Yemen: Ny Kabarin'ny Filoha

Yemenita maro no nanantena handre lahateny tsara avy amin'ny filoha  “voafidiny” izay hanasongadina ny zavatra ilain'ny mponina, ny ara-toe-karena sy ny lafiny politika any Yemen ary ny zavatra maro hafa hatrehin'ny firenena amin'izao fotoana izao. Ny zavatra farany nandrasan-dry zareo nandritra ny famangiany tany Amerika dia ny lahateny manindrahindra ny “drone” amerikana.

Ny lahatenin'ny Filoha Abd Rabbuh Mansur Al-Hadi tany Washington's Woodrow Wilson International Center tamin'ny  Zoma (28 Septambra) dia narahan'ny fanambaràna ho an'ny mpanao gazety izay hanindrahindràny sy ankasitrahany ny fanafihana amin'ny drone ataon'ny Amerikana .” Izany no nahatonga fihetsehana tamin'ny mpampiasa aterineto, indrindra tamin'ireo Yemenita izay naneho ny hatezerany sy ny fanoherany ny fanafihana amin'ny drone any Yemen.

Will Picard, talen'ny Vinavinam-pandriampahalemana any  Yemen dia nanambatra ho Storify ny kabary ary nanoratra tao amin'ny bilaogy, izay hanindriany :

Na izany aza, izay nolazain'i Hadi dia te-hanaporofo fa miaraka amin'i Washington izy. Ny voalohan-dalàna mifehy ny politikan'ny drone-n'i Obama dia ” andramo ny tsy miresaka ny momba ny politikan'ny drone,” raha toa ka tsy mety dia “tena marina, aza mandray andraikitra mihitsy amin'ny asa manokana,” Ankehitriny, manoloana izao tontolo izao ny Filoha Hadi ary niteny fa aorian'ny filatsahan'ny aizina, isaky ny misy olona mipoaka any Yemen, ny Amerikana no tompon'antoka amin'izany. Lehilahy  tsy milefitra amin'ny fitantanan'ny Amerikana izany.

Nibitsika Will Picard tamin'ny fangalany ohatra tamin'ny lahatenin'i Hadi :

@YemenPeaceNews: #Hadi: Manoloana olana 3 #Yemen : ara-politika, ara-toe-karena, ary fiarovana. Inona no lazainao amin'izany amin'ny maha-olona, Atoa Filoha? Marina?

Tsy hoe fantatry ny filoha mazava fotsiny ireo fanafihana amin'ny drone ataon'ny Amerikana, ny hakiviana goavana amin'ny fitantanana Amerikana, fa noraisiny manontolo ny andraikitra tamin'ny fanafihana amin'ny fankasitrahana izany. “Isaky ny misy hetsika, mialoha ny handraisana toerana, maka alàlana avy any amin'ny filoha foana ry zareo,” Ekeny izany amin'ny alalan'ny tafatafa.

Amin'ny fitsikerana ny fanambaràn'i Hadi miteraka resa-be, dia nibitsika Mohamed Alamrani :

@yementribune: #Yemen – tsy mila WikiLeaks mikasika an'i Hadi.. olo-marina izy na ny Amerikana aza gaga.. manasonia ny taratasy milaza ny fahafatesan'ny vahoakany izy.

Nanizingizina ny Filoha Hadi tao amin'ny Q&A tao aorian'ny kabariny fa “tsy atahorana ny drone, raha fantatrao tsara ny tanjona kendrenao”. Mifanohitra amin'ny fanambaràn'ny filoha kosa fa namono olo-tsotra tany Yemen ny drone, noho ny angom-baovao tsy mazava na ny tanjona tsy tratra, ao anatin'izany ny vehivavy sy ny ankizy.
Ho valin'izany dia nibitsika Atiaf Alwazir :

@WomanfromYemen: Hey #Hadi, ahoana ny fitandremana ataon'ireny balafomanga mianjera amin'ny hopitaly, trano fivarotam-panafody ary tranon'olon-tsora ireny  http://english.al-akhbar.com/photoblogs/us-war-yemen-view-ground … #Yemen

Mbola nampiany :

@WomanfromYemen: SAROTRA ho an'i#Hadi ny miteny imasom-bahoaka any #Yemen, nefa tsy mitsahatra miteny any #Amerika. Mbà manàna fotoana hanoratana ny lahateninao sy mifantina ireo teny ampiasaina.

@WomanfromYemen: mampiseho ahiahy ny famangian'i Hadi tany Amerika tsy misy fanontaniana momba ny fiandrianam-pirenena sy ny fahaleovantena ny gazety sasany eto an-toerana. Tsy mendrika ny #maha-ara-dalàna azy izany #Yemen #Amerika

Ibrahim Mothana dia nibitsika :

@imothanaYemen: Karazaing Hadi- ny eritreritro voalohany nandritra ny fiantsorohan'ny filoha Hadi ny fanafihan'ny Amerikana amin'ny alalan'ny drone  http://on.fb.me/VYci91 #Yemen

Nohamafisiny :

@imothanaYemen: Ny tombony ho an'ny Filoha Hadi any Yemen dia ny marimaritra iraisana momba azy. Fifanakalozana famaharana ao an-toerana miaraka amin'ny fandambolamboana iraism-pirenena hampivoatra azy ho Karazai hafa indray.

Dia mbola nesoiny

@imothanaYemen: Aorian'ny fahavitan'ny roa taona nitondrany ny firenena amin'ny maha- filoha  mpisolo toerana, tonga mpivarotra drone mamiratra Hadi.  #Yemen

Eto am-pamaranana, hahatsiaro tsy ny voka-dratsin'ny fanafihana tamin'ny drone ihany ny Yemenita, fa ny tenin'ny filohany manohana ny fihetsika tahaka izany.

Maro ireo fanehoan-kevitra momba ny lahatenin'ny filoha sy ireo resadresaka ao amin'ny storify-ko.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.