‘Mujeres Construyendo': Fampivoarana Ny Vehivavy, Bilaogy Iray Amin'ny Fotoana Iray

“Una bloguera es, ante todo, una mujer valiente, que se atreve y se compromete. ¿Por qué? Porque a través de su blog se expresa, dice lo que piensa, siente, lo que es. Si tiene miedo de hablar o darle cuerpo a sus ideas, enfrenta ese miedo y lo supera.”

- “¿Quién es una bloguera?”, Mujeres Construyendo

Voalohany indrindra sy alohan'ny zavatra rehetra, ny vehivavy mpibilaogy, dia vehivavy iray mahery fo, sahy sy tena mandray ny andraikiny. Nahoana? Satria amin'ny alalan'ny bilaoginy izy dia afaka maneho ny heviny, milaza ny ao an-tsainy, izay tsapany, ny maha-izy azy. Raha toa izy matahotra hiteny na hametraka ny heviny, atrehany io tahotra io ary ezahany hihoarana.

- “¿Quién es una bloguera?” [es] (Iza moa ny vehivavy mpibilaogy?), Mujeres Construyendo

Saika ny antsasaky ny mpampiasa aterineto ao Amerika Latina dia ny vehivavy no mameno azy. Kanefa, na dia mibahan-toerana betsaka eo amin'ny habaky ny aterineto aza ry zareo, dia tsy manao afa-tsy ny manjifa votoaty no tena ataony. Mujeres Construyendo [es], ilay sehatra voalohany ho an'ny vehivavy mpibilaogy amin'ny teny Espaniola, dia maniry ny hanova ny vehivavy miteny Espaniola ho lasa mpamorona, fa tsy hitoetra fotsiny ho mpanjifa izay votoaty hita amin'ny aterineto.

Ny mpanangana azy io, Claudia Calvin, dia namaly fanontaniana vitsivitsy mikasika io sehatra io sy ny vondrom-piarahamonin'ireo vehivavy bilaogera miteny Espaniola.

Global Voices: Tamin'ny fomba ahoana ary oviana no noforonina ny Mujeres Construyendo ? 

Claudia Calvin: Mujeres Construyendo surge como proyecto en el 2008, después de un tiempo de haberme hecho bloguera. Su origen se encuentra principalmente en mis andares por internet y después de descubrir una realidad que llamó profundamente mi atención: que las mujeres de habla hispana que participamos en internet seguimos transmitiendo en este espacio una creencia profundamente arraigada en nuestra cultura. ¿Cuál es? Aquella que nos inculcaron de niñas y en la que nos decían que “calladitas nos veíamos más bonitas”. Descubrí que nuestra participación como blogueras era muy distinta a  la participación de las blogueras estadounidenses: ellas en la actualidad representan casi un 60% de los blogueros en su país y las blogueras en internet de habla hispana representamos un escaso 27%. Cuando inicié Mujeres Construyendo, la cifra era más desalentadora aún: 15%.

Busqué afanosamente un espacio de convergencia de mujeres blogueras, un espacio que no fuese un directorio, sino un lugar de convivencia, una comunidad como tal. Al no encontrarla, decidí hacerla, y así es como surge Mujeres Construyendo.

Hablé con unos amigos desarrolladores y lograron darle vida a esta idea que tenía en mi mente. La plataforma Mujeres Construyendo surge como tal en el 2009.

Claudia Calvin: Teraka tany amin'ny 2008 tany ny Mujeres Construyendo, taorian'ny vanim-potoana naha-bilaogera ny tenako ihany koa. Teraka tamin'ny fahalinako mitetitety ny habaka aterineto sy mikaroka zava-baovao izay mahasarika ny saiko izy io : ireo vehivavy miteny Espaniola mandray anjara eto amin'ny aterineto dia manohy mampita faharesen-dahatra mifàka lalina ao anatin'ny kolontsainay. Inona izany? Ny faharesen-dahatra novolena tao anatinay hatramin'ny fony naha-zaza anay, ny fihevitra hoe “Arakaraky ny hanginantsika, vao mainka koa isika tsara tarehy”. Hitako fa ny fandraisanay anjara amin'ny maha-bilaogera dia samihafa mihitsy amin'ny maha-vehivavy Amerikana. Izy ireo amin'izao fotoana no manome ny 60% amin'ireo bilaogera ao amin'ny fireneny ary ireo vehivavy bilaogera amin'ny teny Espaniola tsy manome afa-tsy ny 27%. Fony nanomboka ny Mujeres Construyendo aho, somary tsy namparisika ihany ny tarehimarika … 15%.

Nikatsaka fatratra toerana iray hahafahan'ireo vehivavy bilaogera mihaona aho, habaka iray tsy toy ny vatasarihana, fa kosa toerana iray iaraha-mipetraka, vondrom-piarahamonina iray, tahaka ny hatrizay. Rehefa tsy nahita mihitsy aho, dia nanapa-kevitra ny hanangana, ary izay no niteraka ny Mujeres Construyendo.

Niresaka tamin'ireo namana mahay ny famoronana aho ary dia ry zareo no niketrika nitondra ny hevitra narosoko ho tonga tena izy. Ary velona noho izany ny Mujeres Construyendo tamin'ny 2009.

GV: Inona no tanjon'ny Mujeres Construyendo?  Inona no tiany ho tratrarina miaraka amin'ity sehatra fitorahan'ny vehivavy bilaogy ity?

CC: El objetivo de Mujeres Construyendo es que las mujeres aprendamos a hacer uso de las nuevas tecnologías y las herramientas que brinda internet para empoderarnos, crecer, desarrollarnos. Los blogs son una herramienta de empoderamiento para nosotras: nos permite comunicar lo que hacemos, pensamos, visualizamos y participar en un diálogo central en el nuevo espacio público, que es internet.

Hemos participado más como observadoras y consumidoras de contenido que como proveedoras y en este espacio vacío se está perdiendo una enorme oportunidad para construir una realidad que refleje nuestros intereses y manera de entender y participar en el mundo, tanto en el ámbito de lo social, como lo político y empresarial, y ni qué decir de lo personal y familiar.

Las mujeres vivimos muchos tipos de marginación en el mundo, no necesitamos sumar una más a las existentes: la digital.

CC: Ny tanjon'ny Mujeres Construyendo dia ny mba hahafahan'ny vehivavy mianatra mampiasa ny teknolojia vaovao sy ireo fitaovana izay atolotry ny aterineto mba ho hery manosika, hitomboana sy hivelarana. Fitaovana mandrisika ho anay ny bilaogy – ahafahanay mampita ny zavatra ataonay izy ireny, izay saininay, izay hitanay. Ireny dia mamela anay ho afaka mandray anjara amin'ny fifanakalozan-kevitra anaty sehatra natao ho an'ny daholobe, ny aterineto.

Ao anatiny kokoa izahay amin'ny maha-mpanara-maso sady mpanjifa votoaty mitaha amin'ny hoe mpanome tolotra. Tena takona tany ambadiky ny fahafahana manangana ny tena izy isika, izay maneho ny tombontsoantsika sy ny fomba hifankahafantarana ary handraisana anjara eto anivon'ny tontolo, amin'ny lafiny sosialy, hatramin'ny lafiny ara-politika sy fandraharahana, tsy lazaina intsony ny momba ny tena manokana sy ny ara-pianakaviana.

Miatrika karazana fanilikilihana maro ny vehivavy ao anaty fiarahamonina, tsy mila ampiantsika ny fanilikilihama azy eo anivon'ny tontolo dizitaly ireo rehetra efa misy ireo.

GV: Fa maninona no manana lanja be ho an'ny vehivavy ny fananany bilaogy?

CC: Como mencionaba anteriormente, los blogs son una herramienta de empoderamiento en la medida en que posibilitan que las mujeres puedan comunicarse, expresar, proponer y dialogar en internet y con ello contribuir a la definición y construcción de una realidad que refleje sus intereses y visión. Las voces de mujeres en la blogósfera son importantes porque son el reflejo de la mitad de los habitantes del planeta y en el medida en que sean actores sociales, políticos, voten, consuman, tomen decisiones y vivan de manera cotidiana los diversos contextos de su entorno (desde violencia, hasta crisis económicas, pasando por desastres naturales o guerras) su voz es importante. Son actores de la vida cotidiana y su visión y mirada cuentan, valen, reflejan una circunstancia. Su silencio resulta -sin que ellas mismas los sepan- cómplices de realidades sexistas o que marginan y en la medida en que paulatinamente vayan apareciendo y expresando su voz…irá cambiando el entorno. El silencio jamás ha sido socio del empoderamiento.

CC: Araka izay nomarihako tany aloha, ny biloagy dia fitaovana fanomezana hery raha toa izy ireny manome fahafahana ny vehivavy ho afa-miserasera sy maneho hevitra, manolotra soso-kevitra sy mifampiresaka ao amin'ny aterineto. Fitaovana izy ireny entin'ny vehivavy mirotsaka an-tsehatra mamaritra sy manorina ny fiainana izay taratry ny tombontsoany sy ny fomba fijeriny. Ireo feon'ny vehivavy, eny anivon'ny tontolon'ny bilaogy, dia zava-dehibe satria misolo tena ny antsasaky ny mponina eto an-tany. Manana ny lanjany ny feon'izy ireo amin'ny lafiny hoe ry zareo no mpisehatra ara-tsosialy, mpanao politika, mpifidy, mpanatanteraka, mpanapa-kevitra ary isan'andro izy ireo dia miaina tontolo sy toe-javatra samihafa (miainga aminà herisetra, mankany aminà olana ara-bola; ny loza voajanahary hatramin'ny ady). Izy ireo no mpisehatra isanandro ny fiainana ka manana ny toerany ny fomba fijeriny sy ny vinan-dry zareo, omena lanja izy ireo, taratry ny zava-misy. Ny fahanginan'izy ireo, izay na ry zareo aza toa tsy tonga saina amin'izany, dia miasa manampy trotraka ny fanavahana ara-pananahana efa misy, na midika ihany koa fa anjorom-bala ry zareo. Arakaraky ny isehoana sy ivoahan'ny feon-dry zareo miandalana, dia hitohy hiova hatrany ity tontolo ity.

GV: Firy izao no vehivavy manana bilaogy ao amin'ny Mujeres Construyendo?

CC: La comunidad de Mujeres Construyendo está constituida por la plataforma Mujeres Construyendo (www.mujeresconstruyendo.com) y las redes sociales a través de las cuáles se conecta su comunidad. La suma de personas conectadas a esta propuesta y a este espacio suma hoy cerca de 9 mil personas.

CC: Ny vondrom-piarahamonina ao amin'ny Mujeres Construyendo dia ny fitambaran'ny sehatra Mujeres Construyendo (www.mujeresconstruyendo.com) sy ireo tambajotra sosialy izay mampifandray an'io vondrom-piarahamonina io. Ny fitambaramben'ny olona mifandrohy ao izao dia manodidina ny sivy arivo.

GV: Inona no endrikendriky ny vehivavy mibilaogy ao amin'ny  Mujeres Construyendo?

CC: Cabe decir que participan hombres y mujeres en nuestra plataforma. Somos un espacio incluyente y consideramos que no se puede hablar de equidad partiendo de un principio de exclusión, por ello, las voces masculinas son bien recibidas. La mayoría, estamos hablando de más del 96%, son mujeres. Su perfil es principalmente urbano, de entre 25 y 45 años, en su mayoría de México, España, Argentina, Venezuela y Estados Unidos. Quiero destacar a una de nuestras blogueras más activas, y que inclusive ha sido entrevistada en televisión: Bertha, una extraordinaria mujer de 82 años que nos enseña que no hay edad para seguir aprendiendo y que las herramientas digitales son poderosas y permiten a las personas seguirle dando sentido a su vida.

CC: Tsy maintsy lazaiko fa na ny lahy na ny vavy dia samy mampiasa io sehatra io avokoa. Habaka iraisana izahay ary tsy mino izahay hoe afaka hiresaka fitoviana ianao raha etsy andaniny sady mampihatra fanavahana, noho izany dia raisina an-tanan-droa koa ireo lehilahy bilaogera. Ny ankamaroany, teneninay fa vehivavy ny maherin'ny 96%. Avy amin'ny tanàn-dehibe no maro raha ny mombamomba azy ireo, eo anelanelan'ny 25 sy 45 taona, ary saika avy any Meksika, Espaina, Arzantina, Venezoela ary Etazonia. Tiako ny hifantohana bebe kokoa amin'ny iray amin'ireo bilaogera tena mavitrika ao aminay, izay efa niatrika tafatafa rahateo tany aminà fahitalavitra. Bertha, vehivavy tsy manam-paharoa, 82 taona izay mampiseho amintsika fa tsy misy fetran-taona ny  fianarana ary matanjaka ireo fitaovana dizitaly sady afaka manohy mampisy dikany ny fiainan'ny olona izy ireny.

GV: Inona no hoentin'ny 2012 ho an'ny Mujeres Construyendo?

CC: Empezamos el año con el pie derecho, estrenando nueva casa y nuestro nuevo sitio nos permite interactuar mejor, conocernos y convivir de manera más cercana. Detrás de esto hay trabajo y compromiso y queremos consolidarnos como un espacio central para que las mujeres participen, tengan voz y con ello contribuir con nuestro grano de arena no sólo a su empoderamiento, sino al fortalecimiento de la democracia. Queremos incrementar el número de blogueras participando y vinculadas a nuestra comunidad, estamos trabajando en ofrecer herramientas a las blogueras que les permitan fortalecer su presencia y cumplir sus objetivos, sean estos personales, familiares, profesionales. Detrás de este trabajo hay alianzas y proyectos que podrán ver en un futuro muy cercano y del que con gusto les platicaremos en su momento.

Muchas gracias por su interés en conocernos y ojalá a través de Global Voices más mujeres se animen a sumar su voz a nuestra comunidad. Juntas podemos hacer una diferencia.

CC: Amim-pahavononana tanteraka no hanombohanay ny taona.  Ny fanokafana ny trano vaovao sy ny tranonkala vaovaonay dia hahafahanay mifampikasoka, mifankahalala tsirairay avy sy miara-miaina amin'ny fomba akaikikaiky kokoa. Ao ambadik'io dia misy asa sy fanoloran-tena ary tianay hohamafisina anaty habaka iray mba hahafahan'ireo vehivavy izay mandray anjara ho afaka mamoaka ny feony izay itondrany ny kely avy aminy, tsy hoe ho an'ny fampivelarana azy ireo manokana fotsiny , fa koa ho fanomezana hery ny demaokrasia. Tianao hampitomboina ny isan'ireo vehivavy bilaogera mandray anjara ao anatiny sy mifandray amin'ny vondrom-piarahamoninay ka noho izany no iasanay manome fitaovana ireo vehivavy bilaogera izay hahafahan-dry zareo manamafy ny fisiany sy manatratra ny tanjony, na io momba ny tenany manokana, na ny ankohonana, na momba ny asa. Ao an-damosin'io asa io dia misy  fifamatorana sy tetikasa izay ho hita ato anatin'ny fotoana fohy, ho resahantsika ato ho ato ny mikasika azy rehefa tonga ny fotoana.

Misaotra betsaka anareo liana te-hahafantatra ny momba anay ary manantena indrindra fa amin'ny alalan'ny Global Voices dia ho be ny vehivavy no harisika hitondra ny feony ho ao amin'ny vondrom-piarahamoninay. Isika miaraka no afaka hitondra fiovàna.

Claudia koa dia bilaogera [es] ary mpandefa bitsika amin'ny solonanarana @LaClau [es]. Azonao arahana ny Mujeres Construyendo ao amin'ny Facebook [es], Twitter, [es] YouTube [es], ary LinkedIn [es].

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.