ny zotram-piaramanidina iraisampirenena no voalaza fa nofoanana noho ny fisian'ny ady manakaiky ny seranam-piaramanidin'i Damaskosy [Damasy] izay mahatonga ny sahoan-dresaka fa mety manomana fanafihana goavana ireo vondron-kery mpioko ny ao amin'ny fitondrana.

Taty aoriandriana, ny alakamisy folakandro ny televizionam-panjakana Syriana no nanambara fa “voaantoka” ny lalana mankany amin'ny seranam-piaramanidina taorian'ny ady mafana.

Raha tianao ny hahazo ny fanavaozam-baovao farany, miangavy araho ny pejy manokana momba ny revolisiona Syriana, sy ny #internetcutinsyria ary ny #syriablackout ao amin'ny Twitter ahitana fanehoan-kevitra momba ny fahatapahan'ny aterineto androany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.