Frantsa: Famerana Fanomezana Visa Ny Mpianatra Anjerimanontolo Vahiny

Raha mba nitovy amin'ny lalàna momba ny fifindra-monina ao Etazonia ny any Frantsa araka izay fanapahan-kevitra noraisina farany, dia orinasa Sinoa no mety tompon'ny Yahoo (naorin'i Jerry Yang avy any Taiwan), ary Google no fantatra ankehitriny fa mety orinasa Rosiana miroborobo indrindra (natsangan'i Sergey Brin) ary Apple dia orinasa Syriana – mpianatra vahiny ny rain'i Steve Jobs tamin'izy niteraka ny zanany lahy.

Manaraka izany, raha tsy nanome alalana an'i Barack Obama Sr. hianatra ao Etazonia ny Oniversite an'i Hawaïï, dia mety tsy teto ny zanany lahy ankehitriny.

Adihevitra momba ny fifindra-monina

Adihevitra politika no miseho ao Frantsa nanomboka tamin'ny volana septambra 2011. Tamin'ny volana mety 2011 teo, Minisitry ny Atitany sy ny Lehiben'ny Etamazoron'i Sarkozy teo aloha, Claude Guéant, no nanao sonia fampilazana niaraka tamin'ny Minisitry ny Fifandrasaina Arak'asa sy ara-tsosialy, Xavier Bertrand, fampilazana izay manasarotra ny fahafahan'ny mpianatra vahiny nahavita fianarana ambony momba ny teny frantsay teny amin'ny oniversite-panjakana sy tsy miankina hiasa ao Frantsa ary koa ny tsy maintsy hanovana ny visa amin'ny maha mpianatra ho visa arak’ asa avy eo

Claude Guéant, French Minister of Interior. Image from iledere.parti-socialiste.fr (CC).

Claude Guéant, Minisitry ny Atitany Frantsay. Sary avy amin'i iledere.antoko-sosialista.fr (CC).

Fanampin'izany, nisy didy hitsivolana nosoniavina tamin'ny 6 Septembra 2011, mba hanamafisana ny fepetra ho an'ny vahiny mikasa hanohy ny fianarana ambony ao Frantsa.

Julie Smith, olom-pirenena Amerikana monina ao Frantsa no tratran'ity politika vaovao ity. Taorian'ny nandraisany ny taratasy fandroahana azy avy amin'ny manam-pahefana, nanoratra tamin'ny tranonkala fampahalalam-baovao frantsay Rue 89 izy:

Ity manaraka ity ny tantarako mikasika ny maha Amerikana mpifindra fonenana ahy eto Frantsa, tantaran'ny maro momba ny politikan'ny fifindram-ponenana nohenjanina nandritra ny fitondran'ny Minisitry ny Atitany Claude Guéant. Manimba fiainam-bahiny maro nanori-ponenana eto Frantsa sy nanangana ny fiainany nandritra ny taona maro tao ity politika ity. Manala an'i Frantsa tsy hahazo ny fandraisan'izy ireo anjara ara-toekarena izany ary miorina amin'ny hevitra sy fomba tsy lojika mihitsy.

Mpianatra Frantsay sy maneran-tany no nanao fihetsiketsehana manohitra ity fepetran'ny lalàna vaovao ity, nahitana ireo mpitantana ambony maromaro ao amin'ny oniversite koa izany. Tamin'ny 18 Oktobra lasa teo, mpianatra 500 no nanao fihetsiketsehana saimbolika teo anoloan'ny Oniversite Sorbonne ao Paris, mba hanohitra ny politikan'i Guéant. Mba hampisehoana ny maha-hevi-dravina ny fepetra, dia natsipin'izy ireo tao anaty fanariam-pako ny diplaoma Frantsain'izy ireo

Mampiseho ny zava-misy ity lahatsary manaraka nalefan'ny mpisiokantserasera 123VivaAlgerieNewtao amin'ny YouTube:

Fihetsiketsehana

Nokarakarain'ny “Fikambanan'ny 31 mey” ny fihetsiketsehana, fikambanana ivondronan'ireo mpianatra vahiny sy nahavitra fianarana ambony teny amin'ny oniversite Frantsay. Miisa 6000 mahery ireo mpikambana manohana ao amin'ny Pejy Facebook.

“La Confederation Étudiante” (Ny Fivondranan'ny Mpianatra), fikambanan'ny mpianatra lehibe indrindra faharoa ao Frantsa, no nanao fihetsiketsehana ihany koa mikasika izany. Nandefa fitarainana an-tsoratra mangataka amin'ny Governemanta mba hanaisotra ilay fepetra ny fikambanana. Maherin'ny 2000 ny olona nanao sonia tamin'izany.

Niresadresaka tamin'i Baki Youssoufou izahay, filohan'ny “La Confédération Étudiante” “Fivondronan'ny Mpianatra”. Amin'ity lahatsary manaraka ity, manazava ny maha-hevi-dravina ny fepetra izy, ary ny antony hilazany fa  misy ifandraisany amin'ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny taona 2012 hoavy izao ity raharaha ity:

Mpianatra vahiny sasantsany no nilaza fa lalana iray ahafahan'izy ireo miverina any amin'ny fireneny sy manampy azy ireo hivelatra ny fampilazana tamin'ny 31 Mey. Kocoumbo, mpianatra Kameroney, namoaka lahatsoratra vahiny tsy nintonona anarana tao amin'ny on Rue 89 mitondra ny lohateny hoe “African Students, Guéant is helping us: let us dare go back home” “Mpianatra Afrikana, manampy antsika i Guéant: sahia hody any an-tanindrazana. Nanoratra izy hoe:

A cet égard, en dépit des tragédies personnelles des uns ou des autres, je ne peux m'empêcher de penser que c'est là un fier service que M. Guéant nous rend.

Amin'izany, na dia eo aza ny voina manokana mahazo ny tsirairay, tsy haiko ny tsy hieritreritra fa tombontsoa be ho antsika ny ataon'i Guéant

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.