Nikaragoa : Manivana Ny Mpanjifany Ilay Orinasam-pifandraisan-davitra CLARO

Ny 29 Novambra lasa teo, andiana mpanjifa tsy afa-po tamin'ilay orinasa no nanapa-kevitra ny hanangana bilaogy ho fitarainana mikasika ilay orinasam-pifandraisan-davitra CLARO Nicaragua [es], rantsan'ny vondron'orinasa América Móvil izay an'ilay Meksikana mpanapitrisa mpanankarena indrindra eto an-tany Carlos Slim Helú. Ilay bilaogy dia nantsoina hoe Claro que NO! [es], tsilalaonteny Espanola ilazana ny hoe ‘Mazava ho azy fa tsia’, ary nilazalaza ny haratsian'ny tolotra sy ny haratsian'ny fandraisana an-tànana ireo mpanjifany ataon'ireo mpiasan'ny CLARO.

Kanefa tao anatin'ny 3 andro latsaka dia namaly izany ilay orinasa tamin'ny fanakanana ilay vohikala [es] amin'ny fanantenana hanakana ny fahafahan'ireo mpanjifa tsy faly haneho hevitra malalaka anaty aterineto. Maro ny mpampiasa aterineto no namoaka ny tsy hafaliany noho io tany anaty bilaogy, Twitter ary Facebook.

Ilay bilaogera Juan Ortega dia iray amin'ireo voalohany nanoratra momba izany tao amin'ny juanortega.info [es]:

Esto claramente atenta no solo a la neutralidad de la red, sino que es una clara violación a nuestro derecho de libertad de expresión en cualquier medio, por lo que esperemos que Claro Nicaragua se pronuncie al respecto, y rectifique su error. Mientras tanto, invito a todos mis colegas blogueros, tumbleros, y demás, a que denuncien por cualquier vía lo que está sucediendo, en twitter pueden encontrar mas información, de igual forma se está siguiendo el caso con el hashtag #clarobloqueo.

Tsy ny maha tsy mpiandany ny aterineto irery ihany no voatohitohina fa mivandravandra ihany koa eo afovoan'izany fa voahitsakitsaka ny fahalalahantsika haneho hevitra. Manantena izahay fa ny Claro Nicaragua dia hiaiky izany ary hanitsy ny hadisoany. Manaraka izany, manasa ireo namako bilaogera rehetra, mpampiasa tumblr, sy ireo maro hafa aho mba hitory amin'ny alalan'ny fomba isan-karazany ny zava-mitranga. Ao amin'ny Twitter, afaka manaraka vaovao misimisy kokoa ianao ary raha mbola tsy nanao izany ianao dia araho ny tenifototra #clarobloqueo.

Sary tamin'ny fanentanana ho fanoherana ilay Fanasaziana nataon'ny Claro

Mitovy amin'izay koa, ilay bilaogera Adolfo Fitoria [es] dia mitondra ny fanamarihana manaraka etoana:

Esto sienta un terrible precedente, en un futuro podrían bloquear a otras empresas competidoras, blogs independientes, alguna aplicación que no les convenga y a como ya hacen: limitar ancho de banda en cierto sitios como youtube.
No esperen ver nada de esto en los medios, no creo que publiquen algo al respecto ya que casi NUNCA critican a esta empresa, que es una de las que mas gasta en publicidad en el país, y los medios escritos que por esta época mueren no tienen otro palo donde ahorcarse.

Sahala amin'ny fiandohan-javatra hoavy mampiahiahy izany izy ity, izay hibahanan'ireo orinasa ireo ny fitsofohan'ireo orinasa mpifaninana aminy, bilaogy tsy miankina maro, ary ireo rindrambaiko sasany tsy lanin'ny vavonin'izy ireo…araky ny efa hitantsika, izay mametra ny korianan'ireo tranonkala sasany toy ny YouTube.
Aza mihevitra ny hahita izany horakofan'ny mpampahalala vaovao. Tsy heveriko hoe hamoaka zavatra toy izany ry zareo satria tsy hanakiana VELIVELY io orinasa io ry zareo, izay iray amin'ireo orinasa  mandany vola be amin'ny fanaovana dokam-barotra eo amin'ny firenena, ary ireo trano fanontam-baovao ankehitriny dia miala aina ary tsy manana fomba hafa hivelomana.

Leandro Gómez tao amin'ny bilaoginy comuNIdad [es] dia manohy aminà fomba fisaina tahaka izay ihany:

Esta acción ilegal de parte de Claro Nicaragua puede representar el comienzo de una nueva era para los ciudadanos digitales en Nicaragua. Si esta empresa, una organización privada extranjera, no tiene el menor reparo en prohibirte visitar sitios que los critican abiertamente, el día de mañana podrían comenzar a bloquear otros sitios; por presiones políticas, por conveniencia económica, o porque simplemente les dió las ganas, y nosotros, los ciudadanos de este país no vamos a poder hacer absolutamente nada.

Io fihetsika tsy  ara-dalàna ataon'ny Claro Nicaragua io dia mety ho taratry ny fanombohanà vanim-potoana vaovao ho an'ireo mponina anaty aterineto ao Nicaragua. Raha toa io orinasa io, izay orinasa tsy miankina avy any ivelany , tsy mihetsi-bolomaso na dia kely akory aza amin'ny fanakanana ny fidirana aminà vohikala izay manakiana azy ireo mivantana, mbola ho avy ny andro izay hanombohan'izy ireo hanakana ny vohikala hafa noho ny antony fanagejana ara-politika, mba hampiakarana ny volan'izy ireo, na mba te hanao izany fotsiny izy … ary isika, mponina ato amin'ity firenena ity, dia tsy afaka ny hanao inona intsony.

Tsy ny tontolon'ny bilaogy irery ihany no toerana nanehoana fanoherana mivaivay ny fanapahan-kevitry ny CLARO ; ireo tambajotra sosialy tahaka ny Twitter (@CQN_Nicaragua) sy ny Facebook dia nampiasaina ho fanelezana ny zava-misy.

Ireo bilaogera avy ao Nikaragoa dia nanambatra ny feon'izy ireo  mba hiampangana izany fihetsika izany teny amin'ireo tambajotra sosialy ary noho ny fikirizan'izy ireo dia nahazo valiny avy any amin'ny CLARO. Ny valinteny izay tsy maharesy lahatra loatra milaza fa hoe tsy nanakana inon'inona tanaty aterineto ry zareo, ary nilaza fa avy amin'ny lamina napetraka tao amin'ny lohamilina no nahatonga izany, izay novalian'ilay mpiandraikitra ny vohikala anaty aterineto claroqueno.com manao hoe na inona na inona dia tsy natao hanakana ny mpanjifany tsy hiditra ao amin'ny CLARO ilay lamina napetraka tao amin'ny lohamilina.

Ho azy ireo manokana, ny 13 Desambra, ilay kaonty Twitter ofisialin'ny @ClaroNicaragua [es] dia nanamafy fa:

@evialejandrina araka izay efa nambaranay tao amin'ny @nim_rod, dia tsy nanakana io pejy io mihitsy izahay. Ary tsy manana olana izahay.

Ny tale ara-barotry ny CLARO ao Nikaragoa dia namoaka lahatsoratra iray [es] tao amin'ilay gazety mpiseho isan'andro La Prensa io andro io ihany, mikasika ny faniratsirana sy fanalam-baràka mitranga eny anaty tambajotra sosialy amin'ny alalan'ny kaonty sandoka, kaonty tsy fantatra anarana. Na dia tsy nanondro manokana ny resaka claroqueno.com aza ilay tale ara-barotra, tsy tsara ny nandraisan'ny Nikaragoaina mpiondana aterineto an'ilay lahatsoratra.

Ny hetsiky ny bilaogera tsy miankina no hany fikambanana mba nitory izany fihetsika izany ; ny filazam-baovao mahazatra, izy ireo kosa, dia tsy namoaka na dia lahatsoratra iray aza mikasika izany fanivànana nampiharin'ny CLARO Nikaragoa ny mpanjifany izany.

Ny 25 Desambra, ilay orinasa CLARO Nikaragoa dia nanatsahatra ny fanivànana, izay namela indray ny mpanjifan'i CLARO hitsidika ireo vohikala. Tao amin'ny Twitter, ClaroQueNo (@CQN_Nicaragua) dia nifaly:

Ganamos! aparentemente @claronicaragua al fín enmendó su error y levantaron el bloqueo. Por favor entren a http://claroqueno.com y confirmen

Nandresy isika ! Raha izao hita izao @claronicaragua dia nanarina ny hadisoana vitany ihany nony farany ary nanala ilay sakana anaty aterineto. Azafady mba tsidio ny http://claroqueno.com ary amarino ny fialàn'ilay sakana!

Tao amin'ny lahatsoratra iray navoaka [es] tao amin'ilay gazety El Nuevo Diario nosoratan'ilay mpanao gazety Oliver Gómez ny Alarobia 28 Desambra, CLARO Nikaragoa dia nanaiky ny fisian'ilay sakana, kanefa tamin'ny filazany fa izany fihetsika izany dia natao noho ny fahitana ny faniratsirana sy fanalam-baraka mikasika ny CLARO navoaka tao anaty aterineto.  Ilay mpandrindra ny serasera anatin'ilay orinasa, Azalia Salmerón, dia nilaza hoe : “Manaja ny fahalalahana maneho hevitra izahay fa tsy ny fanalam-baraka sy ny fitondrantena tsy maoty.”

Ilay vondrona  Claro que NO! dia nankalaza ny fandreseny ary nanamafy fa hanohy ny ady miaraka amin'ireo mpanjifa tsy afa-po ; ny kaontiny Twitter sy ny pejy Facebook ary koa ny tranonkalany dia mbola mitohy  mandeha, ary mbola maharay fitarainana ho avoaka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.