Hong Kong: Lavin'ny Vahoaka Ny Fifidiana Ben'ny Tanàna Tsy Tamin'ny Fomba Demaokratika

Amin'ireo tale mpanatanteraka 1.200 mpikambana amin'ny kaomitim-pifidianana ao Hong Kong, 689 no nifidy an'i Leung Chun-ying ho ny ben'ny tanàna manaraka ny 25 Martsa noho ny tsindry aloka sy resaka an-jorony nataon'ny Biraom-paritry ny Governemantam-bahoaka foibe ao Hong Kong. Rehefa navoaka ny valim-pifidianana, an'arivony ireo mpanao fihetsiketsehana nanohitra ny fanodinkodinana ny fifidianana nataon'i Beijing teo ivelan'ny biraom-pifidianana vonjimaika.

Ilay sarintsarina fitsapan-kevibahoaka

Talohan'ilay fifidianana, teo anelanelan'ny 23-24 Martsa, maherin'ny 220.000 ireo olom-pirenena tao Hong Kong no nandray anjara taminà sarintsarim-“pitsapan-kevibahoaka” nokarakarain'ny Public Opinion Programme avy amin'ny Anjerimanontolon'i Hong Kong mba hanehoana  ny tsy hafalian-dry zareo manoloana ilay fifidianana nataon'olom-bitsy sy hanamafisan-dry zareo ny zony hifidy izay ho ben'ny tanànany.

Na dia voatafik'ireo mpijirika aza ny rafitra fifidianana tety anaty aterineto, an'arivony ireo mpifidy manan-jo (mponina any an-toerana feno 18 taona no mihoatra) no nisisika hilahatra teo ivelan'ny biraom-pifidianana mba haneho ny safidin'izy ireo:

Polling station at Poly University on March 24. From Facebook Page: Civic Referendum

Biraom-pifidianana tao amin'ny Anjerimanontolo Poly ny 24 Marsta. Avy amin'ny pejy Facebook : Civic Referendum (Fitsapan-kevibahoaka)

i Leung Chau Ming, mpampiasa Facebook, dia nilahatra teo ivelan'ny iray tamin'ireo biraom-pifidianana tamin'ny 23 Martsa;  nosoritsoritany [zh] ny zava-nisy nampihetsi-po tamin'ny hetsiky ny pejy Facebook an'ny civic referendum:

當時我身在其中, 寒風中大家也很自律, 有老中青, 更有媽媽在邊排隊邊給小朋友餵飯。

深明今天所為, 從64至71到323 etc., 未會於 有生之年 見証 民主之成果; 但為下一代…下兩代…下下下N代,我們是有責任的, 亦是 每個香港人 此時此刻 應盡的義務!

Tao anaty filaharana ao. Nijanona nilahatra izahay na teo aza  ny rivotra n ifafy. (Nisy) zokiolona, olon-dehibe sy tanora. Renim-pianakaviana iray no sady mampinono ny zanany lahy no milahatra ihany koa. Azoko tsara mihitsy fa na eo aza ireo tolona sy famoriam-bahoaka amin'ny 4 Jona [fiaraten-tory isan-taona miaraka aminà labozia], 1 Jolay, ary [amin'ity taona ity] 23 Martsa [famoriam-bahoaka hanoherana ny fijabahan'i Beijing amin'ny fifidianana], sns, dia tsy ho amin'izao andro iainantsika izao no hahitantsika ny vokatry ny demaokrasia, fa ho an'ireo taranatsika ho avy, ny taranaky ny taranatsika any aoriana,… N taranaka miala amin'ny ankehitriny!

Thomas Pang dia tao anatin'ilay laharana nisy an'i Leung ary izy dia  nanazava ny antony nanapahany hevitra hilahatra tamin'ilay sarintsarim-pifidianana :

IZANY ALOHA NO ZAVA-MISY SAINGY MITADY FIOVANA ISIKA. TSY ILAINTSIKA INTSONY NY  “KARAZANA POLITIKA AN-DAPA AMIN'NY FOMBA SHINOA” ANY MORE. IZANY NO ANTONY NIVOAHANAY MBA HIFIDY. ATAONAY IZAO SATRIA TSY TIANAY MBOLA HANDIA NY TOY IZAO INDRAY NY TARANAKAY ANY AORIANA. ANTENAIKO FA HO TAKATR I LOSO IZANY.

Azo nisaina hoe 222.990 teo ny olona nifidy tamin'ilay sarintsarim-pifidianana, ka ny 54.6% tamin'izany dia nanao vato fotsy. i Leung Chun-ying tsy nahazo afa-tsy 17.8% tamin'ny vatom-pifidianana, tena mifanohitra lavitra tamin'ny vokatra azon'ilay fifidianan'olom-bitsy, izay natao tao amin'ny Foibe Fampirantiana sy Kaongresin'i Hong Kong.

Hetsi-panoherana teo ivelan'ny lapan'ny tanàna ny 25 Martsa

Ny 25 Martsa, maherin'ny 2.000 ny olona nanao hetsi-panoherana teo anoloan'ny biraom-pifidianana vonjimaika. Tezitra tamin'ny fandresen”i Leung, novakian-dry zareo ny sakana nataon'ny polisy. Ireto ambany ireto ny sary sasany avy tao amin'ny inmediahk.net nalain'ireo olon-tsotra manao gazety tena amin'ny toerana nisian'ny hetsi-panoherana:

Protesters pushing the police barricades on March 25. Image by Flickr user inmediahk (CC BY-NC).

Mapnao hetsi-panoherana mandrava ny sakana nataon'ny polisy ny 25 Martsa. Sary avy amin'i inmediahk, mpampiasa Flickr (CC BY-NC).

Protesters sitting outside the election hall. Image by Flickr user inmediahk (CC BY-NC).

Mpanao hetsi-panoherana mitorevaka eo anoloan'ny efitrano fifidianana. Sary avy amin'i inmediahk, mpampiasa Flickr (CC BY-NC).

No to the small circle election: the Pig, the Wolf and the Dove. Image by Flickr user inmediahk (CC BY-NC).

Tsy mila fifidianan'olom-bitsy: ny Kisoa, ny Amboadia, ary ny Voromailala. Sary avy amin'i inmediahk, mpampiasa Flickr (CC BY-NC).

Joshua Wong, tanora iray mafàna fo, nandinika tsara ilay hetsi-panoherana ary naneho ny hadisoam-panantenany [zh] noho ny tsy fahazotoan'ny olona hihetsika:

還記得今天在會展外的馬路坐下時,忽然有人大叫:「梁振英當選!」,群眾們立即站立起哄,面上流露著驚訝的神情。我本身對梁振英當選也有心理準備,但也想不到他可在第一輪投票以689票立即當選。

回家時十分痛心,我痛心的不是梁振英當選,我痛心的是大家的那種犬儒和事不關已的心態,「邊個做特首都唔關我事,平平安安和和諧諧咪算」、「懶衝動只會搞到政局亂哂搞臭香港個名」、「抗爭完都無用架啦」、「呢個世界邊有真正民主」……

我很想告訴大家,梁振英當選並不可怕,可怕的是大家對強勢政治和硬推政策無動於衷,即使將來對遊行集會的打壓會越來越強,但我乃我始終如一地相信群眾運動的力量,特別很想告訴各位同學和朋友,嘗試第一次的社會行動,把握今年的七一遊行,讓大家以一個又一個足印,告訴中共政權,我們不要這個由小圈子選舉產生,只有18%認受性的梁振英特首。

Tadidiko ilay izaho nitorevaka teo amin'ny arabe ivelan'ny foibe iny, nisy olona nihoraka tampoka, ‘CY Leung no nandresy!’ Nitsangana daholo ny olona ary nitrerona. Zendana izy ireo. Izaho efa nahafantatra ny handreseny, saingy tsy niandry azy hivoaka handresy tamin'ny fihodinana voalohany tamin'ny vato 689.

Vaky fo aho nony nandeha nody, tsy hoe noho ny fandresena azon'i Leung, fa ny fahatsapana fanaovana tsinontsinona sy tsy firaharahiana : ‘na ho iza na ho iza no ho Filoha Mpanatanteraka, tsy olana hoahy, raha mbola tsara antoka sy milamina [ny fiarahamonina] ‘, ‘Ny fitroarana tsy am-piheverana dia hitarika mankany amin'ny korontana ara-politika sy fanimbàna ny sarin'i Hong Kong.’, ‘Tsy misy ilàna azy akory ny hanaovana hetsi-panoherana’, ‘Tsy msy ny tena Demaokrasia na aiza na aiza eto an-tany'…

Tena tiako ny hiteny aminareo rehetra fa, ny fandresen'i Leung dia tsy misy tokony hatahorana ; ny tena mahatahotra dia ny tsy firaharahian'ny olona manoloana ny loza mitatao amin'ny hery politika tsy refesi-mandidy. Na dia mitombo foana aza n y teritery atao amin'ny fahalalahana miteny sy ny fahafahana manao fivoriana, mbola matoky hatrany ny herim-bahoaka aho. Indrindra indrindra, hitohy handrisika ny mpianatra sy ireo namana aho mba hanatevin-daharana ny hetsika sosialy, indrindra fa mba hahay hanararaotra ny famoriam-bahoaka hatao ny 1 Jolay ho avy izao. Mba ho hitan'ny fitondràna Kaominista Shinoa ny dian-tongotsika milaza amin'izy ireo fa tsy ilaintsika ny hanana an'i Leung Chun-ying ho Lehiben'ny Mpanatanteraka,  izay “voafidin'”ny vondron'olom-bitsy ary tsy nahazo afa-tsy 18%-n'ny fanohanan'ny vahoaka.

Fihetsiketsehana iray hafa manohitra ny fitsabahan'i Beijing amin'ny politika anatiny no natao ny fa

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.