Madagasikara: doro-trano namotika trano 164 any Amparihy, Taolagñaro [Fort-Dauphin]

Ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana Azafady no mitatitra ny doro-trano goavana tany Amparihy, Taolagñaro izay namotika trano miisa 164. Izany doro-trano izany no fanindroany goavana tao anatin'ny roatokom-bolana [3 herinandro] monja any amin'ny faritra Anosy. Nanampy trotraka ny afo ny herin'ny rivotra izay tsy nitsaha-nitsioka tamin'iny faritra Atsimo-Atsinanan'i Madagasikara iny.

Hoan'ireo izay vonona hanampy dia misy pejy Aterineto misokatra anangonam-bola hanampiana ireo tra-boina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.