Iran: Herinandron'ny Graffiti-n'Adala Ho An'ny Gadra Politika

Niantso ny rehetra hampiasa stansily ho fanomezam-boninahitra ny gadra politika Iraniana ny vondrona Facebook antsoina hoe  Mad Graffiti Week Iran [Herinandron'ny Graffiti-n'Adala ao Iran] ny voalohany ka hatramin'ny fahafito Avrily.

Mametraka ny diampeniny eny amin'ny akanjony, fefy, tranony ary izay itafiany ny olona.

Nakana hevitra sy tohanan'ny “Mad Graffiti Week” Ejipsiana ity hetsika ity ka nahazo mpanaraka an'arivony ho fanoherana ny fitondra-miaramila amin'izao fotoana.

Mampifandray ny tontolo virtoaly sy ny andavanandrom-piainana

Toy izao hita amin'ny YouTube izao ny dingana arahina amin'ny fanaovana stansily sy ny fampiasana azy an-davanandro.

Indreto ny sary maromaro maneratany nifampizarana ao amin'ny Rakitsarin'ny Mad Graffiti Week Facebook ahitana ny fomba anohanan'ny olona ilay fandraisana an-tanana.

Amsterdam

Mad Graffiti Week for Iran in Amsterdam

Oakland, California

 

A Free Bahareh stencil during Mad Graffiti Week Iran

Washington DC
Mad Graffiti Week for Iran in Washington DC

Hita tany amin'ny tanàna maro any Holandy, nouvelle Zellande,Soeda, Ejipta ary Etazonia sy ny maro hafa ny Graffiti hanafahana ny gadra Iraniana, ahitana ny sarin-tavan'ny gadra politika fahitantsika mahazatra an-tserasera hivoaka eny amin'ny andavanandrom-piainana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.