Liberia: Miparitaka Ilay Volavolan-dalàna “Vonoy Ny Pelaka”

Nampahafantatra volavolan-dalàna iray izay mametraka ny fifanambadian'olona ho azo ampiharana ny sazy fanamelohana ho faty ny Vadin'ny Filoham-pirenena Liberiana Teo aloha Jewel Howard Taylor. i Jewel Howard Taylor dia loholona no sady Vady nisarahan'ilay filoha teo aloha Charles Taylor.  Namerina nametraka volavolan-dalàna iray tahaka izay ary manohitra ny fifanambadian'olona mitovy, niteraka resabe, ihany koa i Oganda vao haingana izay.

Fihoàrana ny lalàna ny fifanambadian'olona mitovy any aminà firenena Afrikana 38 ary mety hitondra amin'ny fanamelohana ho faty izany any Maoritania, Sodàna, ary any Nizeria Avaratra.

Manoratra momba io volavolan-dalàna manohitra ny fifanambadian'olona mitovy any Liberia io, miteny i Melanie hoe :

Aseho matetika ao amin'ny bilaogiko, ny tahotra amin'ny hiparitahan'ny volavolan-dalànan'i David Bahati hoe “Kill the Gays”, midika hoe “Vonoy ireo Pelaka”, efa eo anoloan'ny Parlemanta Ogande amin'izao fotoana, mety hiparitaka tsara any amin'ireo faritra hafa ao Afrika, satria arahan'ny fanandràtana fatratra ny anganongano mikasika ny fanoherana ny pelaka.  Toa miparitaka tokoa izany hevitra “Kill the Gays” izany, na dia narahana tsikera tsara manerana izao tontolo izao aza izany. Tanatin'ireo resadresaka tamin'ny taona lasa, niteny tamin'i Warren Throckmorton sy ny tenako i David Bahati fa naneho fahalinana tamin'ity volavolan-dalàna Manohitra ny Fifanambadian'olona Mitovy natolony ity ireo firenena Afrikana hafa, izay fantatsika amin'ny hoe Volavolan-dalàna Kill the Gays.

Sarintany mampiseho ireo fanasaziana mikendry ireo pelaka lahy sy vavy any Afrika. Loharanon'ny sary: http://ilga.org/

Manoratra i Warren :

Tsy misy daty navoaka mikasika ny adihevitra na ny fifidianana. Samy mila mandàny io volavolan-dalàna io avokoa ny antenimiera roa tonta vao mandefa izany any amin'ny Filoha ho soniavina na holavina. Nanoratra momba ity volavolan-dalàna ity sy volavolan-dalàna fanampiny tany amin'ny Antenimieran-dry zareo ireo aho tamin'ny herinandro lasa.

Araka ny fara-tampon'ny fahafahako mamaritra azy, manomboka amin'ny 10 taona an-tranomaizina ka hatramin'ny fanamelohana ho faty ny sazy azo avy amin'ny Heloka Sokajy Voalohany any Liberia. Fohy io fanitsiana io ary tsy misy famaritana.


Manontany tena i Evan
 ny amin'ny antony mampikombona ny vavan'ilay nahazo Loka Nobel sady filohan'i Liberia Ellen Johnson Sirleaf:

Raha meloka izy, ny asa ratsy tahaka izany dia mendrika sazy 10 taona an-tranomaizina ka hatramin'ny fanamelohana ho faty.

Ary nikombona ny vavan'i Ellen Johnson Sirleaf, ilay nahazo ny Loka Nobel  tamin'ity raharaha ity.

Mihamafana izany raharaha izany noho ny famoretan'ny  Etazonia sy ny Angletera izay mihevitra ny zon'ireo pelaka ho toy ny zon'olombelona nandritra ny  taona lasa.

Tokony hanapaka ny fanampiana any Liberia ve i Etazonia?:

Manome fanampiana kely an'i Liberia i Etazonia. Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe hametraka ny volantsika any amin'ny toerana misy ireo vava tokony ho fahanana ary hanapaka marina ny fanampiana noho ity raharaha ity ve isika, na dia mihen-danja aza ny dindo Amerikana ao amin'ny kaontinanta manoloana ny fampiasam-bola be ataon'ny Sinoa. Hiaraka tsara amin'ny fifidianana Amerikana ve ny toerany tahaka izao? Mety hisy ny fanohanana mifamahofaho ny fifanambadiana pelaka, nefa azoko antoka fa ny ankamaroan'ireo Amerikana salama saina dia mety handray ny fahafatesana noho ny “sodomie” ho fanitsakitsahana tanteraka ny zon'olombelona…

Ny taratasin'ilay vadin'ny filoham-pirenena teo aloha ho an'ireo Parlemantera Liberiana mikasika ilay volavolan-dalàna manohitra ny pelaka. Sary natolotry ny http://sebaspace.wordpress.com/.

Mihevitra ny Sebaspace fa tsy mandeha am-pahatsorana ilay vadin'ny ny filoham-pirenena teo aloha:

Toa nahazo lesona iray na roa avy amin'ny fomba tsy nampahomby ny karazana fampielezan-kevitra tahaka izany tany amin'ireo faritra hafa aty Afrika i Ramatoa Jewel Taylor. Araka izany, miezaka ny manatsaratsara endriky izy amin'ny alàlan'ny fanafenany ny fihetseham-pony manohitra ny pelaka anaty resaka ilazàny fa hoe miezaka ny hisoroka ny “fifanambadian'ny pelaka” izy.
—-
Marina ve? Anatina firenena izay anoheran'ny lalàna ny fifankatiavan'olona mitovy, ny fifanambadian'ny pelaka ihany no mba mampiahiahy an'i Ramatoa Taylor? Maninona no toa sarotra inoana izany ho ahy?

Mampitandrina i Boima J. V. Boima :

Nefa io lalàna io, raha lany, mety hisy fiantraikany ara-toekarena ho an'i Liberia rehefa ampifandraisin'ireo hery tandrefana, anisan'izany Etazonia sy Angletera, ny zon'ny pelaka sy ny fanampiana avy any ivelany ho an'ireo firenena any amin'ny tany an-dalampandrosoana, anisan'ireny i Liberia.

Nipoitra io volavolan-dalàna io taorian'ireo antso miverimberin'ny Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana Ban ki-moon sy ireo hery Tandrefana izay mangataka ireo mpitondra fanjakana Afrikana mba hanaiky ho ara-dalàna ny fifanambadian'olona mitovy na ho tapahina ny fanampiana ho an'ny fampandrosoana avy any ivelany.

Afaka manao sonia fanangonana sonia ao anaty aterineto ireo mafana fo miaro ny zon'ny pelaka mba hanoherana ny volavolan-dalàna “Kill the Gays” any Liberia:

lasibatra: Ny Loholona Liberiana Jewel Haward Taylor

Tanjona: Hangataka ny Loholona Taylor mba tsy hanohana ity lalàna ity, izay hamela ireo mpitsara hanasazy ireo hetsika pelaka amin'ny fanamelohana ho faty any Liberia.

Any amin'ny firenena Afrikana Andrefan’ i Liberia, miady ho an'ny fanekena araky ny lalàna azy ireo ny mpifankatia LGBT. Nefa ny Loholona Taylor, izay vao tsy ela izay no nanolotra volavolan-dalàna hanamelohana ho faty ireo pelaka, dia mety ho sakana lehibe iray mankany amin'ny fitoviana. Tokony hampiato ny fisoloany vava ny fampandaniana io volavolan-dalàna io ny Loholona Taylor, izay mety hanaisotra ny ain'ireo Liberiana LGBT sasany .

Maro ireo mpitondra fanjakàna Afrikana no milaza fa tsy voajanahary sy tsy Afrikana ny fitiavana olona mitovy amin'ny tena. I Afrika atsimo no miavaka amin'izany miaraka aminà lalam-panorenana, izay manome fiarovana tanteraka ny zon'ireo pelaka erak'izao tontolo izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.