Miady Amin’ny Tsy Fandriampahalemana i Madagasikara

Zebu market in Ambalavao

Tsenan'omby isam-bolana ao Ambalavao, Madagasikara (2006) hoy looking4poetry hita Flickr (CC BY-NC-ND 2.0)

Taorian’ny fahafatesan’ireo olona an-jatony tao atsimon’i Madagasikara nandritra ny fifandonana nisy teo amin’ireo malaso sy ny mpiompy, nanapa-kevitra ny governemanta fa handray fepetra manokana mba hisian’ny filaminana. Mariky ny fiharatsian’ny raharaha politika ao Madagasikara ny herisetra mitranga izay misy fiantraikany ao an-tanàndehibe sy any ambanivohitra.

Fitsaram-bahoaka ao Atsimo

Efa tsy mahagaga intsony ny fanafihana mitam-piadiana miseho lany eto Madagasikara izay niha-nahazo vahana hatrany hatramin’ny nanombohan’ny krizy politika ny taona 2009. Mba hamahana izany olàna izany, nampahafantarina ny drafi-pirenena miady amin’ny tsy fandriampahalemana tamin’ny volana Aprily 2012. Nanentana ny mpitandro ny filaminana ao an-drenivohitra ary indrindra any amin’ny faritra  anjakan’ny  halatr’omby ny governemanta ankehitriny mba hametraka ny fandriampahalemana.

Na dia izany aza, sarotra ny hampahomby ity ezaka voalohany amin’ny fametrahana ny fandriampahalemana ao amin’ny faritra atsimo ity. Araka ny  fanazavan’ i Alain Rajaonarivony:

La campagne militaire menée dans le bush du grand Sud contre les Dahalo au mois de juin et juillet 2012 avait été un désastre. Outre l’avantage du terrain, ces derniers étaient aussi bien équipés que les forces de l’ordre, et le manque d’hélicos s’était fait cruellement ressentir. Les militaires se sont surtout fait remarquer, non pour leurs prouesses au combat mais pour leurs exactions, en brûlant les villages susceptibles de servir de base de soutien aux Dahalo.

Zava-doza ny fandehanan’ny miaramila hanafika ireo dahalo  tany atsimo tamin’ny volana jiona sy jolay 2012 lasa teo. Satria tsy vitan’ny mahafehy tsara ny tany any atsimo ny dahalo fa sady manana fitaovam-piadiana raitra dia raitra ihany koa raha oharina amin’ireo mpitandro ny filaminana– tsapan’ireto farany ireto ihany koa ny voka-dratsy ny tsy fisian’ny angidimby. Tsy ny herimpony hiady amin’ny dahalo anefa no nanamarika ireto mpitandro ny filaminana nalefa tany atsimo ireto fa ny habibiany, fandoroana tanàna kely ahiany ho mpanohana ny dahalo no nataony tany.

Manoloana ny tsy fahaizan’ny mpitandro ny filaminana mandrava ny asan-dahalo, nanapa-kevitra ny mponina ao atsimon’i Madagasikara fa hanao fitsaram-bahoaka ao amin’ny taniny. Vao haingana,  olona 67 ahiana ho tafiditra amin’ny resaka halatr'omby no matin’ny vahoaka .

Mikasika ireo angidimby 4 novidian’ny fitondrana Tetezamita, mazava tsara ny valintenin’ilay manampahefana ambony, – «…Mandà tsy hitondra ireo angidimby ny mpanamory malagasy».

Namariparitra ireo fepetra fanampiny momba ny fandriampahalemana [fr] noraisin’ny governemanta taorian’ny famahàna olana i Alain Iloniaina ao amin’ny AllAfrica. Tafiditra amin’izany ny fanentanana ireo sampana marobe eo amin’ny tafika manerana ny faritra maro ao amin’ny firenena amin’ny alalan’ny fampiasana vola mitentina “3 miliara ” ety am-piandohana. Na dia izany aza, alohan’ny hanatanterahana ny asa, tsara ny mamantatra ny toerana misy ireo dahalo. Citoyenne Malgache nanazava ny antony maha-sarotra ny asa [fr]:

Na fiarovantena na tsia, ny tena fanontaniana dia hoe hiaro tena hanohitra an’iza isika? Araka ny nambaran’i Dinan’Anosy, anisan’ny mponina ao an-toerana ireo malaso ary fantatry ny vahoaka. Saingy matetika ny tambajotram-barotra miafina sy miditra antsokosoko no mikarakara ny halatr’omby. Miara-miasa amin’ny mpangalatr’omby amin’ny fomba manokana ireo manana omby marobe ao an-toerana mba hiarovany ny ombiny. Ary na dia efa tratran’ny fokonolona aza ny omby nangalarina, vetivety foana dia afaka ireo mpividy halatr’omby nentina teny amin’ny fitsarana. Taorian’ny famerenana vao haingana ny fahazoan-dalàna manondrana omby velona –izay voaràra nandritra ny 10 taona – mazava ho azy fa tsy maintsy hitombo ny asan-dahalo.

Olona iray no toa mahatonga ny tsy fahombiazan’ny ady atao amin’ny dahalo hatramin’izao. Lehilahy antsoina hoe Remenabila, nanjary olona malaza sy manantantara[fr] noho ny fahaizany mandositra sy miafina ireo mpitandro ny filaminana. 70 taona mahery izy ankehitriny ary tadiavin’ny polisy nanomboka tamin’ny volana jiona. Mahazo valisoa mitentina €35,000 (100 tapitrisa Malagasy) izay mahasambotra azy “na velona na maty”. Saingy mbola tsy nisy olona sahy nisambotra azy hatramin’izao, ka mahatonga ny feo miely fa manampahefana mpanao politika no miaro sy manafina azy.

Mahazo vahana ny tsy fandriampahalemana

Tsy ny any atsimo ihany no faritra miaina amin’ny tsy fandriampahalemana. Nampitandrina ireo terataniny ihany koa ny ambasady vahiny manoloana ny halatra, ny fanafihana, ny fandrobàna ary ny fakàna an-keriny. Raha toa ka ny vahiny no tena kendrena tamin’ny fanafihana maro niseho, sarotra ny nisambotra ireo nahavanon-doza

Tao amin’ny fahitalavitra MaTV, nanamarika ny zava-nitranga mahagaga [fr] mikasika ilay halatra tao an-tseranam-piaramanidina Ivato i Marc izay nitantara fa teratany Sinoa iray no very vola 4,000 Euros tao anatin’ny entany nandritra ny fisavana nataon’ny polisin’ny sisintany azy tao amin’ny fijanonana ao amin’ny seranam-piaramanidina. Niditra an-tsehatra ny lehiben’ireo polisy ka nanazava fa tsy nisy nangalatra izany ireo polisiny ka mbola tsy voasambotra noho izany ilay nangalatra ny vola.

Voakasiky ny tsy fandriampahalemana avokoa ny manerana ny nosy araka ny fanadihadiana nataon’ny Afrik.com [fr]:

Il ne se passe pas une semaine sans que les journaux ne relatent des faits de violences dans la capitale Antananarivo. Toutes les couches de la population, des plus aisées aux plus modestes, sont victimes de ce fléau. Meurtres, agressions, vols à mains armés sont monnaie courante depuis trois ans, date de l’éclatement de la crise politique.

Tsy misy herinandro ka tsy ilazan'ny gazety tranganà herisetra mikasika ny fanafihana miseho ao an-drenivohitra, Antananarivo. Iharan’izany fanafihana izany avokoa ny sarangan’olona rehetra, manomboka amin’ny mpanankarena hatramin’ny mahantra indrindra. Efa mahazata ny famonoan’olona, ny fanafihana sy ny fandrobàna mitam-piadiana nandritra ny telo taona nisian’ny krizy.

Arak’izany, inona no vahaolana manoloana izany tsy fandriampahalemana izany? Nanambara i Andry Rajoelina, Filohan’ny Tetezamita hatramin’ny nanonganany ny filoha teo aloha tamin’ny taona 2009, fa  fikasana hanakorontana ny fanjakana (politika) [fr] fotsiny ny olàna momba ny dahalo ao Atsimo. Nandritra izany, matoky i Mathieu Pellerin, mpikaroka ao amin’ny Ivon-toerana Frantsay momba Fifandraisana Iraisam-pirenena (IFRI) fa antony ara-bola no mibahan-toerana kokoa mialoha ny tombotsoa politika:

Raha toa ka sokajiana ho toy ny tanjaka (harena) ny fananana omby  taloha, noho ny tombotsoa ara-bola azo avy amin’ny fivarotana sy ny fanondranana ireo omby halatra no antom-pisian’ny halatr’omby izay mpanao politika no mamatsy ara-bola izany.

ISN logo

Vatsian'ny International Security Network (ISN) ity lahatsoratra (teny anglisy) ity sy ny dikantsorany amin'ny teny frantsay, arabo ary espaniola ho fiaraha-miasa amoahana ny feon'olo-tsotra eo amin'ny fifandraisana iraisam-pirenena sy ny filaminana ankapobeny. Tao amin’ny bilaogy ISN,no navoaka voalohany ny lahatsoratra ary azona jerena eto ireo tantara hafa mifandraika amin’izany.

 

 

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.