Myanmar: Eritreritra Momba Ny Voka-pifidianana

Nanao ny fankalazàna teny an-dàlambe ny mpifidy raha naneho ny fankasitrahany ny vokatry ny fifidianana tao amin'ny facebook kosa ireo mpampiasa aterineto izay hita fa tena fandresena goavana sahady ho an'ny antoko mpanohitra.

Nampiseho ny vokatra [my]  fa 43 tamin'ireo toeran'ny parlemanta miisa 45 no lasan'ny mpanohitra National League for Democracy (NLD), ka taanatin'izany ny iray ho an'ny mpitarika azy sady olomanga maneratany Aung San Suu Kyi. Na dia eo aza ny isan'ny toerana azon'ny mpanohitra dia maivana izany raha ampitahaina amin'ny totalin'ny toerana misy ao amin'ny parlemanta izay miisa 600, mino ny olom-pirenena ao Myanmar fa tetezamita mankany amin'ny demokrasia ny fandresen'ny mpanohitra nilatsaka ho fidiana.

Nanamarika i Wai Soe tamin'ny fifaliana lehibe fa saika miresaka momba ny fifidianana avokoa ary tsy misy momba ny andron'ny ‘fetin'ny lainga’ nandritra ny fifidianana ny ankamaroan'ny fanehoan-kevitra ao amin'ny facebook:

Aung San Suu Kyi

Aung San Suu Kyi

Androany aho tena faly satria izay rehetra hitako tao amin'ny pejin'ny facebook dia tsy “fetin'ny lainga” ………… 🙂 🙂 🙂 ♥ ♥ ♥ ,,, tsikitsiky daholo no eny amin'ny tarehy

Naneho tsotra fotsiny ny hafaliany tamin'ity fehezan-teny ity i Su Myat Lwin hoe :

Mandresy isika e!

Ny teny hoe “isika” dia mety midika ho vahoaka Myanmar maherin'ny 50 tapitrisa.

Faly Ireo mpifidy nandray anjara tamin'ny fifidianana ny taona 1999 izay nandresen'ny NLD fa mbola nahomby ny antokon'i Aung San Suu Kyi tamin'ity taona ity. Fa ho an'ireo mpifidy mbola tanora, indrindra fa ireo mpifidy vao sambany, maro no nirehareha ny amin'i Zay Yar Thaw, iray amin'ireo mpisava lalana efatra amin'ny mozika Hip-Hop ao Myanmar, izay nahazo toerana iray ho an'ny NLD. Nandefa sarin'ny namany iray izay nataon'i Linn Yaung Yan Yan Chan, mpihira rap avy any amin'ny tarika ACID music.

Navoakan'i Than Thar Win, mpihira malaza, ny fihetsiketsehana sy ny fankalazàna teny an-dàlambe teo amin'ny toerana nisy ny Foiben'ny NLD:

ndeha miverina mody.. Mankalaza eto alohan'ny Birao Foiben'ny NLD ny vahoaka eto amin'ny Shwegone dine. Yayyyy!!!

Na dia teo aza ny fankalazàna makotrokotroka nataon'ny vahoaka, dia nandefa mpampahatsiahy[my] ireo solontenan'ny antokony mba hialàna amin'ny fihetsika mety hampihen-danja ny antoko sasany sy ny mpikambana ao aminy.

Etsy ankilany, misy sasantsasany manasongadina ny filana fanovàna bebe kokoa ny fitantanana amin'ny alàlan'ny fandraisana io   fahombiazana azo avy tamin'ny fifidianana io ho dingana lehibe voalohany amin'ny dia mankany amin'ny demokrasia. Maneho ny heviny [rohy maty] ao amin'ny lahatsoratra nozarain'i Nyein Chan Htwe i Cho Zin Wint:

Eny, mila mahazo an-tsaina isika rehetra fa mety maka fotoana indraindray ny fanovana. Tsy tokony hanantena be loatra isika..

Nizara ny fihetsepony sy ny eritreriny amin'ny ho avin'ny fireneny i Myint Mo Oo :

Ny andro niandrasantsika. Tanteraka ihany ny nofinofintsika. Adidintsika ankehitriny ny miray hina, mihazona ny fitsipi-pifehezana ary ny ho feno fifanajàna eo amintsika samy isika hananganana ho avy mamiratra eo amin'ny firenena sy ny mponiny.

Mandritra izany fotoana izany, nalaza ny tenifototra “Aung San Suu Kyi” any amin'ny Twitter noho ny sehatra iraisampirenena liana  tokoa tamin'ny fifidianana tao Myanmar. Namoaka [efa maty ny rohy] ny pikantsarin'ny fironana Twitter manerantany ahitana an'i Aung San Suu Kyi i Tracy Nang:

Miozongozona aho. Tsy mbola mino aho hatramin'izao. Nanandrana foana izahay ny hampalaza ny anarany. Toa nofinofy izany ankehitriny!!!!! Aung San Suu Kyi, 7 voalohany, FIRONANA MANERANTANY.

Taorian'ny fanamafisan'ny fampahalalam-baovaon'ny fitondrana  MRTV ny vokatra, nanova resaka niala avy amin'ny resaka fifidianana mankany amin'ny olona 100 faratampony nolazain'ny TIME ho manana herimpanahy amin'ny vahoakany amin'ny 2012 izay sady ahitana ny filohan'i Myanmar no ahitana ny mpitarika ny mpanohitra ao amin'ny firenena ny mpiserasera.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.