Etiopia: Aiza i Meles Zenawi?

Nibahana be ny habaky ny media sosialy nandritra ny herinandro maro ny momba ny fahasalaman'ny Praiminisitra Etiopiana Meles Zenawi ary niteraka fanontaniana mikasika ny hoavin'i Etiopia rehefa tsy eo izy.

Tsy dia hitahita i Zenawi hatramin'ny fihaonan'ny G20 izay natao tany Mexico tamin'ny Jona. Tsy nanatrika akory ny Fihaonana tsy ara-potoana faha-21 n'ny Fiombonambe Afrikana aza izy izay atao any Addis Ababa hatramin'ny 16 Jolay 2012.

Nizara ny fahitan-dry zareo izay fahasalamany sy tsy fahitàna azy izay any anaty Twitter sy Facebook ireo mpiondana aterineto. Manontany tena ireo mpampiasa ny media sosialy ny amin'ny antony tsy hiresahan'ireo fampahalalam-baovao mahazatra ity tantaran'ny fahasalamany sy izay misy azy ity.

Janice Winter nibitsika hoe :

‏@janice_winter: Mba taitra ve ireo iraka manokan'ny avy any ivelany ao Addis Ababa ? Aiza izay vaovao amin'ny teny Anglisy momba ny olana ara-pahasalamana sy ny tsy fahitàna an'i Zenawi amin'ireny lanonam-bahoaka karakaraina ireny?

Meles Zenawi tany amin'ny Vovonana momba ny Toekarena Erantany tao Dar es Salaam, Tanzania, May 2010. Sary: World Economic Forum (CC BY-SA 2.0).

Ao amin'ny pejiny Facebook i Desta Wegegnaw dia nanontany [amh] nitovitovy tamin'izay:

ኧረ ወሬው ከምን እንደ ደረሰ ንገሩን? ዶይቸ ቬሌም ቪኦኤም ምነው ፈሩሳ የጠቅላያችንን የጤና ጉዳይ መንገር? ማን ይሙት አሁንም አልሰማንም ሊሉ ነው? ድንቄም::

Deutsche Welle na DW sy Voice of America (VOA), matahotra ny hilaza aminay ny marina momba ny fahasalaman'ny Praiminisitra ve ianareo? Sa tsy naheno momba izany? Eso re izany!

Abiye Teklemariam ao anatin'ny hàfany lavabe ao amin'ny Facebook dia  nandefa fisainana hoe:

Tobaky ny honohono momba ny tsy hahaveloman'i Meles Zenawi ny Facebook. Ny ankamaroan'ireo mari-pamantarana rehetra eny an-kianja ao Etiopia dia manondro ny fitondrana ho toy ilay fitenin'ireo mpandalina ara-politika hoe “Loza Telo Mananontanona”. Ny endrika asehony dia ahitàna fahefa-miaramila matanjaka izay mazàna ampiasaina ho toy ny alaolana farany hampanjakana ny hambom-po politika, mpifehy matanjaka nivoaka avy amin'ny tafika, ary antoko manana sarintsarim-pilamatra izay miezaka mitàna ny firaisankina hafahafany. Ny hoe “Loza Telo Mananontanona” dia tahaka ny jadon'olon-tokana izay tsy amelan-dry zareo ireo olona mipongatra sy tohanan'ny avy any ifotony ho afa-mitroatra hanohitra ny fifehezan'ny fahefana jadona.

Nefa raha toa tsy ho vitan'ny jadon'olon-tokana loatra ny hitohy hiaina aorian'ny fahafatesan'ilay mpanao jadona, ny “Loza Telo Mananontanona” dia manana fahafahana miavaka hanoherany ny dona na dia aorian'ny fahafatesan'ilay mpitondra matanjaka aza noho ny rafitra sy ny fahefan'ny miaramilany. Ao Etiopia, ny tafika dia narafitra mihitsy hanasarotana ny fahafahan'ny hetsika itambaramben'ny fanoherana miainga avy ao anatiny, nefa kosa hahamora kokoa ny fanetsehana ny olona sy ny fitaovan'ireo mpanohana ny fitondrana. Heveriko fa raha maty i Meles, ny ho hitantsika dia ny fihetsehana faran'izay malaky hataon'ireo mpomba ny fitondrana ao anatin'ny tafika hanakendana ny fihokoan'ireo ao anatiny sy ny hetsi-bahoaka mety hitranga tampoka eny ivelany. Raha nisy anie hery mpanohitra tsara rafitra afaka ny ho tsindrin'entam-pahefana tao Etiopia, mety ho niatrika fanamby goavana ihany ny tafika ary mety ho nilefitra ihany. Raha tsy misy ivon-kery azo isafidianana toy izany, ny zavatra ahiako dia ny ho fanamafisana malaky ny fahefana sy ny fiverenana any aminà fitondrana henjana sy mpamoritra kokoa. Mbola làlana lavitr'ezaka ny hilazàna amin'ny vahoaka mikatsaka demaokrasia ao Etiopia hoe tsy tokony hientanentana tafahoatra mikasika ny fahafatesan'i Meles Zenawi raha tsy efa vitantsika ny entimodintsika.

Fanamarihana tsy fahafahana manome fahafaham-po  no voarain'i Daniel Berhane avy amin'ny manampahefana iray ao amin'ny governemanta rehefa niezaka hahalala misimisy kokoa mikasika ny fahasalaman'i  Meles Zenawi izy:

Nanao izay tratro aho hahafantatra misimisy kokoa mikasika ny fahasalaman'i Meles Zenawi ary ny valinteny azoko dia azo fintinina amin'ity fanamarihana tsy fahafahana manome fahafaham-po avy aminà manampahefana iray ity :

“fa inona loatra no mahazo an-dry zalahy [media?] ireto…tsy afaka miaina tsy misy honohono ve ianareo….fa tsy mba afaka maka aina angaha ny olona? reraka fotsiny izy……tsy hiteny na inona na inona izahay satria tsy ilaina akory izany. Afaka andro vitsy rahateo dia hahita azy ianareo…..”

Zelalem Kibret dia nanangona ireo fanehoan-kevitra tao amin'ny Twitter ho ao amin'ny Storify mitondra ny lohateny hoe “Meles, Aiza Ianao?”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.