Però: Mick Jagger Nitsidika an'i Lima

Nanomboka niely ny tsaho tamin'ny Asabotsy atoandro 8 oktobra lasa teo fa nitsidika an'i Lima i Mick Jagger.

Nanomboka izany tsaho izany ny fandefasana  sary manjavozavo nalefan'ny Mpisionkatserasera César Bejarano (@Cesar_Bejarano) izay navoakan'ny gazety Perú 21 kinova an-tserasera ao an-toerana ihany koa. Ahitantsika olona mitovy amin'ilay mpanankato Anglisy fanta-daza ny ao anatin'izany. Tamin'ny Alahady 9 Oktobra lasa teo, gazety hafa indray no nanamafy ny vaovao ary indrindra koa ny horonantsary nipoitra tao amin'ny YouTube, nalefan'ny olona mpisera ny fmphotos, mampiseho an'i Mick Jagger ao amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Jorge Chavez ao Lima:

http://www.youtube.com/watch?v=mbzvVXged1o&feature=player_embedded

Bilaogera avy ao Però sy mpisiokantserasera niady hevitra momba ny fitsidihana tsy nampoizina:

Ny bilaogy Mejor hablar de ciertas cosas [es] namoaka  toy izao indray:

De acuerdo al exconductor de “TV Rock”, Cucho Peñaloza, el vocalista de Rolling Stones, Mick Jagger, llegó a nuestro país para recorrer Lima y Puerto Maldonado. La única imagen difundida hasta el momento es esta difusa toma que una cuenta de Twitter mostró desde el interior del Hotel Country Club de San Isidro.

Araka ny voalazan'ny mpanentana teo aloha ao amin'ny “TV Rock”, Cucho Peñaloza, ilay mpanakanto Rolling Stones, Mick Jagger, tonga taty amin'ny firenentsika izy mba handehandeha any Lima sy Puerto Maldonado. Ny sary tokana afaka nalefa hatreto dia ity sary manjavozavo ity ihany izay sary tao anatin'ny Hotely San Isidro Country Club hita tao amin'ny Twitter .

Tao amin'ny Twitter, ny teny fototra #mickjagger sy #mickjaggerenlima no nifampiresahan'ny tontolon'ny Twitter.

Araka ny hevitr'i William Amaya (@dkden77e), efa nahazoazo taona ireo mpanankato:

@DJPaulBsAs: #MickJagger confesó q pasa + tiempo en Facebook que tocando una guitarra // le llegó la vejez, no?

@DJPaulBsAs: #MickJagger nitsotra fa ao amin'ny Facebook no tena handaniany ny androny kokoa noho ny mitendry gitara // efa antitra izy ankehitriny, sa tsy izany?

I Mucho Vicio (@muchovicio) kosa nananihany ny amin'ny zavatra tena ankafiziny dia ny vehivavy somary tsy dia antitra:

Tomando el té con Mick Jagger. Luego al bingo y quizás, si la noche es propicia, charadas con las groupies. Y a la camita.

Miara nisotro dité tamin'i Mick Jagger. Avy eo any bingo ary angamba, raha mahafinaritra ny alina, fiarahana kely miaraka amin'ny namana. Ary avy eo mamonjy fandriana.

Daniel Morales (@dasang) nanontany hoe:

#MickJaggerEnLima porfavor hagan que diga #calata #huachafo o una de esas palabras q son graciosas cuando las dicen los gringos!

#MickJaggerEnLima avelao izy mba hiteny #calata #huachafo na iray amin'ireo teny ireo izay mampihomehy, ary raha gringos hoy izy ireo!

‘Calato’, teny manondro ny lahy amin'ny teny mpamaritra ‘calata’, izay midika hoe miboridana na raha hitarina dia hoe olona tsy manam-bola, ary ‘huachafo’ kosa dia afaka hadika hoe fadiranovana.

Helena (@HeleNa_Sz_) te ahafantatra izay toerana mety misy an'i Mick Jagger:

Y en este momento en qué parte del Perú se encuentra #MickJagger ?

Ary ankehitriny, aiza ao Però no misy an'i #MickJagger ?

Oswaldo Azk (@azk1610) nizara rohy misy ny tetikasa an'i Mick Jagger amin'ity fitsidihana ataony ao Però ity:

#MickJagger se aloja en hotel de Lima y viajaría a Puerto Maldonado periodismoenlinea.org/desde-peru/15/…

#MickJagger nipetraka tamin'ny hotely ao Lima ary handeha ho any Puerto Maldonado periodismoenlinea.org/desde-peru/15/…

Puerto Maldonado, tanàna ao Atsimon'i Però, renivohi-paritany ao Madre de Dios, ao amin'ny faritra Amazon ao Però.

Maro ireo mpisiokantserasera naneho hevitra amin'ny fiteny vazivazy tamin'ny zava-niseho efa maherin'ny 20 taona lasa: Monique Pardo, mpanankato Peroviana, nifankahita tamin'i Mick Jagger tao Iquitos. Ny bilaogy Doctor Monique [es] nitantara taminay momba ny fihaonany:

Dice que se acercó a tomarle una fotografía con una Nikon gris casera que le había arrebatado a su novio, quien permanecía callado durante toda la escena como si fuera un extra, y que pidió a su ídolo que posara como si estuviera leyendo. Mick abrió un libro de bolsillo que llevaba consigo y ensayó algo de poesía amanerada en sus movimientos. La Pardo recuerda haber sentido como si un ratón se alborotara de miedo en su estómago. Al fin disparó la cámara como pudo, en un intento inútil por hacerlo suyo aunque fuese un instante. Jagger se puso de pie y los tres guardaron silencio. Monique, compadeciéndose de su novio, se despidió de Mick.

[Monique Pardo] nilaza fa nanatona akaiky mba haka ny sarin'i Mick miaraka amin'ny fakan-tsary Nikon mivolombatolalaka nalainy tany amin'ny sakaizany, izay tsy niteny mihitsy nandritra ny zava-niseho rehetra, amin'ny maha “hafakely” azy, dia nangataka tamin'ny olona ankafiziny (Mick) izy mba hipetraka ho toy ny olona mamaky boky. Nanokatra boky kely tany aminy i Mick ary nanandrana toy ny manao  tononkalo amin'ny alalan'ny fihetsiny. Pardo toa nahatsiaro fa toy ny misy totozy mihetsiketsika ao amin'ny vavoniny. Farany, nanindry ny bokotry ny fakantsary araka izay haingana indrindra izy, tamin'ny fanandramana haingana hangalana sary azy ireo, na dia iray sekondra fotsiny aza. Nitsangana i Jagger ary nangina ny telo tamin'izy ireo. Monique, nalahelo ny sakaizany, ka nanao veloma an'i Mick avy eo.

Amin'izany fomba fisainana izany, Gonzalo Alarcón (@Gonzaloalarco) nivazivazy momba ny fitsidihana nataon'i Jagger:

Joder #MickJagger in Lima y nadie enterado? Será que #MoniquePardo lo habrá secuestrado?

Gosh #MickJagger ao Lima ary tsy misy olona mahalala? Midika ve izany fa nalain'i #MoniquePardo ankeriny izy?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.