Ginea-Bisao: Sarin'ilay Mpaka Sary

Manana anjara asa goavana ny Fakantsary nomerika ao anatin'ny tetikasan'ny Rising Voices “Youth Voices of Bandim and Enterramento” any Ginea-Bisao, ary  tahaka ny fihiratan'ny maso ho an'ny sasany ny fitazonana kamera voalohany indrindra eo amin'ny fiainany.  Nisarika ny sain'ny ONG iray ao an-toerana, izay nihevitra fa naka tsara ny fototry ny fampiasàna ny mediam-bahoaka hanampiana ireo mponina any an-toerana hitantara ny fiainany manokana ity sarin'i Ampote Mango ity, izay iray amin'ireo mpandray anjara ao anatin'ilay tetikasa.

Voalohany indrindra teo amin'ny fiainany i Mango no nampiasa kamera nandritra ilay fivoahana haka sary nataon'ireo mpiara-monina manodidina an'i Enterramento tamin'ny 2011. Ohatra iray amin'ireo sary nalainy sy ireo hafa tamin'io andro fivoahana io tany amin'ny tsena ity sary ity.

Izany dia ampahany aminà fampirantiana iray natao tany amin'ny Casa dos Direitos (Tranon'ny Zon'[Olombelona]) nandritra ny fanokanana ofisialy azy ireo tamin'ny faran'ny Febroary 2012. Mijanona ho hitan'ny maso any amin'ny toerana misy azy ireo ireo sary manazava ny zon'ny vehivavy any Bissau ireo.

Fiaraha-miasanà ONG Bisao-Gineana maro ity tetikasa ity, ohatra amin'izany ny fikambanana AMIC ao amin'ny Rising Voices, sy ireo ONG Paortigey, tahaka ny naman'ny Rising Voices ACEP, izay hiasa amin'ny fampiroboroboana ny zon'olombelona any amin'ireo sehatry ny fiarahamonina rehetra. Ny ampahany betsaka amin'ireo fikasan'io foibe io dia ny fampiasana ny kianja handrisihana ny famoronana ny mediam-bahoaka avy amin'ireo mpikambana ao aminy mba hanampiana ny fisoloana vava hanajana ny zo mahaolona azy ireo. Azo jerena ao amin'ny kaonty Flickr an'ny Casa ireo ohatra-na atrikasan-dahatsary nomerika sy ireo atrikasa-na  fitorahana bilaogy. Ny manitikitika ny saina dia fonja io foibe io nandritra ny vanim-potoanan'ny didy jadona, nefa ankehitriny ampiasaina hampiroboroboana ny zon'olobelona any amin'ny fiarahamonina Bisao-Gineana. Azonao jerena ihany koa ato ny fiovan'ny tranobe hitanao eo ambany io.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.