Kolombia: Ny FTA Sy Etazonia Tao Amin'ny Tontolon'ny Bilaogy

Miaraka amin'ilay fifanarahana nosoniavina tany Washington hampakarana ny haavo farany ambonin'ny trosa taorian'ny fifamaliana henjana teo amin'ireo Demokraty sy Repoblikana, ny mpitarika ny Kaongresy ao Etazonia dia niverina tamin'ny lohahevitra momba ny fifanarahana ara-barotra malalaka (free trade agreement – FTA) miaraka amin'i Panamà, Korea Atsimo ary Kolombia.

Ireo Repoblikana Mitch McConnell sy John Boehner, tena tsy misy hafa amin'ilay mpikambana Demokraty toa an-dry zareo Harry Reid, no nitarika ny fampanekena ilay fifanarahana, hatramin'ny fandaharan'asa iray fanampiana ireo mpiasa Amerikana very asa noho ny fifaninana vahiny. Ny fifanarahan'i Said ho an'ny tamin'ny efa-taona lasa, dia natolotra teo anoloan'ny fivorian'ny Kaongresy,  ny fanekena ny fanalalahana ara-barotra niarahana tamin'i Kolombia no tena resabe indrindra tamin'izy telo ireo, nanomboka tamin'ny fitsikeran'ny mpandala ny fanalalahana ny firenena Kolombiana, noho ny tsy fahampian'ny fiarovana ny vondrona sendiklista izay mahatsapa ny tenany ho voarahon'ireo vondrona vao mipongatra, na izany avy amin'ny ankavia, na koa ny elatra havanana..

Juan Manuel Santos and US Secretary of State Hillary Clinton during her visit to Colombia in June 2010. Flickr image from eltiempo.com (CC BY-NC 2.0).

Juan Manuel Santos sy ny Sekreteram-panjakana Amerikana Hillary Clinton nandritra ny fitsidihan'ity farany tao Kolombia ny volana Jona 2010. Sary avy amin'i Flickr-i eltiempo.com (CC BY-NC 2.0)

Lasa lohahevitra nivelatra sy noresahana be nandritra ny taona maro, teo anivon'ny tontolon'ny bilaogy izy io dia nahasarika tsikera maro raha mitaha amin'ireo mpankasitraka. Marion Delgado avy amin'ny The Rag Blog, ohatra, nilaza fa ilay fifanarahana dia tombotsoan’ ny vondron'orinasa US indrindra indrindra, ary miampanga azy ireo ho mamatsy ny heloka bevava nahazo ireo sendikalista :

Ny fikambanana izay mikatsaka ny tombotsoany fotsiny avy amin'ity fifanarahana fanalalahana ara-barotra ity — vondron'orinasa Amerikana — dia tafiditra amin'ny raharaha fanampiana sy fandrisihana [ny] fandatsahan-drà  [nahazo ireo sendikalista].

Ny bilaogy Optometría en la Salud [es] dia manazava ny fahapotehana izay mety hateraky ny fankatoavana ny fanalalahana ara-barotra iarahana amin'i Etazonia ho an'i  Kolombia :

El TLC no afecta solo a la industria sino también todos los sectores económicos, una parte y muy importante es la salud.

Ny FTA dia tsy manohintohina fotsiny ny indostria fa hatramin'ireo sehatra ara-toekarena rehetra ihany koa, ny sehatra iray tena lehibe amin'izany, ny  fahasalamana

Ny bilaogin'i Alfonso Zamudio Cine y Politica [es] dia mamintina hoe ny fanekena ny fanalalahana ara-barotra dia tsy midika “fahafahana” feno :

Como resumen, un Tratado de Libre Comercio, sin libertad, pues condiciona en el lado exportador entregas máximas anuales, cuotas exportadoras y calidades orientadas a sectores de privilegio colombiano, y en el lado importador una apertura amplia a sectores nacionales de por sí débiles.

Raha fitinina, ny fanalalahana ara-barotra, tsy misy fahafahana, fetra farany ambony amin'ny tolotra omena isan-taona, ny fetran'ny fanondranana sy ny kalitao tadiavina mba hanomezana tombony ny sehatra Kolombiana amin'ny lafiny mpanondrana, ary ny mpanafatra etsy an-daniny, fisokafana tanteraky amin'ny sehatra nasionaly izay efa hita mazava fa osa.

Ny bilaogin'ny Ivontoerana mahaleotena [es] amin'ny teny Espaniola dia mizara lahatsoratra iray avy amin'ny The Wall Street Journal Americas, ka ao iJohn Bussey no manambara hoe , na eo aza ny faniriana mafy te-hampandroso manodidina io lohahevitra io, ary ny  fahamboniana kely ananan'io fandraharahana io amin'i Kolombia, misy ihany tombony vitsivitsy:

Puede que aumente las exportaciones del país norteamericano fraccionariamente y podría crear —según cálculos de la Casa Blanca— miles de puestos de trabajo en EE.UU., no decenas de miles. A Caterpillar le gusta porque la compañía vende mucha de su maquinaria pesada en Colombia. Igualmente, hay una expectativa normal en otros sectores empresariales.

Mety hitranga ny hoe hitombo miandalana ny fanondranan'ireo firenena any Amerika Avaratra ary afaka hamorona – araka ny kajikajin'ny Trano Fotsy – asa anarivony ao Amerika, fa tsy an'hetsiny. Mankasitraka izany ny Caterpillar  satria ilay orinasa dia mandafo betsaka ireo milina mavesany any Kolombia. Toy izay ihany, misy fanantenana tsara amin'ireo vondron'orinasa amin'ny sehatra hafa.

Mahagaga, ny kiaka nanaraka ny fanambaran'ny Kaongresy Amerikana tamin'ny herinandro lasa dia zara raha nisy akony. Ireo tranonkala toy ny International Trade, na Varotra Iraisampirenena(@IntradeGS) [es] dia nanely fotsiny izay nampahafantarin'i Washington :

El Congreso de Estados Unidos está en proceso de aprobación de tratados de libre comercio con Colombia

Ny Kaongresin'i Etazonia dia eo an-dàlam-pandinihana ny hankatoavana ilay fanarahana ara-barotra malalaka iarahana amin'i Kolombia

Milaza i Katherin Miranda (@kathmirandap) [es] fa ny iray amin'ireo sakana amin'ny fampandrosoana an'i Kolombia dia ny tambajotran'ny  lalàna ifandraisany:

La competitividad a la que esta llamada Colombia, es imposible de desarrollarse por su pésima infraestructura vial… Y quieren TLC??

Ny fahafaha-mifaninana angatahan'i Kolombia dia tsy mety apetraka  noho ny haratsin'ny foto-drafitrasan'ny làlana… Dia mitady fifanarahana ara-barotra malalaka ianao??

Etsy ankilany, i Julian Buitrago (@buitragojulian) [es] koa dia naneho ahiahy manoloana ny tombony izay mety hateraky ny FTA ho an'i Kolombia :

El dolar se devaluará más. USA necesita vender para salir de la recesión. Será que el TLC sí le conviene a Colombia??

Vao maika hihen-danja kokoa ny dolara, mila mivarotra i Etazonia mba hamaranana ny fitsitontongan'ny ara-toekarena. Tena toro-hevitra tsara ho an'i Kolombia ve ny FTA??

Farany, Juan David Escobar (@ElReticente) [es] dia  mampiseho tsy fahatokisana manoloana ny mety ho fifanarahana ara-barotra amin'i Etazonia :

cosas que ya no me dan ni risa: que en Colombia creamos que en plena crisis aún tenemos opciones de firma del TLC con los gringos.

Zavatra izay tsy mampihomehy ahy akory: hoe isika ao Kolombia dia mino fa mbola manana safidy amin'ny fanasoniavana ny FTA miaraka amin'i Yankees ao anatin'ny fotoan-tsarotra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.