Indray Andro Eto An-tany: Fiaraha-mijery Ireo Horonan-tsary Niarahan'Izao Tontolo Izao Naka

Logo for One Day on Earth

Indray Andro Eto An-tany

Ny horonantsary Indray Andro Eto An-tany dia fiaraha-mientan'olona avy amin'ny vazantany efatra noraketina nandritra ny andro iray ka ny 10 Oktobra 2010 izany ka maharitra 3000 ora mahery no voaangona, izay mahatalanjona ny fahasamihafan'ny karazany, ny adiady, ny voina,  ary ny fandresena izay niseho tamin'izany andro iray izany. Amin'ny (faha 22 ny volana Aprily 2012) no hotontosaina ny Fiaraha-mijery Manerantany ny Indray Andro Eto An-tany isa-pirenena manerana izao tontolo izao, miaraka amin'ny fanampian'ny Toerana Lovan'Izao Tontolo Izao sy ny Firenena Mikambana.

Screen capture from the One Day on Earth interactive map for videos

Tadiavo ao amin'ny tahiry ireo sary nalefa tamin'ny Indray Andro Eto An-tany

Azonao karohina amin'ny alalan'ny sarintany ao amin'ny Tahirin'ny Indray Andro Eto An-tany ny sary nalefa sy ny horonantsary voarakitra nandritra ny 10 Oktobra 2010 sy ny 11 Novambra 2011 notontosain'ireo mpandray anjara manerantany. Azo tadiavina amin'ny alalan'ny teny fanalahidy sy ny tenifototora ary amin'ny alalan'ny fitsidihana ny sarintany ny tahiry ahafahanao mijery ireo karazana horonantsary voarakitra.

Azonao atao ny miara-mijery amin'ny daholobe amin'ny alalan'ny fisoratana anarana hanatrika izany any amin'ny toerana akaiky anao, afaka manome soso-kevitra ny amin'ny toerana na mampiantrano izany hetsika izany ihany koa. Amin'ny toerana sasantsasany, hoferana noho ny haben'ny trano ny isan'ny mpanatrika: mba hanomezana antoka anao hahazo toerana amin'ny fijerana miaraka, dia afaka misoratra anarana eto amin'ny tranonkala ianao.

Ity manaraka ity, sombin-tsarimihetsika fototra tamin'ny Indray Andro Eto An-tany .

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.