Palestina: Fitokonana Faobe Tsy Hihinan-kanina Ataon'ireo Voafonja

Nanomboka fitokonana tsy hihinan-kanina mandritra ny fotoana tsy voafetra ireo gadra Paletsiniana ny 17 Aprily teo mba hanoherany ny fepetra fihazonana any amin'ireo fonja Israeliana. Ilay natomboka tany am-boalohany ho toy ny hetsi-panoheran’olom-bitsy no nitombo amin'izao fotoana ka lasa misy mpandray anjara an'arivony (miaraka aminà tarehimarika miovaova eo anelanelan'ny 1.400 sy 3.000). Marobe amin'ireo mpifonja izay nanomboka ny fitokonany tsy hihinan-kanina tany am-boalohany mihitsy ankehitriny no tandindonin'ny fahafatesana.

Misy maherin'ny 4.000 ireo gadra Palestiniana any amin'ny fonja Israeliana, ary manodidina ny 320 no notanana tsy misy fiampangàna na fitsaràna noho ilay antsoina hoe fitazonana vonjimaika.

Niharatsy nanaraka ireo taona nifandimby ny toe-draharaha any amin'ireo fonja Israeliana. Ireo voafonja dia mangataka ny hitsaharan'ny fanokanan-toerana, ny fitànana vonjimaika sy ny fepetra famaizana. Efa nisy ny hetsi-panoherana nitranga tany aloha tany, saingy hafa kosa ity fitokonana ity, sahala amin'ny anarahany ilay voalaza fa fitokonana notaterina be indrindra nataon'i Khader Adnan.

Joseph Dana, bilaogera sady mpanao gazety, dia nanoratra mikasika ny tranga Adnan tamin'ny Febroary:

Ny tantaran'Ing Adnan no endrika isehoan'ny fepetra fihazonana ireo Palestiana maro any amin'ireo fonja Israeliana. Milaza ho niharan'ny daroka sy fanalàm-baraka nataon'ireo miaramila Israeliana izy fony voatàna, ka nanomboka ny fitokonany tsy hihinan-kanina mba ho fanoherana.

Fahafahana ho an'i Bilal Dhiab sy ireo gadra rehetra. Sary avy amin'ny pejy Facebook ' Hana Shalabi daholo izahay rehetra'.

Namarana ny fitokonany tsy hihinan-kanina tamin'ny Febroary izay naharitra efa ho 66 andro i Khader Adnan, rehefa  nanaiky hanafaka azy ny manampahefana Israeliana tamin'ny 17 Aprily. Gadra iray hafa, Hana Shalabi, no namarana ny fitokonany tsy hihinan-kanina 40 andro taty aoriana taorian'ny nandefasan'ny manampahefana Israeliana azy an-tsesitany azy tao Gaza.

Ao anatin'izao fitokonana ankehitriny izao dia gadra roa, Bilal Dhiab sy Thaer Halahleh, no tena tandindonin'ny fahafatesana.

Ireo vaovao mikasika ilay fitokonana tsy hihinan-kanina sy hetsika ho firaisankina dia azo jerena ao amin'ny Twitter amin'ny tenifototra #PalHunger.

Ny Fikambanana Addameer ho Fanohanana ireo Gadra sy Mpiaro ny Zon'Olombelona miasa ao Ramallah dia nandefa bitsika fanavaozam-baovao mikasika ilay fitokonana :

@Addameer_ps: Ao amin'ny fonjan'i Ohalei Keidar, nafindra hitoka-monina aminà efitrano hafa ireo 96 nanao fitokonana tsy hihinan-kanina, gadra 2 isaky ny efitra 1 . #palhunger

@Addameer_ps: Gadra 220 no mitokona tsy hihinan-kanina ao amin'ny fonjan'i Ofer . #palhunger

@Addameer_ps: Gadra Palestiniana 105 no mitokona tsy hihinan-kanina ao amin'ny fonjan'i Eshel #palhunger

@Addameer_ps: Tadiavina ilam-baniny isan'andro ireo mpitokona tsy hihinan-kanina ao amin'ny fonjan'i Naqab, tafiditra anatin'izany ny fibosesehana any anatin'ny efitranon-dry zareo sy fisavana ny eny an-kodiny#palhunger

@Addameer_ps: Mihevitra ny Addameer fa eo anelanelan'ny 2.000 sy 2.500 ankehitriny ireo gadra mitokona tsy hihinan-kanina, nefa mety mbola ho maro noho izany #palhunger

Walaa Al Ghussein ao Gaza nibitsika hoe:

@WalaaGh: Ny fofombadin'ny nenitoako dia efa miditra amin'ny andro faha-20 nitokonany tsy hihinan-kanina izao , Miandry azy izy vao hanambady. Tsy iriany ny hahafaty azy! #PalHunger #Palestine

Ilay mafàna fo, Ali Abunimah, nanamarika hoe :

@AliAbunimah: Ireo mpampahalala vaovao avy any Andrefana dia mitohy hatrany mitaky ny  “Gandhis Palestiniana.” Amin'ny fotoana izay isian'ny gadra politika 2000 mitokona tsy hihinan-kanina odian-dry zareo tsy fantatra akory. #PalHunger

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.