Fihaonan'ny Bilaogera ao Tonizia Andian'ny Fahatelo

Nisokatra tamin'ny Alatsinainy 3 oktobra tao Tonizia ny Fihaonana fahatelo ny bilaogera arabo, valandresaka no nisantarana izany. Niara-nikarakara ity fihaonana ity ny Global Voices, Nawaat sy ny fikambanana Heinrich Böll ; teo amin'ny bilaogera an-jatony teo izay saiky avy amin'ny firenena Arabo no nandray anjara tamin'izany. Mazava ho azy, fa voatantara betsaka tamin'ny bilaogy ny valandresaka, tsy tamin'ny bilaogy ofisialy Arab Bloggers blog ihany, fa tamin'ny bolongan'ireo mpandray anjara marobe ihany koa.

Hitanao  eto ny rohy misy ny fampahalalam-baovao sy ny bolongana izay mitantara ny fihaonana (alefaso ao amin'ny takelaka fametrahan-kevitra raha misy fitantarana tsy ampy).

Al Jazeera nanoratra mikasika ny fihaonana: “Nanambra ny mpamaham- bolongana Arabo fa nanjary manerantany ny Lohataona Arabo“.  Ahitana ny lahatsoratra nosoratan'i Jillian York  momba ny Andro voalohany, Andro faharoa ny fitantarana amin'ny bolongana amin'ny teny anglisy, ary ahitana ihany koa ny fitantarana manokana mampisongadina ny bilaogera Toniziana niditra amin'ny sehatra politika ao Tonizia amin'ny fomba maro. Avy amin'ny fanambarana mikasika ny filoha vaovaon'ny ATI Sampan-draharaha Toniziana misahana ny Aterineto ny vaovao lehibe izay milaza fa  manao fanandramana rindram-baiko fanaovana sivana ho an'ny orinasa tandrefana i Tonizia.

 

Mohamed ElGohary, anisan'ny mpanoratra ao amin'ny Global Voices amin'ny teny Arabo. Sary avy amin'i Mohamed Alâa Guedich (nahazoana alalana)

Mbola mitohy amin'ny alalan'ny atrikasa madinidinika ny fihaonana, saingy amin'ny alalan'ny -fanasana ihany izany- ary mandritra ny telo andro. Manohy mi-tweet mikasika ny adihevitra amin'ny fiteny karazany ireo mpandray anjara, amin'ny fampiasana teny fototra #AB11, ary manohy mamoaka lahatsoratra vaovao hatrany ihany koa ny bolongana mitantara ny valandresaka. Araho hatrany ny fitantarana ataonay…

Fihaonana andiany faharoa an'ny mpamaha bolongana Arabo, notanterahina tao Beyrouth ny taona 2009, niaiky ireo bilaogera marobe tamin'izany ny amin'ny andraikitra lehibe nosahaniny amin'ny fampiraisana manokana ny bilaogera avy any amin'ny faritra manodidina, fifandraisana izay nahamora ny fiaraha-miasa nandritra ny Lohataona Arabo.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.