Mankalaza ny Faha-roanjato Taonany i Orogoay

Nanambara i Orogoay fa ny taona 2011 no hankalazàny ny faha-roanjato taonan'ny “dingana ho amin'ny fahaleovantenany” izay nanomboka tamin'ny taona 1811, na dia tamin'ny 25 Aogositra 1825 aza vao nambara ny fahaleovantena. Nampita vaovao tamin'ny alalan'ny vohikala ofisialy sy kaonty Twitter, Facebook, ary Flickr, ireo mpikarakara, momba ireo hetsika maro nomanina hotanterahina mandritra ny taona.

Natomboka tamin'ny fomba ofisialy tamin'ny volana Febroary ny fankalazana ny faha-roanjato taona, fa tamin'ny Alatsinainy 10 Oktobra ry zareo Orogoaiana dia nankalaza ny fanendrena an'i José Artigas — mahery fon'i Orogoay— ho “Lehiben'ireo Orientales“, miaraka amin'ny fankalazana makotrokotroka iarahan'ireo fampisehoana asa kanto maro amin'ny sehatra efatra samihafa tany an-tanànan'i Montevideo. Araka ny El Observador [es], maherin'ny 300.000 ny isan'ny olona nanatrika.

"quatuor"-na gitara Rica Cosa nilalao tamin'ny 27 Febroary 2011. Sarin'i Pablo Castro (CC BY-NC 2.0)

Nampiasain'ireo Orogoaiana rehetra ny tenifototra #bi100uy hanehoana fiderana [es] sy tsikera[es] momba ireo fampisehoana, ny fikarakarana ny hetsika na ireo olana nitranga nandritra ny tontolo andro. Andanin'izany koa ireo mpitoraka blaogy dia naneho hevitra momba ny endrika samihafa ananan'ny hetsika, sy momba ny fankalazana ny faha-roanjato taona amin'ny ankapobeny.

Mauricio Milano avy amin'ny Montevideo Blogger [es] dia namboraka fa nanantena ny hientanentana kokoa izy amin'ity faha-roanjato taona ity, ary nanampy hoe:

Y honestamente no creo que el increible esfuerzo no solo económico sino humano que se está realizando para el Bicentenario (hay que reconocerlo, no sería posible sin el talento de muchas personas) se vea reflejado en más nacionalismo o una “reflexión histórica” más profunda en la gente. Al menos en mi caso, un gol de Forlán me hace sentir más uruguayo que el carnaval que se está preparando para esta noche, y lo que pienso sobre la historia de mi país no va a cambiar por ir a un concierto.

Tsoriko fa tsy mihevitra mihitsy aho hoe ny ezaka goavana, tsy ara-toekarena ihany fa ny olona koa, izay tanterahana ho an'ny Faha-roanjato taona (tsy maintsy miaiky ianao, tsy ho tanteraka izany raha tsy eo ny talentan'ny maro) dia hitondra any amin'ny fitiavan-tanindrazana bebe kokoa na  “fandinihana ara-tantara” lalindalina kokoa. Farafaharatsiny amiko,  ny baolina matin'i [mpilalao baolina kitra] Forlán no mahatonga ahy mahatsapa tena ho Orogoaiana kokoa noho ny matso izay karakaraina hatao anio alina, ary tsy hiova amin'ny alalan'ny fanatrehana fampisehoana mihitsy ny fieritreretako ny tantaran'ny fireneko.

Chrisitan Libonatti [es] dia namorona laha-tsary ahitàna ny pejy voalohany amin'ireo gazety Orogoaiana malaza, nivoaka tamin'ny 11 Oktobra. Nanamarika izy fa ahitàna toerana kely momba ny fankalazàna natao tamin'ny Alatsinainy avokoa izy rehetra ireny, fa roa ihany no nanokana ny pejy voalohany iray manontolo ho an'ireo hetsiky ny andro talohan'izay.

Esto es apenas un análisis para demostrar que habiendo miles de uruguayos caminando por las calles apenas dos medios le dedicaron su título principal. Un conflicto gremial, la inseguridad o cualquier otra cosa son más importantes que una fiesta popular.

Ni critico ni alabo ésto, sólo está bueno observarlo.

Fandinihana fotsiny ity hanehoana fa gazety roa ihany no nanao lohateny lehibe ho an'izany na dia teo aza ireo Orogoaiana an'arivony nandeha teny an-dàlana. Mbola zava-dehibe kokoa noho ny matso nasionaly ny adin'ny sendika, tsy fahampian'ny fandriampahalemana na zavatra hafa.

Tsy midera aho na mitsikera, fa mahafinaritra fotsiny ny mijery azy.

Farany, raha raisina hoe miara-mankalaza i Orogoay sy ny firenena hafa any amin'iny faritra iny mandritra ireo fankalazan ny Faha-roanjato taona, ny mpitoraka blaogy Anna Donner Rybak [es] dia miverina any amin'ireo olona teratany nipetraka tany amin'ny kontinanta talohan'ny nahatongavan'ireo Eoropeana mpanjanatany. Asongadiny fa ny ankamaroan'ny Orogoaiana dia taranaka Eraopeana daholo, nefa manontany izy:

¿Y quién es entonces “bien” uruguayo? me pregunto. Y me respondo que los más cercanos son los descendientes de nuestros indios.

[…] me pregunto porqué se honra la memoria de quienes han venido a exterminar a los verdaderos argentinos, uruguayos, peruanos, bolivianos.

Iza “marina” ny Orogoaiana? Manontany tena aho. Ary valiako izany fa ireo akaiky indrindra amin'izany no taranaky ny teratany teto amintsika

[…] Manontany tena aho hoe, nahoana isika no manome voninahitra ireo izay tonga hamotika ireo tena Arzatina, Orogoaiana , Peroviana, Boliviana?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.