Kolombia: Fanazarantenam-Pirenena Voalohany Hiatrehana Fahamehana

Ny marainan'ny 5 Oktobra 2011, dia nanatontosa Fanazarantenam-Pirenena Voalohany Hiatrehana fahamehana [es], andraisan'ny tanàndehibe 14 anjara i Kolombia. Ny Hevitra moa dia hoe misy voina (horohorontany) ka ajoro ny dingana fanentanana ny olona amin'ny andraikitra tokony raisiny raha misy voina tena mitranga tokoa.

Ireo izay miandraikitra ny hetsika, izay napetraky ny governemanta hanomboka amin'ny 11 ora maraina, dia nitodika tamin'ny media sy nanokatra vohikala [es] hanasana ny Kolombiana handray anjara amin'ny fanazarana. Araka izany dia nanaiky ny handray anjara amin'ity fanazarana, izay voalohany eo amin'ny sehatra nasionaly, saingy fahatelo kosa ho an'ny an-drenivohitra, Bogotá [es], ity ny sampan-draharaham-panjakana, sekoly maro samihafa ary orinasa tsy miankina maromaro.

Official logo of the national evacuation campaign

Official logo of the national evacuation campaign

 Mivoaka [es] ao amin'ny vohikala ofisialy :

El Simulacro de Evacuación ha permitido posicionar a Bogotá y al país en general como líderes en el tema de prevención y preparación para afrontar emergencias en América Latina. Este año se ha hecho especial énfasis en el sector educativo, en el cual ya confirmaron su participación 214 planteles educativos, tanto privados como públicos, de toda la ciudad.

Ny fanazarana hiatrika voina no nametraka an'i Bogotá, sy ny firenena amin'ny ankapobeny, ho mpitari-dalana amin'ny fisorohana sy ny fiomanana hiatrika voina manerana an'i Amerika Latina. Tamin'ity taona ity, nentanina manokana ny rafi-mpampianarana, izay ahitana sekoly fanabeazana miisa 214 manerana ny tanàna, miankina sy tsy miankina amin'ny fanjakana, nanamafy ny fandraisany anjara.

Nanana ny anjarany ihany koa ny valantserasera ary niresaka momba ity hetsika ity amim-bazivazy ny olona.

Mahita hetsika politika ao anatin'izy ity ihany koa ny sasany. Carlos Hernánez (@creacionhumana) [es] niteny fa nisy fanarontsaronana tao mba tsy hiadian'ny olona hevitra amin'ny Fifanarahana ara-barotra Malalaka eo amin'ny Etazonia sy i Kolombia:

Lo del #simulacro era para distraernos de la aprobación del TLC?

Narangaranga tsy hiresahantsika ny fidirana amin'ny Fifanarahana ara-barotra Malalaka ve ny fanazarana?

Nohararaotin'i Mal_nacida (@JelizMon) [es] ny fotoana hiresahany ny tsy fahampian'ny fiompanan'ny rafi-pitsaboana kolombiana amin'ny fiatrehana voina:

Por que no mejor un #simulacro de atender bien en las URGENCIAS de los hospitales

Maninona raha manao fanazarana tsara kokoa ary hifantoka kokoa amin'ny FAHAMEHANA any amin'ny hopitaly

Na izany aza, manazava ny toe-draharaha ny mpisera Twitter tahaka an'i Marisol Gutierrez (@marysolga) [es] ary manoratra:

charlé, reí, caminé, busqué a mi grupo, dije presente y volví a trabajar, estaba #simulacro. Jaja será que en un terremoto se pasa tan bueno?

Nikarajia aho, nihomehy; nandehandeha, nitady ny vondrona misy ahy, niteny hoe ity aho dia niverina niasa. Izay ilay fanazarana. Haha, mampiala voly tahaka izany ve ny fihovitrovitry ny tany?

Misy koa moa ny hevitra isan-karazany mampiseho ny zavamisy fa tsy tratra ny tanjona tamin'ilay hetsika.

Nanoratra i José David Hidalgo (@josedavidalejo) [es] :

El #Simulacro De Mi Colegio Fue Muy Malooo :/

Tena ratsy koa ilay #Fanazarana Tao amin'ny sekoly Ambony nisy ahy :/

Nasongadin'i Geovanna Valencia (@Geovannella) [es] fa rehefa tena misy voina tsy misy olona tony izany:

#simulacro es una perdedera de tiempo, a la hora de una emergencia NADIE piensa, ni conserva la calma!

Fandaniam-potoana ilay #fanazarana, mandritra ny fotoana TSY MISY mieritreritra voina, tsy misy mahavita mitony izany!

Farany, misy ny sasany tahaka an'i Sebastián Álvarez (@SebasAlvarez6) [es], tsy nahamarika ny fisian'izany fanazarana izany:

Yo ni me di cuenta del #simulacro!

Tsy nahamarika aho fa nisy #fanazarana!

Mbola maro ny domberina azo jerena rehefa mamaky ny tenifototra #simulacro.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.