Andro Iraisam-pirenena Ho An'ny Fanasàna Tànana: Manova Fomba Amin'ny Alàlan'ny Hira sy Dihy

Sary famantarana ny Andro Eran-tany ho an'ny Fanasana tanana

Fantatrao ve ny fomba hanasàna tsara ny tànanao? Avy amin'ny alàlan'ireo hira sy dihy, mampianatra ireo hafa ny fomba tena mety hanasàna ny tànany ireo olona manerana ny tany mba hampiroboroboana ny fahasalamana.  Ny 15 Oktobra no Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Fanasana tanana ary miaraka teny famantarana Manavotra Aina ny Tanàna Madio , manisy tsindrim-peo amina hetsika tsotra izay manampy amin'ny fanenana ny fahafatesan'ny ankizy noho ireo aretina azo sorohana izany.

Avy amin'ny alàlan'ny Hip Hop,  ireo mpandresy tamin'ny  Grammy,  Chocquibtown avy any Kolombia, milaza amin'ireo ankizy ny fotoana sy ny fomba tokony hanasany tànana.

Ity andian-tanora ity, izay anatina vondrom-piarahamonina ambanivohitra any  Honduras ihany koa, dia mampiasa ny Hip Hop mba hihirana momba ny lanjan'ny fanasàna tànana anatin'ity lahatsary ity, izay alefa amin'ny fahitalavitra any an-toerana.

Anatin'ity lahatsarin'ny BBC world trust ho an'ny fanasana tànana ity any Kambodja, ankizilahy iray izay tsy navela hilalao miaraka amin'ny ankizy raha tsy avy nanasa tànana, no mametraka fanontaniana tena manan-danja tokoa: ahoana no atao raha tsy misy savony eo am-pelatanana? Ny valiny? Mampiasà lavenona.

Fikambanana maro samy hafa no manandratra ny fanasàna tànana manerana ny tany. Anatin'ireo lahatsary manaraka dia mahita ireo Ezaka nataon'ny Vokovoko Mena tany Haiti mba hanandràtana ny fanasàna tànana amin'ny alàlan'ny hira amin'ny teny Kreola, Ny Food for the Hungry (Sakafo ho an'ny Noana) any Mozambika dia mampiseho antsika toerana iray fanasàna tànana izay mampiasa tavoahangy plastika ho fitoeran-drano ary mizara ny hira Mozi's Water, izay mandeha mametra ny fotoana tokony hanasàna tànana. Ireo Fikambanana Surtigas sy Promigas any Kolombia dia nampahery ireo ankizy mba haneho ny fihetsehim-pony manokana avy amin'ny alàlan'ny fanoratana, fanaovana sary hosodoko, tononkalo ary hira, ary ny sasany amin'ireo ankizy dia manao tantara momba ny fanasàna tànana sady mihira ny gadom-paritra nentin-drazan'ny Vallenato.

Ity lahatsary avy any Meksika ity, mifototra manokana amin'ny Hira Japoney momba ny fanasàna tànana nataon'ny UNICEF-2009 sy manome anarana ireo dingana mba hanamora kokoa ny fitadidiana azy ireo: ny tendrombohitra, ny gitara, ny motosikilety, ny bibilava, ny lolo ary ny fampisehoana “kamehameha” izay maneho fa mbola mihoatra noho ny fikosehana ny felatanana miaraka fotsiny ny fanasana tanana!

Ny hiran'i Beyonce, Single Ladies dia nampiasaina ho hiran'ilay lahatsary mba handehanan'ireo dingana 5 samy hafan'ny fanasàna tànana ho an'ireo mpiasan'ny fahasalamana, tahaka ny hita anatin'ity lahatsary ity sy ny dihin'ireo mpianatra ho mpiasan'ny Fahasalamam-Bahoaka any Meksika. Voalohany indrindra dia esorina ny peratra, famataranandro sy ireo “bracelets”, avy eo dia manamboatra ny fibosasaky ny rano, mandena ireo tànana ary mampiasa ny savony araka ny tokony ho izy, manàsa ny aoriana, aloha, ny sisiny ary ny ratsan-tànana ary avy eo manamaina tànana amin'ny taratasy malefaka izay ampiasaina mba hanidina ny fantson-drano aorian'izay.

Ireo mpiasan'ny fahasalamana any an-Tanànan'i Iligan, Filipina ihany koa dia nanao ny lahatsarin'ny dihy mirindran'izy ireo amin'ny fanasàna tànana miaraka amin'ny hiran'i Jai Ho, avy amin'ny hiran'ilay horonantsary Slumdog Millionaire.

Ndeha hanàsa tànana!

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.