Hain-trano-na Orinasa Nahafaty Olona Tao Bangladesh Mampiseho Ny Fampiasana Mpiasa Tsy Ara-drariny

Nampametra-panontaniana marobe ny hain-trano mahatsiravina izay nahafatesana mpiasa maherin'ny 110 tao amin'ny orinasa fanenonan-damba ao Tazreen Fashions Ltd, tranobe rihana faha-sivy ao Nischintapur, Ashulia (akaikin'ny renivohitra Dhaka). Na dia manana fitaovana mpamono afo 335 sy mpiasa 300 nampiofanina momba ny famonoana afo raha sendra misy ny firehetana aza ilay orinasa, tsy nisy akory izay tena fahaizana tamin'ny famonoana ny afo. Naneno tamin'ny fotoana ara-dalàna ny fanairana momba ny fisian'ny afo saingy nanambara ireo nanatri-maso fa nohidian'ny lehibe avokoa ny varavarana sasany mba hanakanana ireo mpiasa tsy hitsoaka.

Manana orinasa fanenonan-damba maherin'ny 4000 i Bangladesh, izay ny telo am-pahaefatra mahery amin'ny vola miditra amin'ny fanondranan'entana no an'ny firenena. Mampiasa mpiasa maherin'ny 3 tapitrisa kosa ny indostria mpanondrana lamba fahatelo lehibe indrindra manerantany, vehivavy avokoa ny 90% amin'izany.

Roapolo taona mahery , nanampy tamin'ny fivoaran'ny asan'ny vehivavy mahantra tao Bangladesh ireo orinasa fanenonan-damba, izay ny asa an-trano no asa voalohany be mpanao sy ampanaovina azy ireo. Na dia ambany aza ny karama, Vikas Bajaj nanoratra tao amin'ny gazety New York Times momba ny vokatsoa hoentin'izany indostria izany amin'ireo fianakaviana sy ireo mpiasa vehivavy vaovao.

Amin'ny maha firenena an-dalam-pandrosoana azy, eo ambanin'ny fanaraha-maso akaiky ataon'ny  fikambanana tsy miankina (ONG) sy ireo orinasa mpandray anjara amin'ny andraikitra sosialy mikasika ny resaka fampifanaraham-penitra (conformité) i Bangladesh. Tao anatin'izay dimy taona izay, nitatitra ireo manampahaizana momba ny RSE sy ny mpanjifa fa nihatsara ny asa sy ny fenitra ara-tsosialy. Saingy mbola misy ireo sehatra momba ny fampifanaraham-penitra (conformité) mila hatsaraina lavitra. Hentitra dia hentitra ny governemanta amin'ny fanafoanana ny fampiasana ankizy ka nampitombo ireo fepetra fiarovana saingy mbola misy ireo mpandraharaha sasany tsy mijery afa-tsy ny vokatra na ny vola miditra ka manao ankilabao ny fepetra mifehy ny asa.

Orinasa potipotiky ny afo, izay nahafaty mpiasa mahery ny 100. Sary: Ibrahim. Copyright Demotix (25/11/2012)

Satria niparitaka tamin'ny fampahalalam-baovao sosialy sy ireo fandaharana amin'ny fahitalavitra ny sarin'ireo vata mangatsiaka kilan'ny afo, maro tamin'ireo olona no tohina sy nisafoaka. Mpiasa afaka haba tezitra mafy an-jatony no nanao fihetsiketsehana androany (Alatsinainy) mba hitaky ny fahamarinana sy ny fepetra tsara sy mendrika mifehy ny asa. Mpiserasera marobe kosa no naneho ny fahatezerany tao amin'ny Facebook, bilaogy sy fampahalalam-baovao hafa ary nametraka fanontaniana betsaka.

Rahnuma Ahmed nanoratra hoe:

Dimy ambi-sivy amin'ireo 111, izany hoe mahery ny antsasa-manila, no may tamin'ny fomba tsy ara-dalàna. Mpamonjy voina (pompier) iray no reko nilaza tao amin'ny fahilavitra, fa efa kàrana sisa no niangana tamin'ireo vatana mangatsiaka.

Nitantara momba an'i Abir Abdullah izy, mpaka sary:

Sarotra ho ahy ny naka ilay sary, tarehy simba sy niova tanteraka kanefa mbola tsara, ahitana ravaka eo amin'ny orony potika. Nahatsiaro malahelo aho tamin'ny naka ny sary [kanefa] tao anatin'izany nahatsiaro hirifiry sy hatezerana aho tato anatiko ka [mbola te haka sary foana] mba hampiseho ny [tsirairay] ireo endrika mampihoro-koditra mba [ahafahan'izy ireo] mandinika sy mampandinika izao tontolo izao, inona no zava-dehibe azon'izy ireo raha namoy ny ainy izy ireo kanefa tsy mba nisy na inona na inona tamin'ny fahavelomany.

Niharam-boina mitomany raha nahita ny havany kila ny afo tao amin'ilay orinasa fanenonan-damba. Sary: Rehman Asad. Copyright Demotix (25/11/2012)

Seeker nanoratra hoe:

Dr Kamal Hossain, mpahay lalàna fanta-daza sy mpanao politika nanamarika fa aina nafoy noho ny fitiavam-bola sy ny tombontsoa ireo aina nafoy tao anatin'ny afo nampidi-doza tao Ashulia. Nosokajiany izany fahafatesana izany ho porofo fa tsy misy lanjany ny fiainana eo amin'ireo fikasana ara-barotra sy ny fandraharahana. Mahatezitra – eny, tena mahatezitra satria izany no zava-mitranga amin'ny taonjato faha-21 ao Bangladesh. Saingy tena zava-misy mampahonena izany.

Fijery hafa ihany koa no nilaza raha toa ka fanahy iniana natao ity loza momba ny firehetana ity. Mpiasa vehivavy no voasambotra androany teo akaikin'ilay orinasa fanenonan-damba izay nanao fanahy iniana niezaka nandoro ny orinasa. Niaiky tamin'ny polisy [bn] izy fa nokaramaina Taka 20,000 ($250) hanao izao heloka izao. Nanambara tamin'ny antenimiera ny praiminisitra fa efa nomaninana mialoha ny fandoroana ary misy ifandraisany akaiky tamin'ireo loza mahatsiravina marobe vao haingana niseho tao amin'ny firenena  .

Saingy tsy niraharaha izany fijery sy fanazavana izany i Rahnuma Ahmed:

Ny olana, hoy ny lehiben'ny BGMEA, dia ny fahamehana, ny tahotra. Ny olana, hoy izy ireo, dia ny tsy fahaiza-mitantana (fitantanana tsy ampy). Ny olana, hoy izy, dia ny tampodi-fohy-rianaratra (court-circuit). [..]

Fitaovana mora azo ialàna ny “fitantanana tsy ampy”, izay mitady hiala-bala  amin'ireo fanontaniana apetraka mikasika ny hoe nahoana ireo olona no tsy rotitra no sady tsy miraharaha, izay mitantana ireo mpiasa toy ny biby fiompy, izay manompa sy miteny ratsy a'zy ireo, izay manidy ny làlana fivoahana, izay milaza amin'ireo mpiasa mba hiverina hiasa raha misy ny firehetana miseho. Ratsy ny valinteny: Mba hanangonana tombotsoa bebe kokoa hatrany.

Mifanila ny tohatohatry ny  fivoahana sy ny totohatry ny efitra fitahirizan'entana, izay fanitsakitsahana miharihary ny fitsipika. Raha nahita ireo lehiben'ny BGMEA nanome tsiny ny mpamonjy voina noho ilay fanomezan-dalam-piarovana natao, sy nanome tsiny ny mpanara maso ny asa (inspecteur de travail), nanontany teny aho hoe nahoana izy ireo no tsy mba latsa-dranomaso? Satria ve matahotra ny ho voarohirohy izy ireo? Angano kapitalista ny tantaran'ilay “mpandraharaha be herim-po”.

Nanambara ny governemanta fa homena onitra ireo niharam-boina ary hanokana andro fisaonana ny firenena. Nampanantena ihany koa izy fa hanidy ireo orinasa tsy manana fitaovana famonoan'afo na fiarovana amin'ny afo. Na dia izany aza, nanameloka ny governemanta sy ireo antoko politika ao amin'ny firenena i Kuloda Roy [bn] noho ny tsy firaharahian'izy ireo ny olana amin'ny tokony hanatsarana ny fepetra mifehy ny asan'ny mpiasa. Nanome tsiny ireo fiarahamonim-pirenena ihany koa izy:

মানবাধিকার সংস্থাগুলো, তোমরা কয়টা ঘটনার মনিটরিং বজায় রেখেছ? কয়টার জন্য দায়ী ব্যক্তিদের শাস্তি বিধানে মামলা করেছ? বা করার ব্যবস্থা নিয়েছ? এনজিওগণ শুধু সুদ-আসলের কিস্তি আদায় করা ছাড়া নাগরিকের জন্য কী করছ?

Fikambanana miaro ny Zon'olombelona, firy izay ny fanaraha-maso nataonareo? Firy ny fitoriana ireo voampanga efa napetrakareo? Na farafaharatsiny efa mba nanandrana nanao izany ve? Inona no nataonareo fikambanana tsy miankina amin'ny olom-pirenena ankoatra ny bizina kely findramam-bola?

Niantso ho amin'ny fihetsiketsehana ny fiarahamonim-pirenena sy ny mpikatroka rahampitso amin'ny 3 ora hariva ao an-drenivohitry Dhaka.

Ashulia: We grieve

Shahidul Alam nandika ity afisy eto ambony ity:

Hetsika antsoina hoe: Eo ivelan'ny Mozeam-pirenena tamin'ny 27 Novambra 2012 tamin'ny 3:00 ora hariva

Nohidian'izy ireo aho
Nodoran'izy ireo velona aho
Tsy mila filazana An-gazety hafa intsony aho
Nahoana ny orinasa no fonja
Tsy ekeko ny miasa amin'ny fepetra misy fanangejàna
TSY TIAKO!

Mitaky fanadihadiana tena izy, ny fahamarinana ary ny fanasaziana ireo izay tompon'andraikitra izahay
Mila antoka amin'ny fahafatesana voajanahary izahay

Tongava mamonjy ny Hetsika Famoriam-bahoaka amin'ny 3 ora hariva, ny Talata 27 Novambra 2012 eo ivelan'ny Mozeam-pirenena ao Shahbagh, Dhaka

Mpanoratra-mpanakanto-mpampianatra-mpikatroka ara-kolontsaina sy politika-olom-pirenena 

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.