Ady Sarotra Amin'ny Fanamelomeloham-poana An'ireo Mitondra Ny Otrikaretina VIH Ao Ejipta

[Rohy amin'ny teny Anglisy] Ejiptiana iray fantatra amin'ny anarana hoe Magid no olona voalohany any Ejipta nilaza imasom-bahoaka fa mitondra ny otrikaretina VIH. Ny fanadihadiana no nahitàna fa Ejiptiana manodidina ny 11.000 eo no miaina miaraka amin'ny VIH, nefa io isa io dia mety hiakatra avo tokoa satria marobe ireo olona tsy manao fitiliana, na tsy mitady fitsaboana noho ny tahotra ny amin'ny fitsaratsaram-poana ilay aretina.

Ahmed Awadalla dia ao anatin'ilay tetikasa Exploring Taboos (Explorer les tabous) izay tohanan'ny  Rising Voices, ary miresaka ao amin'ny bilaoginy momba ny  “sandan'ny fitsaratsaram-poana” ao Ejipta. Manoritsoritra izy ao amin'ny bilaoginy Rebel With A Cause (Mpitroatra noho ny olana iray) hoe:

Raha vao hoe hiresana VIH / SIDA ao Ejipta, dia efa azo eritreretina fa, hiatrika ny iray amin'ireo fanehoan-kevitra ireto ianao : ny voalohany izay miseho amin'ny endrika tahotra, ny dona, ary ny tsy fahazoana aina, na ny faharoaizay ny fanilihana sy ny tsy firaharahiana no manamarika azy.

Ahmed dia namoaka fitsapan-kevitra natao vao haingana teny anivon'ny tanora Ejiptiana, izay nampivoitra fa  21% momnja amin'ireo tanora no nilaza fa vonona hifampiserasera amin'ireo olona mitondra ny otrikaretina. Ny karazana fanehoan-kevitra toy izany manoloana ny hafa dia fanamby goavana ihany koa ho an'ireo miasa amin'ny fanesorana ity fitsaratsaram-poana ity. Manampy i  Ahmed :

De toute évidence, le plus grand obstacle au travail de  sensibilisation au VIH est la stigmatisation des personnes vivant avec ce VIH. Les séropositifs ont à souffrir en silence, gênés de demander de l'aide ou un traitement et s'il est révélé qu'ils ont le VIH, ils sont rejetés et maltraités par leur communauté, au travail, et même parmi leurs proches et ceux qu'ils aiment. Cette vie d'isolement à cause du VIH peut être plus dangereuse que la maladie elle-même.

Anaty lahatsoratra hafa ao amin'ny tranonkala Conversations pour un monde meilleur, na Resadresaka ho aminà tontolo mendrika, Ahmed dia manoratra izay zavatra nitranga mikasika ny resaka VIH / SIDA taty aorian'ny Revolisionan'ny  25 Janoary. Sortinay ny fomba nandraisan'ny governemanta fanapahan-kevitra hanajanona ireo tetikasa sasany izay nikendry ny hanabe sy hampahafantatra ; ho an'ny sasany, mety ho avy amin'ny fanaraha-maso tafahoatra ireo fampahalalam-baovao no antony. [Nanoratra] ihany koa izy fa sarotra ity tontolo iray ity ho an'ireo mpiasan'ny fahasalamana sy ireo mpikatroka hafa izay miezaka manentana ny vahoaka amin'ny sehatra midadasika kokoa:

Zava-misy mampalahelo ny mahita fa hoe na dia ireo nomena andraikitra hanolotra fitsaboana aza dia mampiasa endrika fanavakavahana mahatsiravina amin'ireo olona miaina miaraka amin'ny otrikaretina VIH/SIDA. Eny, mifamatotra aminà hevi-diso samihafa momba ny firaisana ara-nofo ilay aretina. Isak'izay manomana hetsika ho fanentanana momba ny VIH izahay, dia manontany foana ny mpandray anjara aho mikasika ny fomba fifindran'ny aretina. Ny valiny tena iraisan'ny rehetra dia ny filàna ara-nofo tsy voahevitra! Indrisy fa ny fandisoana zavatra / ny tsy fahampian'ny fanentanana no tena goavana.

An'i  Jayel Aheram ny hajiantsary nampiasaina, nampiasàna ny lisansa Attribution 2.0 Generic (CC BY 2.0).

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.