Timor Atsinanana: Manangana Firenena Iray Avy Amina Fiteny Maro

Ity dia anisan'ny lahatsoratra manokana ataoany mikasika ny Fiteny sy ny Aterineto.

Tamin'ny 28 Novambra 1975, nanambara samirery ny fahaleovantenany i Timor Leste taorian'ny fanjanahantany Portigezy efa ho taonjato efatra. Na dia novakiana tamin'ny teny Portigezy aza ny fahaleovantena, dia andro vitsy taorian”izay, dia niakaran'i Indonezia ary  ny firenena ary noraràna ny fampiasana io teny io nandritra ny efatra amby roapolo taona, fotoana naharetan'ny  fanjakazakana (1975-1999).

Samy nofidiana ho fiteny ofisialy avokoa na ny Tetum na ny fiteny Portigezy ho an'i Timor Atsinanana izay firenena vao teraka raha nahazo ny fahaleovantenany izy tamin'ny taona 2002. Na izany aza, maherin'ny 16 ny  isan'ny fiteny nasionaly, ary roambinifolo mahery ny isan'ireo tenim-paritra hafa ampiasain'ireo mponina Timorezy amin'ny andavanandro.

Fiteny famantarana

Hau nia lian, hau nia rain (My language my homeland). Photo by Sapo Noticias Timor Leste (public domain).

Hau nia lian, hau nia rain (Ny teniko ny taniko). Sary nalain'i Sapo Noticias Timor Leste (sehatra ho an'ny daholobe).

Raha ny fomba fanao, ny Tetum, ny teny fampiasan'i Timor Atsinanana, no tena be mpampiasa manerana ny fanjakana. Etsy andanin'izany kosa, “tsy ny Portigezy akory no teny fampiasa iraisana fa kosa izy no fiteny famantarana “, hoy i  Mari Alkatiri, mpitarika ny  Fretilin (antoko mpanohitra), tanàty lahatsoratra iray [pt] tamin'ny 2007 avy amin'ilay mpanao gazety Portigey Paulo Moura, izay navoaka indray toa amin'ny bilaogy Ciberdúvidas da Língua Portuguesa.

I Moura kosa manazava lavidavitra ny antony nahatonga ny ” hamaroan'ny vahoaka tsy misy toy izany” izay tsy miteny Portigezy taorian'ny fahaleovantena:

Aprendeu bahasa Indonésia e inglês como segunda língua e fala tétum em casa, além de alguma outra língua timorense, como o fataluco ou o baiqueno. É a chamada geração “Tim-Tim”, do nome Timor-Timur, que os indonésios davam à sua 27.ª província. Muitos estudaram na Indonésia ou na Austrália, e é difícil explicar-lhes, hoje, a importância do português. Pior ainda, como vêem que as elites políticas, privilegiadas, falam português, e como lhes é vedado o acesso aos empregos na administração pública, por não falarem a língua agora oficial, estes jovens criaram alguma hostilidade em relação a Portugal e à língua portuguesa.

Nianatra ny Bahasa Indonezia sy teny Anglisy izy ireo ho fiteny faharoa ary miteny Tetum izy ireo any an-tranony, fanampin'ireo teny Timorezy hafa, toy ny  Fataluku na Baikeno. Antsoina hoe andian-taranaka “Tim-Tim” izy ireo, avy amin'ny anarana hoe Timor-Timur, izay antsoin'ireo Indoneziana hoe ny faritanin'izy ireo faha 27. Maro ireo nianatra tany Indonezia na tany Aostralia, ary amin'izao fotoana izao, sarotra ny manazava amin'izy ireo ny lanjan'ny teny Portigey. Mbola ratsy kokoa aza, noho ny fahitan'izy ireo fa miteny Portigey ireo lehibe manan-danja ara-politika, ary koa voasakana ny fidiran'izy ireo amin'ny sehatry ny asa fitantanana ara-panjakana satri izy ireo tsy mahay ny fiteny ofisialy amin'izao fotoana,  nitombo tanatin'ireo tanora ireo ny fankahalana an'i Portigaly sy ny  teny Portigey.

Milaza ny tatitry ny Banky Mondialy 2011  mikasika ny fandrosoan'ny firenena nandritra ny folo taona lasa farany fa “ny 5 isan-jaton'ny olona ihany no miteny Portigey” ary hoy izy manampy “nanomboka tamin'ny 2009, maherin'ny 70 isan-jaton'ny mpianatra izay nadinina tamin'ny faran'ny diplaoma voalohany no tsy afaka namaky akory na dia teny tsotra amina teny Portigey aza. Ity no zava-bita mahamenatra indrindra taorian'izay 10 taona niezahana izay(…). Vondron'olona marobe amin'ny vahoaka no mety miasa nefa mety ho tsy mahay mamaky teny sy manoratra akory.”

Fakana antontan-kevitra momba ny teny ao amin'ny aterineto

Araka ny Saritany Atlas momba ireo Teny Tandindonin-doza Manerantany avy amin'ny UNESCO , dia misy enina ireo teny Timorezy atahorana hanjavona.

Languages of East Timor. Map from the website Fataluku Language Project.

Fiteny any Timor Atsinanana. Sarintany avy amin'ny tranonkalan'ny Tetikasan'ny Fiteny Fataluku.

Raha ny antanan-tohatra nomena, dia ny  Adabe (avy amin'ny nosy  Atauro), Habu (avy amin'ny distrika Manatuto ), ary ny  Kairiu-Midiki sy ny Naueti (avy amin'ny disitrikan'i Viqueque), no heverina fa tena marefo, satria  “ankizy maro eo amin'ny faritra no mampiasa ireo teny ireo, nefa ao anatina sehatra voafetra ihany”, toy ny hoe any an-trano sy eo amin'ny fiainana mahazatra.

Miakatra zanatohatra iray ny Waima'a, izay heverina ho tena tandindonin-doza fatratra – “tsy mianatra ity fiteny ity intsony ny ankizy amin'ny maha-tenindreny azy any an-trano”. Any amin'ny tendro avaratra atsinanan'ny nosy,  ny fiteny  Maku'a , izay raha ny fahitan'ny Atlas azy dia olona 50 sisa no nampiasa ilay teny tamin'ny 1981, dia tena tandindomin-doza be ihany koa ary mety ho levona tanteraka mihitsy aza.  Bokikely iray monja mba nivoaka tamin'ity fomba fiteny ity.

Na izany aza, nisy ihany sasany tamin'ireo fitenin'i Timor Atsinanana no nahita ny lalany ao amin'ny haino aman-jery vaovao sy ny seha-pifaneraserana amin'ny aterineto, izay mety mbola hanohana tsara ny fitohizany.

Hita amin'izany tranga izany izao ohatra ny Fataluku, fiteny Papuan ampiasain'ny olona miisa 35.000 any amn'ny ankamaroan'ny distrika any amin'ny faritra atsinanan'i Timor,  izay misy antontan-kevitra tsara eo amin'ny tranonkalan'ny Tetikasan'ny fiteny Fataluku sy ny  Firaisa-monina Fataluku. Ampiasain'ireo vondrona tanora mpanakanto avy any amin'ny faritr'i Lospalos  ihany koa izy ity amin'ny mozikany sy ny fisehoana an-tsehatra ataony:

Nanandratra ny fiteny Timorezy maro ny tetikasam-pikarohana  antontan-kevitra momba ny teny nataon'ny anjerimanontolon'i Hawai, niaraka tamin'ny fanampian'ny fifanakalozana mpianatra toy ny tenim-paritra Osoroa sy ny  Fatumaka an'i  Makasae – “fiteny maro an'isa any amin'ny faritra atsinanana any Timor-Leste” – toy izany koa ny  Waima'a, Fataluku, Mambae sy ny Tokodede. Ity farany moa izay ampiasain'i João Paulo Esperança, Portigey  mpikaroka momba ny teny sady mpandika teny, matetika eo amin'ny bilaoginy Hanoin Oin-oin (Fisaina samihafa) [tet].

An East Timorese girl speaking (from clockwise) Bunak, Tetum, Fataluku and Portuguese. Translation: "In Bunak/Tetum/Fataluku/Portuguese, we say: I am in Dili. I have some money. I do not have any money." Image by Joao Paulo Esperança (public domain).

Tovovavy Timorezy Tatsinanana miteny (fandehan'ny fihodin'ny famantaranandro) Bunak, Tetum, Fataluku ary Portigey. Adika hoe : "In Bunak/Tetum/Fataluku/Portigezy, hoy isika hoe : Eto Dili aho. Manana vola ihany aho. Tsy manana vola mihitsy aho." Sary avy amin'i Joao Paulo Esperança (sehatra ho an'ny daholobe).

Mpitoraka bilaogy iray amina fiteny tsy dia fandre i  Abe Barreto Soares,  izay nitafatafa mivantana ho an'ny  Global Voices tamin'ny 2009, ary ankoatry ny fanoratana  amin'ny teny Anglisy,Tetum, sy  Bahasa Indonezia, dia manana ihany koa izy bilaogy tononkalo amin'ny  Galole laguage avy any amin'ny distrikan'i  Manatuto antsoina hoe Limusan.

Lavidavitra kely any Atsimo, asongadina ao amin'ny bilaogin'i  Ildefonso Pereira ihany koa ny fiteny Idaté. Nampiasaina ifandraisana amin'ny fiteny Timorezy ihany koa ny Facebook, ohatra izao ity vondrona ity amin'ny fiteny Naueti.

Tamin'ny herintaona, nisy ny soso-kevitra ny hampiasàna voalohanyny tenindreny ao anatin'ny fandaharam-pampianarana nasionaly, araka ny ambaran'ity horonantsary fohy mitondra ny lohateny hoe Lian Inan (TenindReny) [tet] ity, izay manazava ” ny lanjan'ny fiteny voalohany ampiasan'ny ankizy hanampiana azy ireo hianatra hamaky teny sy hanoratra, hanaja ny kolotsain'ny ray aman-dreniny sy ny fiarahamonina misy azy,  ary hahay hiteny tsara ny teny ofisialin'i Timor-Letste  dieny any am-piandohana”:

Mampiantrano fifanakalozan-kevitra amin'ny aterineto antsoina hoe “Fampiasàna ireo Fitaovan'ny Mediam-Bahoaka Mba Hanandràtana Ireo Teny Zara Raha Misy Mpiteny ” miaraka amin'ny New Tactics sy ny Indigenous Tweets ny Rising Voices – tetikasa tohanan'ny Global Voices . Raisina an-tanan-droa avokoa ireo mpampiasa ny teny rehetra any Timor Leste ka miriaria aty amin'ny tontolon'ny haino aman-jerim-bahoaka mba hanandratra ny fifandraisana amin'ny aterineto amin'ny fampiasana ireo teny tsy dia fampiasa mba hifampizara ny tetikadiny, ny zava-bitany ary ny zava-tsarotra iainany eo amin'ny sehatra fifanakalozan-dresaka anaty aterineto.

Ity dia anisan'ny lahatsoratra manokana ataoany mikasika ny Fiteny sy ny Aterineto.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.