Venezoelà: Mitohy Ny Tsaho Momba Ny Fahasalaman'ny Filoha Chávez

Maro lavitra noho ny vaovao azo inoana ny tsahotsaho any Venezoelà, indrindra raha ny momba ny filoha no resahina. Hatramin'ny nahafantarana ny fisian'ny homamiadana tao aminy volana maromaro lasa izay dia tsy nitsahatra mihitsy ny hevitra sy ny fanombatombanana. Maro ny hafatra sy ny vaovao milaza tena ho manana loharanom-baovao marina saingy tsy fanta-piaviana [es] fa efa tena lalina ny aretina, fa mandritra izany fotoana izany dia manome toky ny mpitondra tenin'ny fitondrana fa efa mimpody ny fahasalaman'i Hugo Chávez ka afa-manohy ny asa mahafiloha azy tsara izy.

Dia mandeha indray ny tombatombana isankarazany. Saingy, na izany aza, manjaka ny fisalasalana eo amin'ny resaka politika amin'ity fifidianana filoham-pirenena ho avy amin'ny vola oktobra 2012 ity sy taorian'ny dingana savaranonandon'ny [es] fifidianan'ny mpanohitra.

Ho an'ireo izay miròna amin'ny fe-potoana vaovao itondran'i Chavez ny firenena indray, dia ilaina ny teti-panorona vaovao ahafahan'ny filoha maka aina tsara, araka ny fanazavan'i Carola ao amin'ny hafatra “Chávez somos todos” [es] (“Chávez daholo isika rehetra”):

Nos enfrentamos a una campaña electoral justo ahora cuando mi Presi necesita, por primera vez en tantos años, descanso y tranquilidad [No necesitamos] una campaña reposando en un solo hombre, sobre todo cuando ese hombre necesita que la campaña repose en otros hombros, digamos por ejemplo, en los míos, los tuyos, los hombros de todos los chavistas, millones de nosotros haciendo campaña en nuestras calles, oficinas, mercados, panaderías, plazas, universidades…

Miatrika fampielezan-kevitra filoham-pirenena vaovao isika, amin'ny fotoana ilàn'ny filohako indrindra, sambany izao tao anatin'ny taona maro, fakàna aina sy fahanginana [Tsy ilaintsika] ny fampielezankevitra miankina amin'olona iray, indrindra raha mila ny soroky hafa io olona iray io, andao lazaina hoe, izaho sy ianao, ary ny soroky ny chavistas [mpanohana an'i Chávez] rehetra, ny arivoarivo amintsika manentana eny an-dalambe, eny amin'ny birao, eny an-tsena, eny amin'ny mpivaro-mofo, eny an-kianja ary eny amin'ny anjerimanontolo…

Filoha Hugo Chávez avy any Angostura, ao Bolívar. Saripika mpisera Flickr chavezcandanga, 15 Febroary 2012 (CC BY-NC-SA 2.0)

Saingy tsy mavitrika loatra ny afa. Araka ny apetrak'i Naky, ao amin'ny “Con él muere todo,”[es](“Miara-maty aminy ny zava-drehetra”) hafatra hamerenany indray ny resadresaka nataony tamin'ny mpivarotra gazety iray mpanohana mavitrika ny fitondrana.

No debieras preocuparte mucho […] esto muere cuando él muera. Todo va a morir con él. No hay hombre nuevo, no hay un cambio […] Sólo él. Y con él se muere todo.

Tsy tokony hatahotra be loatra ianareo […] maty io rehefa maty izy. Hiara-maty aminy daholo ny zava-drehetra. Tsy hisy olom-baovao, tsy hisy fiovana […] izy ihany. Eo aminy no tapitra ny zava-drehetra.

Mandritra izany fotoana izany, Antonio Aponte, ao amin'ny Un grano de Maíz [es](“Voan-katsaka”) manasongadina ny mahazava-dehibe ny fanohizana ny tolona na dia amin'ny sarotra indrindra aza:

Súbitamente caímos en cuenta de que Chávez es humano y, por lo tanto, es mortal. La política juega con esa posibilidad, es un factor en la contienda, la derecha lo manipula, lo magnifica, lo trata con crueldad. Los Revolucionarios lo lamentamos, nos preocupamos, convertimos la adversidad en fortaleza.

La respuesta es sólo una: el imperio y sus lacayos locales crean las condiciones para un zarpazo.

Si se pasan de la raya un tantico así, debemos cerrar los medios de difusión que llamen a desconocer el orden constitucional y nacionalizar los bienes de los golpistas. La Revolución está en el deber de defenderse, de defender al Comandante, al Socialismo y las conquistas del pueblo.

Miposaka ao anatintsika tampoka fa olombelona i Chavez , ary, mety maty. Milalao izay mety hitranga izay indrindra ny politika, ilaina amin'ny tolona, kirakirain'ny lalàna, dokadokafany ary ampijaliany. Mitaraina ny revolisionera, matahotra isika, avaditsika ho hery ny fahoriana.Valiny tokana: manangana toe-draharaha mamotika ny tenany ihany ny imperialista sy ny olona ampiasainy.Raha vao mihoa-pefy na dia kely fotsiny aza, dia tsy maintsy hiantsoantso ny fanakatonana ireo mpampita vaovao miantso ny fanitsakitsahana ny lalampanorenana isika ary mba ho raisin'ny fanjakana ny fananan'ny golpistas [olona maniry ny isian'ny fanonganam-panjakana]. Tsy mantsy miaro tena ny revolisiona, tsy maintsy miaro ny Commandant, ny Socialisma, ary izay efa azon'ny vahoaka.

Maro tamin'ny adihevitra no nifantoka tamin'ny fanjavozavon'ny filazana ofisialy momba ny fahasalaman'ny filoha. Miady hevitra ny olona raha mbola haharitra am-bolana, raha ho afa-manohy ny fampielezan-kevitra, raha afa-mitondra, raha manao kirin'antitra fotsiny. Wikileaks moa namoaka imailaka ihany koa izay miaty filazalazana tsy dia tsara loatra, sady niely nanerana ny tranonkala taorian'ny filazana fa hanao fandidiana any Kiobà indray.

Manoratra toy izao ny mpanoratra ny The Devil's Excrement [Dikin-devoly]:

Chavismo can do little to change the feeling that something is not right.

Zavatra kely ihany no vitan'ny Chavisme hanova ny fahatsapana fa misy zavatra tsy mety

Ary farany, fijery mitsikera avy any ivelany, ao amin'ny Twitter, avy amin'i @byciclemark:

Chavez is more greedy than I realized. A responsible leader would not run for re-election while combatting aggressive cancer.

Tendan-kanina kokoa noho izay neritreretiko i Chavez. Tsy hirotsaka hofidiana indray izany tompon'andraikitra mpitarika izany rehefa miady amin'ny homamiadana mahery.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.