Kamerona: Ireo Antony Nandosiran'ny Atleta Tany Amin'ny JO Tao Londona

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofan'ny Global Voices ny Lalao Olaimpika Londona 2012.

Ny rohy rehetra dia mankany amin'ny teny Frantsay raha tsy misy filazàna manokana.

Tena efa tao anatiny tokoa ny Lalao Olaimpika Londona 2012 nanomboka ny 27 Jolay ary, na dia tsy mbola nahazo medaly mihitsy aza i Kamerona, ireo atletany kosa tsy nikely soroka nanao izay hahafantarana azy ireo. Satria, namiratra tamin'ny « taranja » iray ry zareo, izay nomen'ny maro ny anarana hoe Europathlon (filefàna an-daharan'ireo atleta tao Londona nandritra ny Lalao).

Ireo fandosiran'ny atleta fito amin'ny 33 nandrafitra ny delegasiona Kamerone, no lasa nalaza teo amin'ny fampahalalam-baovao iraisam-pirenena. Na dia ny CNN sy ny New York Times aza (Angl) dia samy nanamarika io vaovao io avokoa. Ireo mpampahalala vaovao Eoropeana tamin'ny ankamaroany, dia nitanisa ny antony ara-toe-karena ho toy ny antony fototra nanosika ireny fandosirana ireny, tahaka izay anamafisan'ilay Kamerone mpanao gazety, Idriss Linge, azy rahateo ao amin'ny tranonkalan'ny Journal du Cameroun :

Ny gazety britanika sasany dia manipika ny hoe mety hanamarina ireny fandosirana ireny ny faniriana te-honina any Eoropa, tontolo iray azo iainana tsara ara-toekarena miohatra amin'ny any an-tanindrazany. Mitanisa loharano Kamerone iray ny masoivoho Associated Press (AP), mba hanohanany izay fomba fijery izay, nampahatsiahy fa i Kamerona, araka ny tatitry ny Tahirim-bola iraisampirenena FMI, dia firenena iray izay ny maro amin'ny mponina ao aminy dialatsaky ny 700 FCFA isan'andro.

Ary tsy izy ireo ihany no mieritreritra toy izany.

Kianja haolo ao Kamerona: Sary avy amin'i 10b travelling ao amin'ny Flickr ( CC-License-BY-NC)

Tonga fotsiny ireny fandosirana ireny mba hampibaribary ny disadisa mahazo ny tanora Kamerone iray manontolo. Araka izany, raha ny filazan'ilay Kamerone bilaogera, Florian Nguimbis, tsy tokony homena tsiny ireny atleta ireny, fa ny rafitra iray manontolo mihitsy. Mikasika an'io dia manoratra izy hoe :

Mampalahelo na izany aza ny mahita ny firenentsika lasa fonja izay itadiavan'ny maro ny fomba hahafahany mandositra azy amin'ny fomba rehetra mihitsy. Inona no azo anatsiniana ireny tanora ireny? Ny tsy nahasahiany ve? Efa mba tonga tany amin'ny JO aloha ry zareo, tamin'ny sandan'ny ezaka ho tafita. Atleta ireo. Olona nandray an-tànana ny làlam-piainany ary nanokan-tena tamin'ny fanaovana fanatanjahantena avo lenta. Saingy izao, ny nono nantenaina hamoky azy ireo no hita fa voapoizina. Ny iray tamin'izy ireo, Edingue, dia mpilomano, ary isan'andro, manontany tena aho ny amin'ny fomba nataon'ilay tovolahy io hahatongavana tany amin'ny lalao olaimpika. Nikaroka ihany aho tao an-tsaiko tao, fa tsy nahita dobo filomanosana manana fenitra olaimpika mihitsy teto amin'ity firenena ity.

Toy izay ihany koa ho an'ireo mavesa-danja amin'ity andiany ity, ireo mpanao ady totohondry. Tsy fantatro na mba mahalala ny “camp de l’unité” ianareo, ilay tempolin'ny ady totohondry ao  Yaoundé. Trano ntaolo be, maloto, toy efa hirodana, maizina. Toerana iray tsy mahasalama akory izay ezahan'ireo vitsivitsy fatra-mpandàla ady totohondry mba karakaraina araka izay tratrany, tsy misy fitaovana na vola, hanomanany andian-taranaka tanora izay tsy manana afa-tsy ny faniriany ho toy ny hery manosika. Saingy na izany aza no zava-misy, mpanao ady totohondry roa no nahazo medaly tamin'ireo lalao afrikana farany teo, izay volamena ny iray!

Ary ampiany, tahaka ny hoe ho enti-manamarina ny fandosiran-dry zareo  :

Ahoana no hanenjehana an-dry zareo ? Lasa filàna mihitsy ny filefàna, adidy iray. Milefa na Maty. Milefa na mijery ny talentany miala aina mandra-pahalàsany ho fahatsiarovana manelohelo mandravaka ireo takariva difotry ny alikaola any anaty trano fisotroana tsy manjary any… ! Tsy henatra ho an'i Kamerona izany, na ho an'ny ankamaroan'ny vahoakanay. Ao ireo tomponandraikitra. Miafina ambany aloka nefa fantatra ihany. Ireo  “vautours”, ireo “vampires” izay mitsentsitra tsikelikely saingy am-pahamalinana ny ràn'ny tanora, ny fanantenany, ny nofinofin'izy ireo.

Ndeha hilaozantsika ireo mpanao fanatanjahantena. Firy ireo tanora no misitraka vatsim-pianarana sy tsy miverina intsony? Firy ireo mpitsabo mandeha manao fiofanana ka mahita fa mora kokoa ny mikirakira ny fitaovam-pandidiana  “bistouri” any Eoropa noho ny ao Kamerona ?

An'iza ny hadisoana ?

Talohan'ny fanombohan'ny  JO, ny iray tamin'ireo atleta, ilay mpanao ady totohondry, Thomas Essomba, dia miteny momba ny olana natrehany nandritra ny fanomanana:

Manohintohina na tsia ny sarin'ny firenena, marobe ny Kamerone  no manohana ireo atleta ireo. Tsy tokony horaisina ho toy ny famadihana tanindrazana ireny filefàna ireny, ny firenena izay nampiasa ny volan'ny mpandoa hetra mba handoavana ny fivahinianan-dry zareo tany Londona. Tokony ho maso hafa no entina mijery azy ireny. Tsy ireny atleta ireny no tokony homena tsiny. Farafaharatsiny, tsy betsaka noho ny an'ny rafitra misy ao Kamerona izay manosika ny tanora hitady izay hifindràna any Eoropa amin'ny fomba rehetra, na ny faniriana hijanona any rehefa tonga any ihany ry zareo, tsy raharahaina izay loza mety ho atrehany isan'andro any.

Foen-dakolosy toy izay ihany, avy amin'i Josué Jean-René Mambo Moussio II izay, ao anaty fanehoan-kevitra iray navoaka tao amin'ny Facebook, mihevitra fa tsy manimba velively ny sarin'i Kamerona ireny atleta ireny. Farafaharatsiny, tsy betsaka noho izay efa ananany rahateo :

Fa mba sary toy inona moa no asehon'ny firenentsika, izy tenany mihitsy, eo imason'izao tontolo izao??? Raha hisafidy ny hiaina tsy manana taratasy any Eoropa miaraka amin'ny fanantenana ampitso tsaratsara kokoa, na hiaina aty Afrika tsy misy fanantenana, haingana be dia vita ny safidiko… fahantrana sy fahantrana no misy … isika tsy manan-jo hitsara olona manandrana amin'ny fomba rehetra hiala amin'ny isan'androm-piainana tsy azo antoka na amin'ny fomba ahoana na fomba ahoana, resaka na maty na velona ity, ary izaho dia mirehareha amin'ireny olona izay afaka nanana safidy ireny, ary nisafidy fiainana nofinofy, toy izay fahafatesana azo antoka.

Na izany aza, tsy vao izao io trangan-javatra io no nisy, araka ny ambaran'ity mpikirakira aterineto ity, izay mitanisa lahatsoratra iray nivoaka tao amin'ny le Figaro momba io raharaha io, ao anaty sehatra iray kamerone fifanakalozan-dresaka :

Ny filefàn'ireo atleta mandritra ny fifaninanana iraisam-pirenena dia efa fomban-drazana mahazatra hatry ny ela. Nandritra ny ady mangatsiaka, tena noraisin'ny firenena tandrefana tsara tokoa ireny fandosirana ireny. Tamin'ny JO 1956 tany Melbourne, hongroa mpanao fanatanjahantena niisa 45 no nanararaotra ilay fifaninanana iraisam-pirenena mba hangatahana fialokalofana, niaraka tamin'ny fanohanan'i Etazonia. Saingy tsy dia tsara fandray tahaka izany intsony ireo firenena manan-karena ary efa maso hafa sy ratsy no itazànany ity fomba fanao miverimberina ity.

Kanefa, ny anton'ny filefàn'ireo atleta afrikana mandritra ny hetsika toy itony dia mety koa indraindray ho ara-politika. Ary amin'izay fotoana izay, tsy irery ry zareo Kamerone.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.