Mpanorina Vondrona Mpitolona Voarara Ao Pakistana Manolotra Fanampiana Ho An'i Etazonia

Avy niteraka faharavàna goavana nanerana ny morontsiraka Atlantika tany Etazonia, nokilasiana ho ny tafiotra niteraka fahavoazana be indrindra nisy hatrizao, ilay tafiotra mahery vaika Sandy. Miaraka aminà vinavinam-panamboarana sy fanarenana tafakatra avo hatramin'ny 45 lavitrisa, miomana hiatrika ny fahavoazana ny firenena. Raha kely indrindra dia 33 no olona voalaza fa maty ary be ny nafindra toerana nanerana ny Morontsiraka Atsinanana.

Tanaty hatezeran'ny maro, i Hafiz Mohammad Saeed, mpanorina ilay vondrona mpitolona voarara “Lashkar e Taiba (LeT)” sady lehiben'ny “Jaamat ud Dawa (JuD)” dia nanolotra antontam-panampiana tsy hita noanoa ho fanampiana noho ny maha-olona ho an'i Etazonia mba hiatrehana ireo fahavoazana.

Nandravarava tokoa ilay Tafiotra mahery Sandy tany Rockaways sy Breezy any Queens. Maro no rava trano, fihariana ary very fananana. Sary avy amin'i Kevin Downs. Fizakà-manana Demotix

Fampanantenana karazam-panampiana samihafa, hoy izy hoe “ny Jamaat-ud-Dawa dia vonona handefa ireo mpirotsaka an-tsitrapo avy aminy, mpitsabo, sakafo, fanafody ary zavatra isan-karazany noho ny maha-olona raha toa omen'ny governemanta Amerikana alàlana izahay.”

Fantatra izy amin'ny naha-atidoha nikotrika ny asa fampihorohoroana tao Mumbai tamin'ny 2008, ilay mpanorina ny JuD koa dia miloloha 10 tapitrisa dolara amerikana eo an-tampon-dohany ho sandan'ny fisamborana azy.

Nandà ny fanampiana avy amin'ny Saeed anefa ny Masoivoho Amerikana ao Islamabad, renivohitra Pakistane. Tamin'ny fampiasàna ny kaontiny ao amin'ny Twitter, napetraky ny masoivoho mazava tsara fa na dia mankasitraka ny fihetsiky ny Miozolmana ho fanampiana aza ry zareo, dia tsy nandray kosa ny tolo-tanàna nataony ho toy ny zavatra matotra.

@usembislamabad (US Embassy Islamabad): Hajainay ny fomba fanao Islamika manampy ny sahirana, saingy tsy raisinay ho matotra kosa ny tolo-tànan'i Hafiz Saeed.

Taorian'ilay bitsika, mpitondra teny iray avy amin'ny JuD no nampakatra ireto valinteny manaraka ireto:

@JuD_Official (Jamat ‘ud’ Da'wah): @usembislamabad Ny tolo-tànana avy aminay dia noho ny maha-goavana indrindra ny olana misy. Irarianay mba hanohy hampiaina ny fomba fanao ireo Miozolmana ao #Etazonia #US. Inshallah

@JuD_Official (Jamat ‘ud’ Da'wah) @usembislamabad Mitodika amin'ny vahoaka Amerikana ny tolo-tànana ho fanampiana avy aminay, hamporisihanay ireo Miozolmana ao Etazonia mba ho eny amin'ny lohalaharana amin'ny fanampiana ny mpiray firenena aminy.

@JuD_Official (Jamat ‘ud’ Da'wah): @usembislamabad Nandray anay ho matotra i Rajiv Shah ao amin'ny #USAID rehefa nitsidika ny toby famonjena natsanganay izy tamin'ny 2010 & nizara zavatra ho fanampiana tao – # Hafiz Saeed

Nandeha lavidavitra kokoa ny masoivoho Amerikana tamin'ny fanondroana an'i Saeed ho olona voarohirohy ho nandray anjara tamin'ny asa fampihorohoroana tao Mumbai no sady koa nanondro ny fikambanany JuD ho fikambanana ‘mpanao asa fampihorohoroana’.

@usembislamabad (US Embassy Islamabad ‏): Saaed dia karohana noho ny fiahiahiana azy tamin'ny fanafihana tao Mumbai, izay nahafatesana 166. Ny JuD dia fikambanana iray tondroin'ny Firenena Mikambana&Etazonia ho mpampihorohoro.

Mazava loatra fa efa vonona tamin'ny valinteny indray ny kaonty Twitter-n'ny JuD.

@JuD_Official (Jamat ‘ud’ Da'wah): @usembislamabad Manaiky zavatra tsy misy porofo azo raisina mba hamelezana an'i Hafiz Saeed ny governemanta Amerikana. Mbola mandeha ny fanadihadian'ny UNSCR. Avela any aoriana any izay tsy misy dikany.

Mifamahofaho be ny fanehoan-kevitra momba ity tolo-tànana ity. Raha toa ny teny sasany milaza azy io ho malala-tànana, ny sasany kosa mahita fanesoana ao ambadik'izy io.

@Rifaqat_Mir (Rifaqat A. Mir): Na eo aza ny “tsy tia mainty” ataon'i Etazonia amin'i Hafiz Saeed dia mbola ananany hatrany ny fahalalahan-tànana sy ny fahafoizan-tena hampiseho fitserana ny fahavalony.

@humayusuf (Huma Yusuf): Lazain-dry zareo fa tsy manana ny antsoina hoe ‘sens de l'humour’ ny Miozolmana, saingy ny tolo-tànana ho fanampiana ireo tra-boina tamin'ny fandalovan'ny tafiotra #Sandy avy amin'i Hafiz Saeed kosa dia SANGY TAFAHOATRA http://www.thenews.com.pk/Todays-News-13-18499-Hafiz-Saeed-offers-humanitarian-aid-to-US …

@anDYRude (Anirudh Malladi): Vao avy namaky fa hoe i Hafiz Saeed, mpampihorohoro ikoizana, dia nanolotra “Fanampiana tamin'ny endrika sakafo, mpitsabo sns” ho an'ireo tra-boina tamin'ilay tafiotra mahery #HurricaneSandy. TPT!

@nidak_ (Nida Khan): Fifianakalozana mahavariana teo amin'i Hafiz Saeed sy ny masoivoho Amerikana ao Islamabad . 1-1, raha ny fijeriko. #NextRound? (#FihodinanaManaraka?)

@anamzehra86 (Anam Zehra): Ny valintenin'ny Masoivoho Amerikana ho an'ny tolo-tànana ataon'i Hafiz Saeed dia fomba entin-dry zareo milaza hoe ”tsy ataonay vazivazy ny finoanareo, tokony ho toy izany koa ianareo”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.