Shina: “Nisy Zavatra Tsaroanao ny Talohan'ny Nangalarana Anao?”

A girl plays the violin at a train station in Beijing

zazavavy mitendry violon hahazoana vola gara iray ao Beijing. Dikapikantsary fanadihadiana Novmbra 2010

Raha hitsidika ny tanàna any Shina ianao indray andro any dia hahita ankizy mangataka na mitendry zavamaneno akaikin'ny gara na toerana be mpandalo mba hahazoana vola. Ny zavatra hitanao dia izay topaza-maso amin'ny olana goavana sy faran'izay manahirana eto Shina – ny fangalarana sy ny fivarotan-jaza.

Tamin'ny fiandohan'ny taona 2009 dia nanao fanentanana hiadiana amin'ny fangalaran-jaza ny manampahefana eto Shina. Tamin'ny faran'ny taona 2010, nasehon'ny tarehimarika ofisialy (tsy voatery azo inoana) fa trangana fanondranana vehivavy 9165 sy fanondranana ankizy 5900 no fantatra; ankizy 9388 sy vehivavy 17.746 no voavonjy, ary andian-jiolahy mpangala-jaza sy vehivavy 3573 no rava.

Ny isa marin'ny isan'ny voavonjy dia be lavitra noho ny isan'ny ankizy nisy nangalatra. Araka ny fanombatombanana farany dia eo ho eo amin'ny ankizy 70000 isan-taona eo no lasan'ny andian-jiolahy isan-taona.

Inona no tena mampiroborobo ity fangalaran-jaza ity? Noho ny politikan'ny zaza tokana sy ny fomban-drazana Shinoa manery ny ankohonana hiteraka zazalahy dia matetika no amidy amin'ny ankohonana vaovao ny zaza nangalarina. Etsy ankilany indray dia amidy amin'ny toerana be lehilahy tsy manambady ny zazavavy nangalarina. Maro hafa ihany no amidy hanao fampisehoana an-dalambe, hangataka na hivaro-tena.

Milaza ny tantarany

Ity resaka fangalaran-jaza ity moa no lohahevitra ho avy amin'ny lahatsary fanadihadiana antsoina hoe ““Living with Dead Hearts : The Search for China's Kidnapped Children (Miaina amin'ny Fo Maty: Ny Fitadiavana ny Zaza nangalarina eto Shina)” nosoratan'i Charles Custer.

Amerikana liana dia liana momba an'i Shina i Custer. Mipetraka ao Beijing izy amin'izao fotoana izao ary mamahana ilay bolongana malaza ChinaGeeks, izay manome ny dika sy ny famakafakana momba ny tontolom-bolongana Shinoa. Ao amin'ny Lahatsary fanadihadiana dia te-hihoatra ny famakafakana sy ny antontanisa i Custer. Te-hametraka endrika teny misy momba ity olana ara-piaraha-monina ity izy amin'ny fifantohany amin'ny fitantaran'ny tsirairay sy ny fihetseham-po ao anatiny.

Tamin'ny faran'ny taona teo dia nanao antso hanangonam-bola ao amin'ny Kickstarter i Custer hanaovana ilay lahatsary fanadihadiana. Noho ny valiny avy amin'ny malala-tanana izay mihoatra ny zato dia nahangona vola mihoatra ny $8,500 ny tetikasa ary dia nandany ny fotoana malalaka nananany i Custer hitadiavana, hiresadresahana ary handraketana antsary ray aman-dreny sy zaza nangalarina.

Tamin'ity volana ity moa dia nametraka vaovao farany sy ny fandroson'ny film ny ekipa mpanatontosa :

Ny tanjon-dry zareo moa dia ny tsy hanaovan'ny mpijery any ivelany bambaray ny vahoaka shinoa rehefa avy mijery ilay fanadihadiana. Mety ho hitan-dry zareo ao, ohatra, ny fihetseham-pon'ny ray aman-dreny nisy nangalatra ny zanany rehefa anontaniana hoe, “Oviana no tsikaritrareo fa very ny zanakareo vavy? Afaka milaza bebe kokoa momba ny toetra sy izay manintona [fialam-boly] ny zanakareo vavy ve ianareo? Inona ny paika hafa efa nataonareo ankoatra ny filazana tany amin'ny polisy sy tany an-tsekoly? Ahoana ny ataonareo mbola hitadiavana azy?” Na ny fiheveran'ny ankizy nangalarina ny tenany ho olon-dehibe: “Mbola misy zavatra tsaroanao ve ny talohan'ny nangalarana anao? Mahatadidy ve ny “ray amandreninao” amin'izao fotoana hoe taiza no nividianany anao? Ary ahoana ny fanatsapan-dry zareo azy ity amin'izao fotoana izao?”

Raha liana momba ity resaka ity ianao dia azonao jerena ny fandrosoana vitan'i Custer amin'ny famitana ilay lahatsary fanadihadiana ao amin'ny vohikala natokana ho amin'izany www.livingwithdeadhearts.com, Na raha liana momba ny ankizy misy mangalatra dia jereo ny tahala manokana ao amin'nyChinaGeeks.org. Raha te-hanampy ara-bola moa ianao dia tsidiho ny Tetikasa Shinoa mpanao asa-soa Baby Come Home sy Xinxing Aid, izay manampy ny ankizy nisy nangalatra sy mirenireny an-dalambe amin'ny fomba maro samihafa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.