Ejipta : Ireo Fanjakana Kely Ao Cairo

Noheverinao ve izany fa i Cairo dia tanàn-dehibe iray? Ny tena marina, fitambaranà fanjakana kely maro izy io ary tsy mifampiankina . Ao amin'ity lahatsoratra ity, ilay bilaogera Karim Shafei dia manazava amintsika ny tena fomba fihodin'i Cairo.

Sarintanin'i Cairo. Sary avy aminà mpampiasa Flickr rien @ ISTANBUL & ABROAD (CC BY-NC-SA 2.0).

Karim manoratra hoe:

يعتقد الكثيرون أن القاهرة مدينة.. هى فى الحقيقة مجموعة من الدويلات والإمارات تربطها علاقات تاريخية وإقتصادية وإجتماعية وثيقة ولكن كل منها مستقل إستقلال تام.. يربط بين هذه الدويلات شبكة طرق معقدة لا يفهمها إلا القاهريون.. ويعتبر المرور فى القاهرة من عجائب الدنيا التى تذهل علماء الفيزياء ويحكى تاريخياً إنها سميت القاهرة لأن الغالبية العظمى من الغزاة إنهارت جيوشهم على كوبرى ستة أكتوبر.. بالذات مطلع البطل أحمد..
Maro no mihevitra fa tanàn-dehibe iray i cairo. Raha ny marina anefa dia fitambaranà fanjakana kely maro miray amin'ny tantarany, ara-toekarena sy ara-sosialy mifamatotra izy, kanefa samy mitàna ny maha mahaleotena azy avy. Ireo fanjakana kely ireo dia mifandray amin'ny alalanà tambajotran-dàlana, izay ireo mponina oa Cairo ihany no mahazo azy. Ny fifamoivoizana ao Cairo dia isan'ireo zavatra mahatalanjona indrindra eto amin'izao tontolo izao, izay mampitolagaga ireo fizisiana. Voalaza fa ara-tantara dia nantsoina hoe Al Qahira (“Le conquérant”) ilay izy satria ny ampahany betsaka amin'ireo miaramila nitsoaka an'ady dia resy teo amin'ny Tetezan'ny 6 Oktobra, teo amin'ny lalàm-ben'i Al Batal Ahmed raha ny marimarina kokoa.
وبالرغم من كون اللغة التاريخية للقاهرة هى العربية إلا إن اللغة تطورت تطور مختلف فى كل دويلة من دويلات القاهرة حتى أصبح يصعب على قاطنى أى دويلة فهم مواطنى دويلة آخرى وبالتالى لجاء القاهريون إلى طريقة جديدة للتواصل بإستخدام الكلاكس والصفارة والبسبسة والتغميز والتقليب والدابل فلاشر.. وقد تطورت العادات والتقاليد فى كل دويلة تطور مختلف تماماً عن جيرانها حتى أصبح من السهل تحديد الدويلة التى يقطنها أى شخص من ملابسه.. وقد أدى ذلك إلى تقوقع كل سكان دويلة فى منطقتهم وخوفهم الشديد من سكان الدويلات الآخرى لأنهم بياكلوا العيال الصغيرة..
Raha ara-tantara dia hoe ny teny Arabo no teny nampiasaina tao Cairo, fa niha-nivelatra tamin'ny fomba maro samihafa kosa ny teny tao amin'ireo fanjakana kely ireo ka mila ho sarotra ho an'ireo mponina avy amin'ny fanjakana iray ny mahazo izay lazain'ny avy amin'ny fanjakana iray hafa. Vokatr'izany, ireo mponina ao Cairo dia nampiasa fomba fifanakalozan-kevitra vaovao amin'ny alalan'ny fampiasana anjomara fanairana, kiririoka, mandrora, mipi-maso, mibanjina ary mandefa jiro famantarana roa [amin'ny fiara].   Niova miandalana teny ny fomba amam-panaon'ireo fanjakana kely tsirairay ary tsy nitovy ny an'ny mpifanila vodirindrina aminy. nihamora ny nahafantatra ny fanjakana kely niavian'ny olona iray tamin'ny alalan'ny fiakanjony. Ary tonga hatramin'ny fitokana-monin'ireo  mponina ao aminà fanjakana kely iray izany noho ny tahotra an'ireo fanjakana kely hafa satria hono mihinana zazakely ireo.

Nanohy izy :

حدثت بعض المحاولات على مدار السنين من بعض الدويلات للإنفصال عن القاهرة.. منها محاولة إستقلال إمبابة وإقامة إمارة إسلامية فى التسعينيات من القرن الماضى والإنفصال اليومى لدويلة المهندسين عن بقية القاهرة بين الساعة الواحدة ظهراً والثانية عشر فجراً حيث لا يمكن الدخول أو الخروج من المهندسين فى هذه الفترة إلا على دراجة بخارية للديليفرى..
تسمح الدويلات القاهرية بحرية التنقل بينها ونقل البضائع بل والتزاوج بينها.. وبالرغم من سماح القانون بالتزاوج ما بين الدويلات إلا أن العديد من العائلات ترفض زواج أولادها من سكان الدويلات الآخرى لأسباب إما إقتصادية أو إجتماعية.. ولكن فى أغلب الأحيان يكون السبب الرئيسى هو المرور
Efa nisy andrana nataon'ireo fanjakana kely nandritra ny taona maro ny mba hisaraka amin'ny Cairo. Isan'izany ny nataon'i Imbaba, ny taona 90 tamin'iny taonjato farany iny, ny mba hahazo ny fahaleovantenany ary hanangana “émirat islamiste”, ary koa ny fitokanan'ny fanjakana kelin'i  Mohandiseen amin'ny andavan'andro amin'ny Cairo iray vohitra eo anelanelany amin'ny iray atoandro ka hatramin'ny misasaka alina, rehefa tsy afaka ny hiditra na hivoaka ao ianao raha tsy hoe mandeha “moto” fitanterana entana angaha.
Ny fanjakana kely ao Cairo dia manaiky ny fahalalahana mifamezivezy sy ara-pitanterana eo amin'izy ireo, ary na ny fifanambadiana aza. Na izany aza, na dia eo aza ny lalàna manome vahana ny fifanambadiana eo amin'izy samy izy ireo , maro ireo fianakaviana no tsy mamela ny zanany hanambady ny olona avy any amin'ny fanjakana kely hafa, noho ny antony ara-ekonomika na ara-sosialy. Kanefa amin'ny ankapobeny dia ny fitohanan'ny fiara no antony.

Fitohanan'ny fiara ao Cairo. Sary avy aminà mpampiasa Flickr vagabondblogger (CC BY-NC-SA 2.0).

يمتاز القاهريون بإقتناعهم التام أن الدولة هى القاهرة.. فيطلقون على القاهرة “مصر” وما دونها “الأقاليم”.. وقد دفع ذلك بقية سكان مصر إلى إحتقار القاهرة وإعتبارها دونهم حتى أصبح المصطلح للذهاب إلى القاهرة هو “أنا نازل القاهرة”.
Ireo mponina ao Cairo dia azo fantarina amin'ny faharesen-dahatr'izy ireo amin'ny hoe  i Cairo no fanjakana. Antsoiny hoe  “Ejipta” i Cairo , ary “ faritany” ireo toerana hafa ao Ejipta. Izany dia nahatonga ny mponina ao Ejipta hankahala ny Cairo ary hitondra azy ireo ho toy ny ambany noho izy, hany ka ilay fiteny hoe andeha ho any Cairo dia lasa hoe“Andeha hidiny any Cairo aho”.

Karim mamintina :

لا أحد يعلم ما هى حدود القاهرة الحقيقية ولا تعداد السكان بها وفقد العالم الأمل فى أنه فى يوم من الأيام سوف يعرف هذه المعلومات فالقاهرة تتوسع بسرعة فائقة لدرجة أن أى أحصاء للسكان يكون صالحاً لمدة ربع ساعة فقط.. وتمتاز القاهرة بأنها تتوسع فى ثلاث إتجاهات: طولياً: حيث إمتدت حتى واحة عمر شمالاً وبنى سويف جنوباً.. عرضياً: حيث أستولت على محافظتى الجيزة والقليوبية ويتوقع البعض أنه فى خلال أربع سنوات سوف تحتل القاهرة محافظات السويس والإسماعيلية والفيوم ومنطقة العين السخنة.. رأسياً: حيث أن الوقت الذى تحتاجه لهدم فيلا وبناء برج سكنى فى القاهرة أصبح أقل من 11 ساعة..

Tsy misy mahalala ny tena sisintanin'i Cairo, ary tsy voaisa ny mponina ao aminy. Efa nanary fanantenana izao tontolo izao ny amin'ny mety ahalalana izany indray andro any. I Cairo dia mitombo haingana be ka na ny fanisam-bahoaka ao aminy aza angamba dia antsasak'adiny ihany no marina. I Cairo dia fantatra amin'ny fivelarany amin'ny zotra telo: ny halavany, mivelatra lavitra ny Wahet Omar any Avaratra ary Beni Suef any Atsimo ;ny sakany, mandrakotra ny “gouvernorats ” ao Giza sy Qalyoubiya (ary misy ireo izay maminavina fa ato anatin'ny efa-taona ho avy, I Cairo dia hibodo an'i Suez, Ismailia, Fayoum ary Ain Sokhna) ; Ary ny eo afovoany, raha ny fotoana handrodanana “villa” sy hananganana trano be feno rihana ao Cairo amin'izao fotoana izao dia efa latsaky ny ora iraika ambinifolo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.